]
Les quotidiens du 25 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara. Antso ho an’ny Tily rehetra manoloana ny voina misy eto amin’ny firenena

Madagasikara. Antso ho an’ny Tily rehetra manoloana ny voina misy eto amin’ny firenena

Miarahaba an’ise amin’ny fo feno fitiavana sy amin’ilay naniraka antsika,
Iarahantsika mahalala ny «Andro ratsy» nandalo teto Madagasikara tamin’ity herinandro ity, izay niteraka voina maro hatramin’ny namoizana ain’olona. Indrisy nisy beazina «voronkely» (skoto protestanta zazavavy, 6-12 taona) aza tamin'ireo, ankoatr’izay mety tsy mbola fantatra.
Manao ANTSO AVO amintsika TILY rehetra manerana ny Nosy, mba hanao soroka miara-milanja, tongotra miara-mamindra, hanao ASA SOA sy HIROTSAKA amin’ny FIARAHA-MONINA izay misy antsika tsirairay avy. Tsy voatery hifampiandry sy hifampitaona isika fa araka izay tandrifiny avy, mandra-piandry ny fandaminana mety iarahana amin’ny Faritany.

Ho fijoroantsika vavolombelona dia samy hanao marika skoto isika mandritry ny fifanampiana, manao fehi-tenda ohatra, kanefa kosa tsy atao sakana raha toa misy asa maika mila irotsahana.

Manentana ny Ray aman-dreny, Sakaiza, Tranainy sy mpikambana rehetra, samy hanangona izay mety azo ifanampiana amin’ireny tra-boina ireny, ka samy handamina fotoana ny isam-paritany amin’ny fizarana izany amin’izy ireo, toy ny akanjo, kiraro, lamba, fitaovam-pihinanana, sy kojakoja ao an-tokantrano samihafa.

Tsy mitsahatra isika mivavaka ho an’ny Firenentsika, mba homban’Andriamanitra mandrakariva ny olony.

«Fitiavana ny namana, no ekeko izao»
Ny Tompo anie hanafy hery,
Tànana havia.
Michel RAOELIJAONA (Kalia MIARITRA)
Filoha Foibe Tily eto Madagasikara

* * * * * * * * *

Communiqué de presse | Appel à mobilisation

Tous les scouts Tily, dans toutes les régions de Madagascar touchées par les dernières intempéries, sont appelés à venir en aide aux communautés dans le besoin, et aux victimes dans leur entourage respectif.
L'engagement citoyen et l'entraide sont au coeur de la Promesse scoute, et une manière pour chaque jeune Tily de contribuer à l'atteinte des ODD.

Mis à jour ( Vendredi, 24 Janvier 2020 16:01 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA