EKENAREO VE NY FILATSAHAN-KOFIDIANA IREO KANDIDA TELO MIANAKA IREO ?
Efa-taona izao ny Firenena Malagasy no tsy nànana mpitondra voafidim-bahoaka. Ny antony dia mazava: toa tamin’ny taona 1972, 1991 ary 2002, dia io vahoaka io no nandraoka ireo mpitondra tsy nanaja ny finianany mikasika ny fanajàna ny Lalampanorenana. Tsy mila miditra lalina isika fa izay ny zava-nisy.
Ary nandalo fotoana tetezamita ny Firenena hiampitana amina Lalampanorenana sy Repoblika vaovao. Raha ny marina izany dia tokony tsy haharitra ela izany fotoana tetezamita izany. Raha nanaiky niala ny Filoha Tsiranana, ny Filoha Ratsiraka ary ny Filoha Zafy, dia tena nanondrana tokoa ny Filoha Ravalomanana satria navadiny ho fanonganam-panjakana ny fametraham-pialany sy ny fandosirany any Afrika atsimo. Nandaitra tokoa ilay lainga be.
Fa ny loza dia ny Sadc ny nampandraiketana ny famahana ny olana hizorana any amin’izay fifidianana Filoha hitondra ny Repoblika faha-IV izay. Efa vitan’ny Malagasy ny nanatanteraka fitsapahan-kevim-bahoaka mikasika ny Lalampanorenana vaovao (17 Septambra 2010) izay hiatra rehefa voafidy ilay ho Filoha vaovao. Satria ny Tondrozotra aloha no Lalàna fototra mamaritra ity tetezamita faha-dimy andalovan’ny Firenena Malagasy ity.
Tsy resahina eto intsony ny fotoana very tany Afrika tany mba hitadiavana vahaolana miaraka amin’ireo Filoha teo aloha izay tsy hita mihitsy ny antony nampanantsoina azy. Niodina ka niodina ary niodina eny ihany fa izao: mbola tsy misy mpitondra voafidy ihany hiverenana ao anatin’ny ara-dalàna (“retour à l’ordre constitutionnel”). Na izany aza dia tonga ilay fotoana nahafantarana izay kandida ho Filohan’ny Repoblika faha-IV, ny 3 May 2013. 41 ny isany, ary tsy nisy nitsangana hanakorontana na koa handà izy rehetra ireo ny vahoaka fa ravo satria tena haneho ny safidiny amin’izay.
Marihina fa no antony naneken’ny CES (Fitsarana manokana misahana ny fifidianana) ireo kandida 41 ireo dia miala avy amina vahaolana politika, satria olana ara-politika no nisy sy misy. Maro ireo tsy nahafeno ny fepetra takian’ny lalàna fa nekena satria hitondra fitoniana ny hafahan’ny mpifidy Malagasy mifidy malalaka amin’ireo kandida mitaratra ny hery politika rehetra misy eto Madagasikara.
Na ny vondrona iraisam-pirenena aza tsy niteny ary nanatrika ilay fitsapana laharana izay hapetraka eo amin’ilay biletà tokana, ny 8 May tao, tao amin’ny Foiben’ny CENI-T (Kaomisiona nasionaly mahaleotena misahana ny fifidianana ao anatin’ity tetezamita ity). Akory anefa ny hahagagana fa dia i Lafrantsa indray no nanondrana ka nametraka fa tsy mahazo milatsaka ny kandida telo dia Didier Ratsiraka, Lalao Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Ary tonga dia nahanton’ity firenena mpanjanaka ity ny fanomezana “visa” ho any Eoropa, ho an’ireo kandida telo ireo sy ny fianakaviany tsirairay avy.
Vao maika koa talanjona io vahoaka Malagasy io rehefa nahafantatra fa nanapa-kevitra koa ny Firaisambe afrikana fa tsy mahazo milatsaka ireo kandida telo mianaka ireo. Ary tonga teto Madagasikara mihitsy ry Joachim Chissano sy ny forongony hanamafy izany (10-13 Jolay 2013). Ny valiny dia TSIA avy amin’ireo kandida telo ireo. Mazava fa tsy hiova hevitra mihitsy ny andaniny sy ny ankilany.
