]
Les quotidiens du 25 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Zasy Angelot. Minisitra Lefitra teknisiana ranoray fa tsy be kabary

Zasy Angelot. Minisitra Lefitra teknisiana ranoray fa tsy be kabary

Hanatanteraka ny tetik’asa izay tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Filoha ho fametrahana ny tanàna vaovao no andraikitra goavana izay ho sahanin’ny Minisitra Lefitra miandraikitra ny Tanàna vaovao sy ny Trano fonenana, Zasy Angelot.

Ny sabotsy 01 Febroary 2020 no notanterahana ny famindram-pahefana teo amin’ny Minisitra misahana ny Fanjariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo sy ny tenany, tao Anosy. “Ny fahaiza-manao ny sehatra tsy miankina no hoentina hanatanterahana ny tetikasa ny Tanàna vaovao sy Trano fonenana”, hoy ny Minisitra lefitra Zasy Angelot.

Raha ny Tanàna vaovao dia efa heno matetika izany indrindra any ivelany. Tsy sarotra araka izany ny hanatanterahana azy eto Madagasikara, saingy mila fiaraha-miasa amin’ireo sehatra matihanina iraisam-pirenena. Ampifandraisina ihany amin’ny zava-misy eto amintsika izany, na ny lafin’ny sosialy sy izay rehetra tokony ilaina mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina toy ny jiro, ny rano, ny tsena sy ny maro samihafa.

Na dia efa misy aza ny paik'ady efa mipetraka mahakasika ny Trano fonenana, dia mila ampifanarahana amin’ny faritra hanorenana izany ny tetikasa atao. Ny antony dia tsy hitovy ny ilaina amin’ny faritra hafa sy ny eto andrenivohitra, ohatra, ka ilaina fanadihadihana mialohan’ny fanatanterahana ny tetikasa, hoy ihany ny Minisitra Lefitra.

Taorian’ny famindram-pahefana dia nisy dinika manokana niarahan’ny Ministra Lefitra tamin’ireo teknisiana izay efa nametraka mialoha ny tetik’ady ho amin’ity vina Tanàna vaovao sy ny Trano fonenana ity, notarihan’ny Tale Jeneraly misahana ny tetik’asa ny fiadidian’ny Repoblika Augustin Andriamananoro.

Ity farany sy ny ekipany izay nitsodrano ny Minisitra Lefitra hahatontosa ny andraikitra napetrakin’ny Filohan’ny Repoblika aminy, vonona ihany koa izy ireo hifanome tànana amin’ny tetikasa fanoranana Tanàna vaovao sy Trano fonenana. Hatreto izany dia teknisiana ranoray ny Minisitra Lefitra Zasy Angelot, manana traikefa manokana momba toerana nametrahana azy. Midika izany fa tonga dia hanatanterana asa avy hatrany izy fa tsy handany andro anao kabary ambon’ny latabatra.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Dimanche, 02 FĂ©vrier 2020 17:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA