]
Les quotidiens du 25 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Raharaha “gazety ny marina”. Nanaiky ny fialan-tsinin'i Jeannot Ramambazafy ny Profesora Ravonjiarison

Raharaha “gazety ny marina”. Nanaiky ny fialan-tsinin'i Jeannot Ramambazafy ny Profesora Ravonjiarison

Eo amin'ny sary avy any amin'ny avia miankavanana : Jeannot Ramambazafy, Gérard Rakotonirina, Pr Cousin Germain Ravonjiarison

Tontosa omaly talata 18 Febroary 2020 ny fihaonan'ny namana Jeannot Ramambazafy sy ny Profesora Ravonjiarison Cousin Germain izay olona tsy nifankafantatra mihitsy hatramin'izay. Rehefa nifanazava izy mianaka dia niara-niaiky fa tena nisy hevitra fampiadiana avy amin'ilay na ireo ao ambadik'ilay pejy “gazety ny marina” ao amin'ny facebook. Teo anatrehin'ny filohan'ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM), Gérard Rakotonirina, sy ny tomponandraikitry ny sampana cybercriminalité ao amin'ny polisy no natao izay fialan-tsiny izay.

Mikasika ny pejy “gazety ny marina” dia efa miditra amin'ny lalin-dalina ny fikaroana ilay na ireo mahavita manompa Filoham-pirenena am-perinasa amina voam-bolana tsy voahevitra manala baraka ny fanaovan-gazety malagasy iray manontolo. Ny nanely ilay tsaho hoe nirodana ny tonelina Ambanidia aza tratra ka dia ny fanalam-baraka minisitra am-perin'asa sy lehibem-panjakana torak'izany indray ve dia havela amin'izao? Ary mitombo isa andro aman'alina ny olona efa mitory sy hitory ireo devoly mihevitra fa tsy ho tratra mihitsy.

Raha hiverenana kely ilay raharaha dia tsy ny namana Jeannot Ramambazafy mihitsy no nanamboatra ny “convocation” an'i Ny Rado Rafalimanana -tamin'ny 7 Febroary 2020 ary misy ny adiresiny eny Ambodiafontsy- natao tamin'ny anaran'ny Profesora Ravonjiarison fa ilay na ireo ao ambadik'ity “gazety ny marina” ao amin'ny facebook tsy manjary ity. Ary io anarana izay tsy fantatry ny namana Jeannot Ramambazafy io dia niniana nataon-dry zalahy solon'ny an'ingahy Ny Rado. Taty aoriana dia namoaka "lahatsoratra"  miaraka amina teny ratsy mahazatra azy ireo ao an-tokan-tranony koa angamba, notsipihina mihitsy hoe "Profesora Cousin Germain". Izany hoe olona mahafantatra ity Profesora ity ry zalahy ary miketrika zavatra hipoitra amin'ny fotoana tsy ampoiziny. Koa aleho aloha hiriorioa ry zalahy fa ny nenina moa aoriana maninona moa ?

Tsimba

La Gazette de la Grande île

19.02.2020

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA