]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Mialy Rajoelina. Kabariny tao amin'ny Hopitalin'ny Reny sy ny Zaza ao Ambohimiandra

Mialy Rajoelina. Kabariny tao amin'ny Hopitalin'ny Reny sy ny Zaza ao Ambohimiandra

Zoma 29 Novambra 2019. Tonga teny amin'ny Hopitalin'ny Reny sy ny Zaza ao Ambohimiandra ny vadin'ny Filoha, Mialy Rajoelina Razakandisa, izay Filoha Mpanorina ny “Association Fitia” ihany koa. Ny tena anton-diany dia ny fitokanana ny Ivontoerana momban'ny vaksiny voalohany indrindra eto Madagasikara, izay ao amin'io hopitaly voalaza io. Ity manaraka ity ny kabariny, tamin'io andro tsy manam-paharoa io, eo amin'ny sehatry ny Fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza Malagasy indrindra indrindra :


" Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miasa aminao,

Madame le Coordonateur résident du systÚme des Nations Unies à Madagascar,

Andriamatoa Tale Teknikan’ny Hopitalin’ny Reny sy ny zaza sy ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny hopitalin’ny Reny sy ny zaza Ambohimiandra,

Ianareo olomanankaja maro,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny voalohan-teniko dia ny fiarahabana antsika rehetra tonga eto. Androany 29 Novambra no fotoana hanombohana ny hetsika fanaovana vaksiny eto amintsika.

Noho izany indrindra no anton’izao fihaonantsika eto amin’ny hopitalin’ny Reny sy ny zaza eto Ambohimiandra izao.

Tafiditra ao anatin’ny asa iantsorohan’ny Fikambanana Fitia hatramin’izay nijoroany ka hatramin’ny androany ny fiahiana ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza.

Manerantany dia nahafahana nisoroka ny fahafatesan’ny zaza sy olon-dehibe miisa 2 hatramin’ny 3 tapitrisa ny fanaovam-baksiny.

Eto Madagasikara, araka ny antontan’isa dia 33% na iray ampahatelon’ny zaza latsaky ny roa taona ihany no nahavita ny vakisiny rehetra mialoha ny faha-erintaonany tamin’ny taona 2018.

Maro ny antony tsy maharisika ny ankamaroan’ny ray aman-dreny Malagasy hanao vaksiny ny zanany.

Fa isan’ny voalohany indrindra ny tahotra. Eo ny tahotra noho ny honohono eny amin’ny fiarahamonina fa hanaovana andrana amin’ny fanafody ny ankizy. Misy koa ireo izay mihevitra fa tsy dia misy dikany loatra ny fanaovana vaksiny.

Toetsaina mila ovaina izany satria tena manavotra aina tokoa ny vaksiny ary entina hiarovana ny fahasalamana.

Tsy vitan’izay ihany fa ny fanaovana vaksiny dia manome antoka amin’ny ho avy mamiratra ho an’ny zanantsika mba hivelarany ara-tsaina fa indrindra ara-batana, hitombo sy ho salama.

Harena sarobidy ary mamy ny zanaka. Tahotra ao anatin’ny ray aman-dreny rehetra izany mamoy ny menaky ny ainy izany. Zon’ny zanantsika ny ho salama koa andao harovana amin’ny aretina izy ireo.

Amin’ny maha-renim-pianakaviana ahy dia tsapako zava-dehibe tamin’ny fitaizana ireo zanako telo ny fanaovana vaksiny. Ankehitriny, hitako fa nitondra soa ho an’ny fahasalamana sy ny fitomboan’izy ireo izany.

Ho antsika eto Madagasikara, maimaim-poana, tsy handovam-bola ny fanaovana vaksiny ary indrindra mitondra fahasalamana ho an’ny zanantsika.

Koa androany, manentana antsika ray aman-dreny, manentana antsika renim-pianakaviana aho. Ho ento manantona ny tobi-pahasalamana ny zanakantsika hatao vakisiny hatramin’ny farany hiarovana azy ireo amin’ny aretina samihafa. Vohay varavarana ireo mpanao vaksiny mitety isan-tokatrano.

Efa nihaona ny tenako sy ny teo anivon’ny Rantsan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS momba ny olan’ny vaksiny eto Madagasikara.

Ho fanampiana amin’izay fanentanana ny olona hanao vaksiny izay dia hapetraka amin’ireo hopitaly lehibe sy toeram-pitsaboana CSB II manerana an’i Madagasikara ny “centre de vaccination” ka eto amin’ny Hopitalin’ny Reny sy zaza eto Ambohimiandra no hanombohana izany androany.

Isaorako manokana eto ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miasa aminy tamin’ny fanamorana ny fanavaozana ity toerana ity mba hatao ho ivontoeran’ny vaksiny.

Hisokatra ho an’ny rehetra ny toerana ary hanentanako anareo renim-pianakaviana mba hanao ho zava-dehibe ny fitsinjovana ny fahasalaman’ny zanantsika fa izany ihany koa no ahafahantsika manana Firenena vanona sy mandroso.

Mankasitraka Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy! ".

Mialy Rajoelina Razakandisa


Mis Ă  jour ( Dimanche, 01 DĂ©cembre 2019 07:48 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...