]
Les quotidiens du 03 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Tsimbazaza. Tena mino izay lazainy tokoa va re ny PM Jean Ravelonarivo?

Tsimbazaza. Tena mino izay lazainy tokoa va re ny PM Jean Ravelonarivo?

Asa aloha fa toa lavitry ny tena fiainana iainan’ny akamaroan’ny Malagasy maneranan’ny Nosy ny « vokatra » nambaran’ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo, teo imason’ny Solombavam-bahoaka, androany 21 Mey 2015. Asa na ny tatitra no diso na izy no mila dera amin’ny vazaha na dia natao teny malagasy ny famintinana ny “zava-bitany”.

Dia alefalefa any fotsiny ny ohabolana toa: “Vavolombelon’ny asa tokoa ny bainga voavadika”; “aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”; “Ny akanga maro tsy vakin’amboa” ary “Ny mitabe tsy lanin’ny mamba”. Nivadika natao ambony ambany tokoa i Madagasikara iray manontolo any ka ny vola no manjaka no ny fihavanana. Misara-bazana ny Malagasy no ny afitsoky ny antoko Hvm ary dia noana toa ny mamba ny Malagasy ka tsy afaka misaina intsony fa ny hoaniny androany aloha no vain-dohan-draharahany. Izany ny hoe Repoblika faha-efatra sy hery vaovao nentin’ny Filoha hajaina, Hery Rajaonarimampianina. Indro ary ilay kabary miezinezina nataon’ny Jeneral Jean Ravelonarivo, ho tadin’ny Tantara izay hitsara tsy ho ela.


Aohana mikasika io trano io, ohatra fotsiny, Andriamatoa Praiminisitra ? An’iza izy io ka ny poteau-ny Jirama mihitsy no eo afovoan’ilay trano ? Sa akama ka dia ny Jirama indray izany no terena hanala io poteau io ka hanodina ny fils rehetra fa ny trano tohizina foana ? Aiza ny Bianco? Aiza ny ara-dalàna ? Etsy amin’ny 67ha Antananarivo io, Tompoko, fa tsy any andakira akory. Santionany fotsiny ihany anefa io ary tsy sary namboarina velively

Satria ireo rehetra ireo dia tena tsy misy fietraikany mihitsy amin’ny vahoka izay mahatsiaro kamboty andro aman’alina: tsy fandriampahalemana isan’andro; délestage mbola mitohy amina faritra maro; vidim-piainana tsy takatra intsony; kolikoly isan-karazany eny anivon’ireo biraom-panjakana maro; fanamparam-pahefana ataon’ireo milaza fa azy ny fitondrana izao, sns. Ka iza marina no hiantefan’ity kabary be ity ? Sa kabary fe kabary fotsiny ihany ? Ary raha tsorina, dia tsy nahafa-po ireo Solombavam-bahoaka vitsy an'isa nanatrika io kabary io. Kabary tsara lahatra loatra io. Dia toa tsy nahitan-teny ihany koa Ingahirainy mikasika ny nataon'ilay Filoha Rajaonarimampianina lasa Talen'ny fampielezan-kevitra alohan'ny fotoana tao Sabotsy Namehana androany ? Izay tonga hatramin'ny fizarana T-Shirt Hvm ? Eisy e !

Jeannot Ramambazafy – 21 Mey 2015

Ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Jean Max Rakotomamonjy, sy ny Praiminisitra, Jean Ravelonarivo toa manao lalaon'ny saka sy voalavo

Andriamatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena,

Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana ao amin’ny Birao maharitra,

Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoakan’i Madagasikara,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ety am-piandohana dia miala tsiny fa fohy ny fotoana ka tsy ary ho voatanisa eto daholo, saingy efa eny aminareo eny ny teny frantsay amin’ity fanazavàna ity.

Raisiko ho Voninahitra amin’ny maha-Praiministra ny tenako ny manao tatitra ny asa vitan’ny Governemanta, araka izay voalazan’ny andininy faha-101 ao amin’ny Lalàm-panorenana. Asa vita mifandraika amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay napetraky ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA tao anatin’ny Paikady Natao Dinasa (PND) ary ho tanterahina amin’ny alalan’ny Paritra Malagasy zary Ohabolana (PMO).

1. Tafajoro miandalana ny Fitondrana Tsara Tantana, ny fanamafisana ny Fanjakana Tan-dalĂ na, ny Demokrasia ary ny Firaisankinam-pirenena

Natao ho vaindohan-draharaha tamin’izany ny fampitsaharana ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena sy ny fangalarana taolam-paty, ary dia natomboka izany amin’ny fijerena akaiky ny andramena. Nosoloina ireo Tompon’andraikim-panjakana rehetra avy amin’ireo Faritra izay voakasiky ny fitrandrahana an-tsokosoko ny andramena, ary efa neken’ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ny fananganana ny fitsarana manokana na “chaîne spéciale” momba izany. Anisan’ny fikasàn’ny fitondram-panjakàna ihany koa ny hanangana “usine de traitement de bois de rose” ary hanaraka izany ny fitehirizana azy ka ho amidy ho tombon-tsoan’ny malagasy rehetra fa tsy ho an’olon-tokana.

