]
Les quotidiens du 25 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo. Tantaran’ny fiangonana ao Ambohipotsy

Antananarivo. Tantaran’ny fiangonana ao Ambohipotsy

Vahoaka tsy misy Tantara dia vahoaka tsy misy hoavy. « Les peuples sans Histoire sont des peuples sans avenir », hoy Mgr Jean-Louis Bruguès, mpitantana ny tranom-boky ao Vatican, Roma. Tapaka ny hevitro ary afak’omaly 6 Aogositra fa hamela lahatsoratra ho anareo mpamaky sy ho an’ny firenena iray manontolo aho. Satria ny vahoaka ny maha firenena ny firenena iray. Ary dia niakatra teny Ambohipotsy aho. Na dia nihidy aza ilay fiangonana dia tsy nanakana ahy nikaroka ny momba azy. Maro tokoa ireo nanoratra teo alohako, momba an’Ambohipotsy (tsy azo afangaro amin’i Ambohipo) ary ny ankamaroany dia vahiny hatrany. Tsy dia ilay finoana loatra no ho resahina eto -na dia fa tsy azo adino izay lafiny izay-, fa ny nahatonga ny anaran’ilay toerana sy ny nahatonga ny anarana io fiangonana io. Afa-po tamin’ny fankalazako manokana ny faha-66 taonako aho (6 aogositra 1954-6aogositra 2020). Asa ianareo mpamaky raha ho torak’izany. Ndao ary Tompokolahy sy Tompokovavy fa tsy tantara valamaty akory izy ity.

Tsiahy

Tamin’ny voalohan’ny taona 1835 dia nohenjehin’ny Mpanjakavavy Ranavalona I ireo Malagasy nivadika ho kristianina. Izany dia ny mba hampiatona ny fibahan’ny kolontsaina sy ny politika eoropeana teto amin’ny Nosy. Anisan’izany kristianina izany i Rasalama Rafaravavy izay lasa maritiora malagasy voalohany nolefonina tao Ambohipotsy araka ny voalaza eo ambany. Rehefa niamboho ny Mpanjakavavy Rasoherina dia i Ramoma, zanak’anadahiny ihany, no nandimby azy ara-pomba ofisialy, ny 3 Septambra 1868 teo Andohalo, ka nitondra ny anarana hoe Ranavalona II. Nifanohitra tanteraka tamin’ny fijerin’i Ranavalona I ny mikasika ny finoana nanomboka teo satria tapakevitra ny Mpanjaka vaovao fa hivadika ho kristianina. Namporisihiny ny asa fampielezana ny filazan-tsara nataon’ireo misiona kristianina isan-karazany ary nasainy nodorana daholo ny sampy rehetra nivavahana taloha, toa an-dry Kelimalaza…

Ny nahatonga ny anarana hoe Ambohipotsy

Toerana famonoan’olo-meloka io toerana io tany aloha tany, ary ny fatin’ireny olo-meloka ireny dia tsy mba azon’ny havany nalaina mba halevina fa natao very faty. Koa dia namoro-potsy tao ny taolan’ireny olo-meloka ireny. Izany trangan-javatra mampioro-koditra izany no nahatonga io toerana io hoe Ambohipotsy na vohitry ny taolam-balo fotsin’ny ain’andro.

Ny namonoana an-dRasalama

Tsy olo-meloka ihany no novonoina tao amin’io toerana io fa namonoana olo-marina koa tao aoriana. Ny 14 Aogositra 1837 no nandefonana an-dRasalama, maritiora voalohany, teny Ambohipotsy. Nangataka hivavaka izy nialoha ny nandefonana azy. Io no fivavahana voalohany indrindra navela natao ankarihary ho ren-tany ren-danitra tao Ambohipotsy. Voalaza fa niahotra ny lefon’ireo mpamono ambarapahavitan’ny fivavahana. Izay no mariky ny fandresen’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny herin’ny maizina. Tsy voasoratra ny fivavahana nataony saingy azo antoka fa izy sy Ilay Lohan’ny Fiangonana no nifampiresaka ka azo antoka ny fitsarana marina >satria Izy no tompon’ny teny farany ary manome Satroboninahitra sy Fiainana ho an’izay naharitra hatramin’ny fahafatesana.

Ireo Fiangonana niafina

Rahambo dia naman-dRasalama. Raha nandeha nijery ny >namonoana azy izy dia nahita fa tsy araka izany no nahitany an-dRasalama fa toy ny olona handray zava-tsoa ka dia nampaniry azy mafy. Tsaroana etoana fa nanorina fiangonana miafina teo Ambodivato, tao amin’ny tranon-dRamanantsoa izy ireo, dia Rahambo, Rasalama, Rafotsibe Ramanana, Rafarabe, Ramanantsoa izay lasa Mpitandrina voalohany tao Ambohipotsy.