Dia nomen-dry Chissano fehi-potoana farany izy telo mianaka. Avy eo dia ho avy, hono, ny sazy enjana dia enjana… Asa aloha izay tena ho saziany amin’izany. Dia tsy misy mahita soso-kevitra mihitsy ny rehetra (mpanao politika, vondrona tsy miankina, tafika, mpitondra fivavahana…) fa ny teo ihany -izay tsy nisy nahomby- no pasoana sy haroso. Satria samy miaro ny “soavaliny”. I Lafrantsa no tena tompon’andraikitra. Mazava be izany. Fa dia mionona amin’izany fotsiny eo. Miandry inona anefa? Miandry ny sazy vao “hihetsika” ? Hihetsika amin’ny fomba inona anefa? Hidina an-dalambe indray ? Tsy azo amin’izany intsony akory ny vahoaka fa aza manofy atoandro, na iza na iza hiseho hitarika eo. Marina fa miova hevitra io vahoaka io, fa no ny afitsokareo ihany, fa tsy adala akory izy io ka atao fitaovana fotsiny, ka ho taomina lava izao, toa entana… Nitolona, mitolona ary hitolona izy ho an’ny fanovana marina fa tsy ho an’ny fiarovana tombontsoa manokana. Rehefa misy olana iray dia vahaolana iray ihany fa ny sisa rediredin’ny tia tena sy ny miaro ny rambony tsy ho tapaka.
Ka ity no tena vahaolana ary tsy misy afa noho io.
Songonana aingana dia aingana izany sazy izany ary karakaraina ny Fitsapahan-kevim-bahoaka (“referendum”). Ny fanontaniana dia tsotra, ary tsy mila izany hoe fifidiana inona no atao aloha na aoriana. EKENAREO VE NY FILATSAHAN-KOFIDIANA IREO KANDIDA TELO MIANAKA ? Didier Ratsiraka, Lalao Ravalomanana, Andry Rajoelina izany. Ny valiny handrasana moa dia “ENY” na “TSIA”. Tsy misy hidiran’ny vondron’iraisam-pirenena izany “referendum” izany satria raharaha’ny samy Malagasy ary ny vola misy raha teo. Hevitra ara-baki-teny no ho fidiana fa tsy olona ka mahazo mifidy amin’ny alalàn’ny kara-panondrom-pirenena izay ampy taona sy mahafeno ny fepetra rehetra ho mpifidy.
Ka izay valiny eo no tena Feon’ilay vahoaka ventiventesina isan’andro vaky izao. Izy ny tompon’ny teny farany ary tsy maintsy manaraka izany ny vondrona iraisam-pirenena. Tsy mila propagandy io fa samy haneho ny heviny tokoa ny olom-pirenena Malagasy tsirairay izay mbola mahatsapa fa mizaka zom-pirenena Malagasy fa tsy vazaha tapany…
Fa raha mbola izao adihevitra sy paik’ady ary kajikajy tsy mitondra mankaiza izao no mitohy dia tonga ihany ireo sazy manamarika fa tena mbola zanatany vahiny ity Firenena ity ary tsy hilamina mihitsy ny tany satria tsy eo am-pelatànan’ny vahoka ilay fahefana. Nilaza ary milaza ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina fa satriny aza raha rahampitso dia rahampitso no hifarana ity tetezamita ity. Anjarany izany ny mampilaza fa hanao izany Fitsapahan-kevim-bahoaka izany sy ny fepetra mifanaraka amin’izany. Ary mino marina aho fa ny volana oktobra 2013 dia afaka haroso izay fifidiana handrasan’ny vahoaka Malagasy izay. Tsy mila miady varotra intsony ny hoe: iza no alefa aloha. Tsy tapitra eo akory ny fiodinan’ity planeta Tany ity…
Ny tena mahatsara io Fitsapahan-kevim-bahoaka io koa dia hahafantarana ihany ny tena hery politikan’ireo kandida 38 ambiny. Satria mazava fa hampisafidy ny “TSIA” izy ireo. Na koa hitady irika indray hampandamoaka io vahaolana io fotsiny izao. Ka dia hita eo ihany izany rehetra izany. Resaka finiavana ara-politika io (“volonté politique”). Ka ny fanomboana azy aloha dia ny finiavan’ny Filoha Andry Rajoelina hanapaka tsara ary aingana. Izany, araka ny fiteny heno matetika: HO AN’NY TANINDRAZANA.
Marihiko fa soso-kevitra avy amina mpanao gazety efa manana traikefa ho 30 taona niasana -izay nahita sy niaina ireo tolom-bahoaka rehetra ireo nanomboka ny taona 1972-, ka mahalala tsara ny tena hoe vahoaka Malagasy izany. Fa tsy avy amina mpanao politika tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany manokana, na koa avy amina olona tsy mba miaina ao anatin’io Vahoaka Malagasy akory fa eo akaikiny -na koa eo amboniny aza- ka miventy ny anarany rehefa miseho… vahoaka. Adidy ny ahy fa tsy fiarovana an’iza na an’iza fa avelao haneho ny heviny tokoa ny Vahoaka Malagasy. Hitan-tsika eo tokoa ary iza marina no tena tia Tanindrazana. Dia aza fady, hadikao amina teny vahiny izay tianareo (teny frantsay, teny anglisy…) ity lahatsoratra ity ho an’ireo miseho gasy nefa tsy mahay ny tenin-drazana akory. Misaotra betsaka.
Jeannot RAMAMBAZAFY-16 Jolay 2013