]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Chine. Nanamafy ny fahavononany hanampy an'i Madagasikara amin'ny Fampandrosoana

Chine. Nanamafy ny fahavononany hanampy an'i Madagasikara amin'ny Fampandrosoana

Notontosaina teny amin’ny Carlton Anosy ny 25 novambra 2019 ny atrikasa fijerena ny fanamafisana ny fiara-miasa eo amin’ny firenena Sinoa sy Madagasikara nomena ny lohahevitra hoe : “Colloque sur le dĂ©veloppement de la chine”.

Andriamatoa David Rajaon, Tale jeneralin'ny IEP

Niara-niasa akaiky tamin’ity hetsika ity ny avy ao amin’ny ivon-toeram-pampianarana sehatra politika IEP (“Institut d’Etude Politique”). Nampafantarin’ity farany nandritra izany ny maha zava-dehibe ny dingam-pampandrosoana nisy teo amin’ity firenena sinoa ity nahalasa lavitra io firenena io ka nahatonga azy ho firenen-dehibe faharoa eo amin’ny tanjaka ara-toekarena.

Ramatoa Yang Xiaorong, masoivohon'ny Chine miasa eto Madagasikara

Izany dia nohon’ny fazahoana tombony amin’ny fanànana ny traikefa eo amin’ny fananganana ny “parc industriel”. Ho an’i Chine manokana dia tsy navelany ho azy irery izany traikefa izany fa naparitany eo amin’ireo firenena Afrikana izay miara-miasa aminy ka anisan’izany isika eto Madagasikara. Izy rahateo araka ny lahateny nataon’ny masoivoho sinoa miasa eto amintsika, Ramatoa Yang Xiaorong, dia firenena faharoa maneran-tany mahasintona mpampiasa vola.

Ramatoa Lantosoa Rakotomalala, minisitry ny Indostria sy ny Varotra

Mana-tombony manokana i Afrika noho izany fivoaran’i Chine izany, indrindra isika eto Madagasikara izay efa naharitra 47 taona niara-niasa ka nanamafisan’i Chine ny fahavononany hatrany, nandritra ny fivoriana FOCAC natao tanyBeijing. Raha ny eto Madagasikara indray dia efa misy ny vina izay hametrahana ny orinasa indostrialy eto Madagasikara ny taona 2020, araka ny fanazavana nomen’i Ramatoa Lantosoa Rakotomalala, minisitry ny Indostria sy ny Varotra.

 

Hahazo vahana amin’izany ireo tanora sy vehivavy manana fahavonana amin’ny fananganana ny orinasa madinika sy salantsalany.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Samedi, 30 Novembre 2019 03:08 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...