Efa misy ny sambo haingam-pandeha sy hélicoptère efa miantsona ao Sainte Marie sy Toamasina. Ary efa natomboka ny fandaminana vaovao ahazoana mifehy ireo tahirin’andramena, ka nahazoana fanampiana mitentina 4,2 tapitrisa dôlara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena.

Natao ny fifampiraharahana tamin’ireo vahiny hampodiana ny Andramena naondrana an-tsokosoko ka tratra tany ivelany. Ny fitondrana Maorisianina dia vao avy nanaiky hamerina eto Madagasikara ireo andramena tratrany tamin'ny taona 2011.

Momba ny ady amin’ny kolikoly dia ny tenako mihitsy no nitarika dinik’asa niarahana tamin’ireo Tompon’andraikitry ny ladoany, ny hetra, ny Fitsarana, ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany, ny Jirama, ireo Lehiben’ny faritra, ary ny Mpitandro ny filaminana (Zandary, Miaramila, Polisim-pirenena). Niantso ny rehetra ny tenako mba tsy hisian’ny ady am-pitaka.

Efa nahitam-bokatra izany satria efa antonta-taratasy 102 momba ny fandikan-dalàna no nokirakiraina sy nanaovana fanadihadiana, Zandary 07 no nohazonina am-ponja vonjimaika ka ny 02 amin’ireo tany Mananjary, 05 voarohirohy tamin’ny raharaha fakana olona an-keriny tany Toamasina.

Vita sonia ny lalàna fototra hanatsaràna ny Filan-kevitra ambonin’ny Fitsarana (Conseil Supérieur de la Magistrature) ary ahazoana Fitsarana mahaleo-tena.

Manao ezaka maro ny Fitsarana, koa raha 150 isan-taona no tanjona, dia efa 169 sahady ny valim-pitsaràna nivoaka teo anivon’ny “Tribunaux Financiers” fotsiny.

Ho fametrahana ireo Andrim-panjakana ao amin’ny Repoblika faha-efatra dia ireto avy ny dingana efa vita :

- Voasonia ny lalàna manangana ny Filan-kevitra ambony momba ny Fiarovana ny Demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de droit- HCDDED) ;

- Voasonia ny Lalàna manangana sy mandamina ny Fitsarana tampony (Haute Cour de Justice). Miandry ireo solontena avy amin’ny Antenimieran-doholona sy ny Filan-kevitra ambony momba ny Fiarovana ny Demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), izany hoe mbola miandry ny fametrahana ireo andrim-panjakàna ary efa hiroso amin’izany isika;

- Voarafitra ny volavolan-dalĂ na mahakasika ny Filankevitra ambony momba ny Fiarovam-pirenena (Haut Conseil de la DĂ©fense Nationale-HCDN) ary handalo ny Filankevitry ny Governemanta ;

- Nankatoavina ireo lalàna momba ny Sata manokana mifehy an’ Antananarivo, sy Nosy-Be ary Sainte Marie ;

- Vita ny famaritana ireo Fileovana 24, ny fanendrena ireo Prefets de Régions sy ny Préfet de police ho an’Antananarivo.

Eo amin’ny lafiny fanamafisana ny Fanjakana Tan-dalàna, tsipihina manokana:

- Ny fametrahana ny “cartes grises” sy pasipaoro manara-penitra ;

- Ny fanoloana ny “chèques carburants” ho “cartes à puce”;

- Ny Firaiketana an-tsoratra ireo zaza vao teraka sy ny soram-piankohonana ;

- Ny fandinihana eo anivon’ny Filan-kevitry ny Governemanta ny Lalàna mifehy ny Serasera (code de communication) ;

- Ny Fametrahana ny Rafitra Nasionaly mpanoro làlana amin’ny ady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny asa ratsy (SNOLT), mbola ho apetraka ihany koa ny “Centre de Vision Maritime” hanatevenana ny fiarovana ;

- Ny fanamafisana ny ady amin’ny fampiasana olona tsy ara-drariny ;

- Ny famoahana ny lalàna miaro ireo vaovao manokana mahakasika olona iray  (protection des données à caractère personnel) ;

- Ny Fandrindrana ny ady amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona ;

- Nankatoavina ny lalĂ na manafoana ny fanamelohana ho faty.

