]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Mialy Rajoelina, 08.01.2020. Ny Kabariny tao amin'ny CENHOSOA nomena "couveuses" roa

Mialy Rajoelina, 08.01.2020. Ny Kabariny tao amin'ny CENHOSOA nomena "couveuses" roa

****************************

Kabarin-dRamatoa Mialy R. Rajoelina, vadin'ny Filoham-pirenena,

Hopitalin'i Soavinandriana CENHOSOA

08 Janoary 2019


Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena,

Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Hopitalin'i Soavinandriana,

Ianareo mpiasan’ny fahasalamana rehetra,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Fifaliana ho ahy ny mitsidika ity toerana ity taorian’ny fetin’ny krismasy sy amin’izao taona vaovao 2020 izao. Ho taonan’ny fahombiazana sy fahasalamana ho antsika tsirairay avy anie ity taona vao manomboka ity. Mirary soa manokana ho anareo eto amin’ny “Centre hospitalier de Soavinandriana” (CENHOSOA) ny tenako.

Enga anie ka mba hanamafy ny finiavana ao amin’ny tsirairay ity taona ity ka hilofo hatrany hanefa araka ny tokony ho izy ny adidy sy andraikitra ao anatin’ny fitsaboana sy fikarakarana ny Reny sy ny zaza ianareo. Masina loatra mantsy ity asanareo ity : manome aina, mitsabo ary mahavita manavotra aina mihitsy aza indraindray.

Tohina tanteraka ny fonay mivady raha nitsidika teto amin’ny “service pĂ©diatrie et de nĂ©onatalogie” nandritra ny vanim-potoanan’ny krismasy teo iny. Nahaontsa loatra ny nahita fa ny “couveuses” roa misy eto dia natao ho an’ny zaza telo. Mampalahelo fa misy izany iray teo amin’izy ireo voatery ampiandrasina noho io tsy fahampian’ny fitaovana io. Fantantsika anefa fa tena mila fanaraha-maso akaiky ireo zaza tsy ampy volana ireo ary mila tazomina herinandro hatramin’ny iray volana ao anaty “couveuse” mba ahahafahany mitombo tsara sy mahatratra ny lanja tokony ho izy.

Vidiana lafo ny fotoana ho fitsaboana sy fiarovana azy ireo satria tena mikaonty hatramin’ny segondra mihitsy aza. Tsy azo ekena ary tsy azo eritreretin’ny saina mihitsy hoe zaza mila fitsaboana faran’izay haingana toy izany no ampandeferina tsy fidiny. Ka noho izany indrindra no nahatonga anay nanapa-kevitra hitondra ireto “couveuses” miisa roa ireto hatolotra am-pitiavana ho an’ny Hopitaly Soavinandriana.

Mankasitraka anareo rehetra mpiasan’ny Hopitaly anefa aho fa tsy mba nataonareo ho sakana tsy handrosoana izany olana ara-pitaovana izany.

Tsapako loatra hoe ohatra ny ahoana ny ahiahin’ny ray aman-dReny rehefa tsy salama izay ny menaky ny ainy. Efa niainako izany, efa nisedra izany aho. Tsaroako, tamin’ny zanako lahy vao teraka vao roa volana monja izy tamin’izay narary sempotra tsy maintsy nentina haingana namonjy ny « Service de rĂ©animation pĂ©diatrique » ary teto amin’ity hopitaly ity izy no notsaboina.


Eto aho dia mankahery anareo Ray sy Reny manana zanaka tsy salama, na ny eto amin’ity hopitaly ity na amin’ny toerana hafa manerana ny Nosy.

Ho anareo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana kosa hirariako mba ho am-pifaliana sy am-pamendrehena no hanatanterahanareo ny asa fa tena iankinana ary ilain’ireo ray aman-dReny ireo izany.

Mbola betsaka ireo fanatsarana tokony hatao, ny ara-pitaovana, ny fotodrafitrasa, ny fanatevenana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana.

Koa ndao àry hiara-hibanjina tanjona iray dia ny fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara izany, indrindra fa ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza.

Satria ny vahoaka salama sy tomady dia anisan’ny fanoitra ho an’ny fampandrosoana ary ny fahasalamana no voalohan-karena.

Mankasitraka Tompokolahy sy tompokovavy!

Mis Ă  jour ( Jeudi, 09 Janvier 2020 05:32 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...