]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Portrait Toliara Hopitaly manara-penitra: Terak'i Andry Nirina Fenitra Gustave

Toliara Hopitaly manara-penitra: Terak'i Andry Nirina Fenitra Gustave

Toliara, 12 Jolay 2013. I Andry Nirina Fenitra Gustave, dia zaza voalohany teraka tao amin’ny Hopitaly marana-penitra ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina mivady ny 15 Jona 2013. Tsy asiana resabe fa jereo ny video etsy ambony. Fahatsiarovana tsy misy toa izany ho an’io zaza io sy ho an’ny fianakaviany, satria dia mamaim-poana daholo ny fitsaboana manodidina io fiterahana io. Ary na iza no hiteny, na iza no hanambara, dia tsy ho voakosoka ao anatin'ny Tantaram-pirenena malagasy izany toe-javatra tsy mba hita tao anatin'ny 53 taona niverenenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara. Sa iza amin-dry filoha teo aloha isany Didier Ratsiraka, Zafy Albert sy Marc Ravalomanana no nanangana foto-drafitr'asa tsy ho an'ny tenany manokana fa ho an'ny vahoaka malagasy ? Ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ao Anosy Antananarivo, dia ny taona 1970 no natsangan'ny fitondrana Philibert Tsiranana, ary vola avy amin'ireo mpamatsy vola avy any ivelany -vao tonga hambotry ny Malagasy amina fampindramam-bola misy zanany mihaom-pampana- no nanamboarana azy. Tokony ho fantatr'ireo tanora malagasy ankehitriny izany, fa tsy ho variana mijery na mamaky ny rediredy hiarovana ny tombontsoana olo-tokana. Sa mbola hisy ho sahy hilaza fa ny Magro, ny Tiko, ny Mana ao anatin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, sns, dia an'ny firenena malagasy, an'ny vahoaka malagasy ? Tanim-panjakana sy tanin'ny miaramila nosolokiana ary volam-panjakana nahodina daholo no nanorenan'i Marc Ravalomanana ireo ho azy sy ny fianakaviany.

Angamba tokoa ny Lapan'ny TanĂ nan'Antananarivo, ny "Temple du rugby" ao Andohatapenaka, ny "Coliseum de Madagascar" ao Antsojombe, ireo Hopitaly manara-penitra notokanana hatramin'izay dia voasoratra amin'ny anaran'ny Injet na amin'ny anaran-dry Rajoelina mianakavy ? Ka ny Fmi sy ny Banky iraisam-pirenena no namatsy vola ? Ka omeo porofo ary e ! Dia avoakako eto.

Raha tsy misy izany porofo izany dia aza mihezaka manaratsy fahatany sy miaro olona tsy nanasoa ny firenena velively, matoa noroahin'ny vahoaka izay nifidy azy (1972, 1991, 2002, 2009). Asa koa fa fanonganam-panjakana daholo ireo e... I Zafy Albert aza -izay saika maty teny akaikin'ny lapan'ny Iavoloha, ny 10 Aogositra 1991-, dia tsy mba nahatsiahy na iray segondra aza ireo maty nanodidina azy, fony izy Filoham-pirenena. Kanefa anie izy no nitarika ilay "Diaben'ny Fahafahana" tamin'io 10 aogositra io e ! Jereo ny VIDEO eto. Tsy mahagaga raha ratsy fiafara izy satria nitaky ny rĂ n'ireo maritiora notsinontsiniaviny. Izy ny Filoham-pirenena malagasy voalohany naato tamin'y asany ("empĂȘchĂ©") amina fomba ara-dalĂ na. Izany hoe olona tsy nahavita azy ny dikany. Izay no tadidin'ny Tantara. Ka avelao izy hanohy ny redirediny. Efa masoandro mody koa anie izy e ! (86 taona izao ny Profesora Zafy rey olona ĂŽ).

Tsy afa-bela amin'ny Fitsaran'ny Tantara koa ianareo rehetra nanao ratsy sy ianareo fatra miaro azy ireo. Satria tsy ho voakosoka daholo akory ny "zava-bitanareo", afaka 10, 20 eny 50 taona aza. Ny mpitondra mandalo fa ny firenena -izany hoe ny vahoaka malagasy- mitoetra. Toa ny sainam-pirenena, ny hiram-pirenena ary ny fotodrafitr'asa natsangana.

Fa marina tokoa fa ny ratsy sy ny maizin-tsaina dia mahita sy hahita tenenina foana. Nankaiza sy mankaiza ary ho ankaiza daholo anefa ? Tsy ho hita popoka toa an'i Jodasy. Aorian'ny Filoha Andry Rajoelina, hisy Filoha afa, ary aorian'io Filoha afa dia hisy afa ihany koa, fa tsy nijanona teo amin'i Tsiranana, na i Ratsiraka na i Zafy na i Ravalomanana na i Rajoelina akory ny fiainan'ny firenena malagasy. Ary ny tany dia hiodina foana na eo na tsy eo intsony ireo mpitondra ireo. Na tsy eo intsony koa isika mbola velona amin'izao vaninandro izao. Sa misy olona tsy mety maty mihitsy eto an-tany ? Asa...

Jeannot Ramambazafy - 14 Jolay 2013

Mis Ă  jour ( Dimanche, 14 Juillet 2013 11:35 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...