Io sisa ny sariny navelany ao amin'ny kaontiny Facebook. Ao raha...
Ity no tonga amin'ilay fitenena hoe “mamo miantso polisy”. Marina tokoa. Taorian'ny nivoahan'ilay lahatsoratra “Razanamalala Elianne Marie. Mampiaiky tokoa ilay fangalara-tany nataony” nivoaka teto tamin'ny Sabotsy 07 Desambra 2019 dia tsy naharitra ny anareo vavy fa namaly ampahibemaso (“publication publique”) ao amin'ny Facebook, ka ny nanalika sy nilaza fa voavidim-bola izaho, Jeannot Ramambazafy, mpanao gazety efa 40 taona izao.
Ary dia nilaza mazava fa “tsy matahotra ahy” izy (sora-baventy mihitsy) ka “ho vitainy hatramin'ny farany io hahitana izay tena mpisoloky marina”. Mbola nasiany ihany koa fa : “aza manantena ahy anantona (asa ananto-tena angaha izy satria anatona no fiteny) hanambitamby anao koa hoe ity ny vola fa ajanony ny famoahana ny momb'ahy etsy sy eroa fa vao maika (maika ho aiza ianao e! Mainka no fiteny) omeko courage ianao, sns...”. Ary namerina mihitsy izy ny hoe : “ARY TIAKO HO HAINAO FA ZAHO TSY MATAHOTRA ANAO”.
Tsy resaka “tahotra” ry kalakely a! Ny tsy fantatrao anie dia ity e : mpanao gazety aho efa zatra ompa ary tsy mahafaty izany fa miverina amin'izay nanao izany foana. Fa ny taranak'i Dadabe Razanadranto sy Bebe Rasoanindrianina mihitsy anie no alikainao amin'ity resaka mivovo voasoratrao ity e! Satria aoka amin'izay ho fantatrao fa anisan'ny mpandova io tany io aho.
Io ny Fanamarinana maha-pandova (“acte de notoriété”) efa tamin'ny 10 Aprily 1973, ary averiko eto koa ilay Fanamarinana fananan-tany (“certificat de situation juridique”) milaza mazava hoe iza no tompon'io tany nangalarinao io. Tsy fantatro izay nifaranaka taminao fa izahay maro an'isa aloha dia milaza marina fa tsy nifampiraharaha taminao velively.
Raha arahina izany ny filazan'ity Elianne Marie ity dia ny taninay ihany no nosolokinay izany ? Any amin'ny namany any indray izy dia mitaraina fa: “dia isaky ny manao PA (“prescription acquisitive”) izany dia misy tompony tampoka ny tany angatahina?”. Midika mazava izany fa fomba amam-panao io hala-tany io ary mandeha tokoa ny volany. Izy moa malaza fa “vadim-bazaha”... Mpanao gazety mpikaroka moa aho fa tsy maintsy ho fantatro iza avy ny tany nanaovany an'io resaka PA “fôplà ” io dia namidiny avy eo. Tsy maintsy misy “traces” foana satria mpamosavy mandeha alina aza misy mahita...
Rehefa mangalatra moa dia tsy manara-dalà na. Ka na dia “autorisation de clôture” sy “autorisation de construire” aza tsy nisy teny an-toerana satria tsy nisy nanome alà lana azy anangana n'inona n'inona teo amin'io tany nangalariny io. Io amin'ny sary io ny ohatra tazana eo ampitan'ny tranon'i Nenitoa Florentine (Nenitoa Flora), 82 taona, mpandova mivantana sisa mbola velona amin'izy fito mianadahy zanak'i Dadabe Razanadranto sy Mamabe Rasoaninandrianina.
Asa iza no Malagasy hanaiky atao amboa razana fa izany mihitsy no nataon'io Razanamalala Elianne Marie anay satria ny alika ihany no mivovo. Ho hitanay eo ny momba io ompa tsy fanao io fa eo amin'ny laharana faha-telo no misy ny rafozako dia Razaiarinoro Berthine sy Rakoto Jean De Dieu izay efa nodimandry.
