]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Zasy Angelot. Minisitra Lefitra teknisiana ranoray fa tsy be kabary

Zasy Angelot. Minisitra Lefitra teknisiana ranoray fa tsy be kabary

Hanatanteraka ny tetik’asa izay tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Filoha ho fametrahana ny tanàna vaovao no andraikitra goavana izay ho sahanin’ny Minisitra Lefitra miandraikitra ny Tanàna vaovao sy ny Trano fonenana, Zasy Angelot.

Ny sabotsy 01 Febroary 2020 no notanterahana ny famindram-pahefana teo amin’ny Minisitra misahana ny Fanjariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo sy ny tenany, tao Anosy. “Ny fahaiza-manao ny sehatra tsy miankina no hoentina hanatanterahana ny tetikasa ny Tanàna vaovao sy Trano fonenana”, hoy ny Minisitra lefitra Zasy Angelot.

Raha ny Tanàna vaovao dia efa heno matetika izany indrindra any ivelany. Tsy sarotra araka izany ny hanatanterahana azy eto Madagasikara, saingy mila fiaraha-miasa amin’ireo sehatra matihanina iraisam-pirenena. Ampifandraisina ihany amin’ny zava-misy eto amintsika izany, na ny lafin’ny sosialy sy izay rehetra tokony ilaina mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina toy ny jiro, ny rano, ny tsena sy ny maro samihafa.

Na dia efa misy aza ny paik'ady efa mipetraka mahakasika ny Trano fonenana, dia mila ampifanarahana amin’ny faritra hanorenana izany ny tetikasa atao. Ny antony dia tsy hitovy ny ilaina amin’ny faritra hafa sy ny eto andrenivohitra, ohatra, ka ilaina fanadihadihana mialohan’ny fanatanterahana ny tetikasa, hoy ihany ny Minisitra Lefitra.

Taorian’ny famindram-pahefana dia nisy dinika manokana niarahan’ny Ministra Lefitra tamin’ireo teknisiana izay efa nametraka mialoha ny tetik’ady ho amin’ity vina Tanàna vaovao sy ny Trano fonenana ity, notarihan’ny Tale Jeneraly misahana ny tetik’asa ny fiadidian’ny Repoblika Augustin Andriamananoro.

Ity farany sy ny ekipany izay nitsodrano ny Minisitra Lefitra hahatontosa ny andraikitra napetrakin’ny Filohan’ny Repoblika aminy, vonona ihany koa izy ireo hifanome tànana amin’ny tetikasa fanoranana Tanàna vaovao sy Trano fonenana. Hatreto izany dia teknisiana ranoray ny Minisitra Lefitra Zasy Angelot, manana traikefa manokana momba toerana nametrahana azy. Midika izany fa tonga dia hanatanterana asa avy hatrany izy fa tsy handany andro anao kabary ambon’ny latabatra.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Dimanche, 02 FĂ©vrier 2020 17:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30