Taona 1840

Nisy niampanga i Rahambo sy Rasalama ho mpivavaka ka nosamborina natao sesitany. Ireo efatra sisa kosa dia nanohy ny fivavahana miafina tany andavabato ka nahazo namana marobe. Naharitra 26 taona ny fanenjehana ny fivavahana Kristiana nandritra ny andro maizina (1835-1861).

29 Aogositra 1862

Niverina ny Révérend Robert Toy (misioneran’ny London Missionary Society na LMS, nahatonga ny fampiasana ny Solfa amin’ny hiram-piangonana) ary nipetraka tao amin’ny tranon’i Ramena, izay somary atsimo andrefan’Ambohimitsimbina. Ny ilan’ny trano dia natao fiangonana. Io no fiangonana voalohany trano hazo lavalava. Marihina fa ny Révérend Robert Toy no misionera voalohany tao Ambohipotsy.

Fiorenan’ny Fiangonana

 

Ny Trano fiangonana tany (ombelahintany no natao rindrina) dia niorina tamin’ny taona 1863 teo atsimon’Ampasambazaha. Nahalany mpiangona 200, mpandray 48. Rainimanga kosa no Mpitandrina tao.

Ny trano fiangonana zozoro dia ny taona 1864 no nananganana azy. Trano zozoro lavalava, tao atsimo somary andrefana kelin’ilay trano tany, nahalany olona hatramin’ny 900-1000 mahery aza. Naharitra 4 taona no niangonana tamin’io trano zozoro io.

 

Ny Révérend Robert Toy dia nikely aina fatratra nampianatra hevi-teny ny mpianany. Izy no nampianatra voalohany ary fahazavan’ny mpitoriteny teto Madagasikara. Tao amin’ny trano zozoro no nanaovany izany. Olona adalam-boky ny Révérend Toy. Ary ny Soratra Masina no lazainy fa zokin’ny boky vakiany. (Biographie Rév. Toy, pejy faha 7).

Ny tranovato Ambohipotsy dia niorina eo akaikin’ny fitoerana namonoana an-dRasalama. Vita tamin’ny taona 1868. Mazava fa fahatsiarovana an-dRasalama martiora voalohany indrindra teto Madagasikara, izay niaritra ny fanenjehana mafy, sy ny namany koa izay novonoina taorina kely noho ny fitiavany ny Filazantsara. Trano vato vita faharoa taorian’ny Ambatonakanga ny fiangonana ao Ambohipotsy. Ny Architecte nanao ny maritrano dia ny Révérend James Sibree izay tonga teto Antananarivo tamin’ny taona 1863. Andriamatoa William Pool, architecte ihany koa, no niara-niasa taminy.

Ny 17 Novambra 1868 no natao ny fitokanana ny tranovato Ambohipotsy, izay natrehan’ny Mpanjakavavy Ranavalona II sy Praiminisitra Rainilaiarivony vadiny. Fotoana voalohany niarahan’ny Mpanjaka nivavaka ; tamin’ny besinimaro. Ary ny Alahady 29 Febroary 1869, ho mariky ny fanambadian’izy roa, dia nataon’ny pasitora Andriambelo batisa ny Mpanjakavavy Ranavalona II sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony, teo Andohalo. Tamin’io andro tsy manam-paharoa io no nodorana daholo ny sampy rehetra nivavahana taloha ka nosoloina ny Baibolin’ny Krisitianina. Lasa fivavahana ara-mpanjakana (« religion d’Etat ») ny finoana protestanta nanomboka teo.

Fehiny

Na dia niainga tamin’ny trano hazo, trano tany, trano zozoro aza ny fiangonana dia tonga tranovato anisan’ny tsara endrika indrindra izy raha miohatra amin’ireo tranovato efatra naorin’ny misionera. Manamarika ity fiangonana ity ny fisian’ireo vakoka mbola voatahiry ao am-piangonana toy ny seza izay nipetrahan’ny mpanjaka taloha. Na dia faritra fanapahan-doha sy famonoana olona aza iny Ambohipotsy sy ny manodidina iny dia lasa toerana malaza eran-tany kosa noho ny rà marina nalatsaka tao dia ny ràn-dRasalama martiora sy ny namany izany.


Nadine Ramaroson

Ny 2 Septambra 2011 dia tao amin’io fiangonana ao Ambohipotsy io no nanaovana veloma farany an’i Nadine Ramaroson, minisitry ny Mponina, mamy hoditra teo amin’ny vahoaka malagasy iray manontolo.

Jeannot Ramambazafy - Lahatsoratra nivoaka ihany koa tao amin'ny "La Gazette de la Grande île" tamin'ny Asabotsy 8 Aogositra 2020


Mis à jour ( Mercredi, 12 Août 2020 16:09 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024