REGAP : ANDRY SY TOKY
Notanterahina ny Alatsinainy 16 desambra 2019 ny fanolorana ny marim-pamantarana («Insigne de Corps») ara-pomba ofisialy ny Vondrona mpiaro ny Filoha.
Nanolotra izany teny Iavoloha, toby misy io Vondrona io, ny Lehibenâny Etamazaoronâny Tafika Malagasy, ny Jeneraly Rakotonirina ThĂ©ophile. Nisolo-tena ny Filoham-pirenena kosa ny Sekretera Jeneraly lefitra ny Fiadidianâny Repoblika.
Nandritra ny lahateny no nitondranâny Lehibenâity Vondrona ity, ny Kolonely Rabenjamina Thierry, ny Tantaranâny vondrona sy ny niandohany. Ny faranâny taona 1990 no nitsangana ny Rezimanta mpiaro ny Filoha, ka izao 30 taona latsaka kely aty aoriana izao vao nisitraka izany marim-pamatarana izany io Vondrona io. Vondrona izay ahitana miaramila sy polisy ary zandary.
Taminâny fitsanganany voalohany dia nantsoina hoe COSEP («Compagnie de SĂ©curitĂ© PrĂ©sidentielle») ity Vondrona ity, izay teny Ambohitsorohitra no nisy Foibeny, talohan'ny nahavitana soa aman-tsara ny trano itobianâireo Vondrona ireo eny Iavoloha. Dia niova ho RESEP («RĂ©giment de SĂ©curitĂ© PrĂ©sidentielle») izay lasa REGAP («RĂ©giment de Garde PrĂ©sidentielle») aminâizao fotoana izao.
Ny taona 2000 dia nitsangananâny indray ny BCS («Bataillon de Commandement et de SĂ©curité») misahana ny fiarovana ny Andrim-panjakana rehetra. Ny anâny Praiminisitra, ohatra, dia ny BSP («Bataillon de SĂ©curitĂ© de la Primature») no miaro azy.
Ny taona 2005 no noforonina ny logo sy ny hira fanevanâny Vondrona mpiaro ny Filoha. Izany Ravelona Edgard izany, fony izy Kapiteny, no nipoiranâny famoronana azy roa ireo ary noezahiny natsaraina hatrany ilay hira faneva.
Nandrita izay valo volana lasa izay (May-Desambra) dia maro no efa vita ary mbola maro ny adidy miandry. Nisy ihany koa ny nampalahelo izay nisianâny famaizana ny Cercle Mess ao Iavoloha taminâny 14 Novambra 2019. Anisanâny hetahetanâio Vondrona io ny hanarenana izany Cercle Mess izany.
Andry Rakotonirainy