Raha izahay maro an'isa nivory matetika tato ho ato aloha dia tsy nisy nahalala izany fitoriana azy any amin'ny polisy izany ny 05 Desambra 2019. Asa, fianakaviana niala tamin'ny maro angaha. Jereo tsara ary ny Fanamarinana maha-pandova (“acte de notoriété”) dia ambarao mazava iza no nilaza fa tompony irery ka nifanaraka taminao an-tsokosoko fa lasa tsy milamina ny razambenay ao am-pasana ao satria FITO ny zanak'izy ireo ary mpandova daholo... Milaza moa ity Elianne Marie ity (anarany ao amin'ny Facebook) fa “omeko courage satria mbola ho ela ny hiarahatsika eto raha ny halavan'ny procédure...”. Ny adinony dia mpitondra vaovao sy fomba fiasa vaovao no misy ao amin'ny “domaines” sy ny tribonaly eto Madagasikara ka ny teny filamatra dia Tany tan-dalà na sy ady amin'ny kolikoly. Maro ireo dosie tonga eny amin'ny Antenimierampirenena ka hampidirina any koa ny mikasika ny taninay. Ary tokony fantany fa tsy ny polisy ihany no mpampiatra ny Lalà na eto Madagasikara ary tsy izy rehetra no azo vidiam-bola sady sarotra be izany amin'izao vaninandro izao.
Ireo fahatelo ireo ny raiamandrenin'ny vadiko, Razaiarinoro Berthine sy Rakoto Jean De Dieu, mivadibadika ao am-pasana tratry ny ompan'alika nataon'ity Elianne Marie miseho azy ambony razana ity
Hatramin'izay mantsy teto Madagasikara toa izay miseho mahitahita sy manam-bola ary be vava ny mahazo rariny hatrany raha vao resaka tany sy fananan-tany. Efa ho 80% ny raharaha eny amin'ny tribonaly moa dia ady tany daholo. Ary miala avy amin'io resaka PA io matetika dia matetika. Ka ireo tsy mahay taratasy moa dia lasibatra hatrany. Tokony asian'ny Solombavambahoaka fanovana io resaka PA io satria tena sady nilaozan'ny toetr'andro no manala ny Malagasy maro an'isa amin'ny tanindrazana tokoa.
Raha iverenana ity Elianne Marie ity dia tsotra : ompa nataonao anay mianakavy izay alika eo anatrehanao, mbola nahasahy ihany ianao milaza fa izahay no mpisoloky ny taninay ? Ka dia tsotra : tany tan-dalà na tokoa ity Madagasikara ity sa tsia ? Mbola misy mpandray kolikoly foana ve amin'izao vaninandro izao? Asa aloha fa na ny nitondrano “géomètres” tamin'ny 04 Jolay 2019 aza dia efa mampanahy satria ny tena tompona tany no any afaka mampanao izany... Manginy fotsiny ny taratasy nakana azy tsy hanangana n'inona n'inona eo amin'io toerana io avy amin'ireo fokontany manodidina. Mbola karohina koa ny mikasika ny “extrait de plan cadastral” nalainy tamin'ny anarana hoe : Razanamalala...
Tsy omby ny gazety fa mbola hitohy ity tantara ity satria tsy mety raha ny olona mpangalatra indray no avo vava manosihosy ny hasin'ny maty sy manamboa razana. Sa efa lasa “vazaha” hatramin'ny fisainana ka tsy miraharaha (fomba fiteniny rahateo io) ? Na izany aza tsy ny fanalikana anay fianakaviana mpandova ara-dalà na akory no hazoanao ny rariny ary, indrindra ny hitsiny sy ny fahamarinana. Ndao ary ! Farany : misy ny vidéos nalaina teny an-toerana taloha sy taorian'ny nanganany io tamboho be tsy nahazoany alalà na io sy ilay trano kely ao anatiny...
Jeannot Ramambazafy