Iankinan’ny Fiainam-bahoaka ny Fitandroana ny Fandriampahalemana ka nanaovana ezaka manokana ihany koa :

- Famerenana ny fitsipi-pifehezana eo amin’ny miaramila amin’ny alalan’ny fankatoavana ny fandaminana ny fitsarana ara-miaramila ;

- Fananganana Vondrona manokana vaovao ho an’ny andia-miaramila voafantina (commando d’élite) ;

- Fanafahana ireo olona notanana an-keriny sy fisamborana ny mpanao izany ;

- Fanohizana ny ady amin’ny halatr’omby : efa nisy zandary 30 ka hatramin’ny 60 nidina any amin’ny Faritra ho fanamafisana an’izany ady izany;

- Fanenjehana sy fanasaziana ireo mpanimbazimba fasana sy mpangalatra taolam-paty, marihina efa efa misy ireo voafonja mikasika izany ;

- Fahatratrana ireo fanondranana antsokosoko maro (sokatra, hippocampes, harena ankibon’ny tany, sy ny sisa...).

Mba hahazoana vokatra tsara kokoa dia nohamafisina sy narindra ny Zandarimaria sy ny Polisim-pirenena, ka nahatonga anay handray ireto fepetra manaraka ireto :

- Fametrahana fari-piadidian’ny Zandary (Sambava, Ivohibe, Ambato-Boeni) ary Postes avancés (Matanga, Amparaky) ;

- Fandraisana mpianatra zandary vaovao miisa 1.200 sy Polisy miisa 870.

Farany nefa manan-danja dia ny nametrahana rafitra ahazoana manaraka ny asan’ireo Ministera isanisany. Natao teny Iavoloha ny 13 martsa 2015 teo ny atrik’asa nanofanana ny Governemanta momba ny “Gestion Axée sur les Résultats pour le Développement” (GARD) sy ny “Initiatives pour les Résultats Rapides” (IRR) mba ahazoana vokatra ao anatin’ny zato andro, nanomezana fanamby miisa 3 sy fandraisana andraikitra miisa 51 ho an’ireo ministera.

2 . Stabilité macroéconomique, asa ho amin’ny fampandrosoana

Araka ny efa nambarako tetsy aloha dia efa vita tanteraka ny fanamboarana ny Paritra Malagasy zary Ohabolana (PMO) sy ny Fandaharan’asa Laharam-pahamehana eo amin’ny Fampiasam-bolam-panjakana (Programme d’Investissements Publics Prioritaires - PIPP). Antontan-kevitra hiaingan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana izy ity. Koa amin’izao fotoana izao dia efa voarindra tsara ny asa tsy maintsy hatao, ny vola ilaina amin’ izany ary ireo hanatontosa ny asa. Mitentina 18,004 miliara dôlara ny vola ilaina – 14,403 miliara dôlara raha toa ka 2500 ariary ny 1 dôlara - ka vinavinaina ho 2,148 miliara dôlara ny anjaran’ny Fanjakana (Ressources Propres Internes) ary 3,289 miliara dôlara kosa no efa mety ho azo avy any ivelany (Ressources Externes Existants). Araka izany dia 12,567 miliara dôlara ny vola sisa mbola hotadiavina – 10,053 miliara dôlara raha toa ka 2500 ariary ny 1 dôlara.

Mahakasika ny Fifandraisana amin’ireo Mpamatsy Vola sy ireo Firenena vahiny namana dia eo an-dalam-pidinihina amin’ny FMI isika izao, raha efa tontosa ny Dinika Politika niaraka tamin’ny Vondrona Eoropeana, ny Fihaonan’ny “Groupe de Dialogue Stratégique” (GDS) andiany faha-6. Vita ihany koa ny fivoriana nataon’ny “Groupe International de Soutien pour Madagascar” (GIS-M) nanaovana tombana ny ezaka vita.

Fantatsika ihany koa fa io taona ho avy io dia i Madagasikara no handray ny Fihaonamben’ ny Firenena miteny na mampiasa ny teny Frantsay ary koa ny fivorian’ ny COMESA.

Miezaka hatrany ny Fanjakana hanatsara ny Fitantanam-bolam-panjakana (Réformes fiscales et douanières, réformes sur les finances publiques, réformes bancaires). Raha ny lafiny hetra dia 368 miliara ariary no niditra ny telo volana voalohany raha toa ka 402 miliara ariary no novinavinaina (taha-pahatanterahana 91,4% izany). Marihina anefa fa ny volana martsa manokana kosa dia nahatratra 112 miliara ariary raha toa ka 108 miliara no tanjona (taha-pahatanterahana 104%).

Eo amin’ny haban-tseranana dia 270 miliara ariary no tratra tamin’ny tanjona 380 miliara ariary. Ny fihenan’ny fanafarana entana avy any ivelany no tena nahatonga izany. Mandaitra kosa anefa ny hetsika fanaraha-maso satria antontan-taratasy tsy manara dalàna miisa 544 no hita ny tamin’ity taona 2015 ity raha toa ka 352 isa izany tamin’ny 2014.

Ho an’ny fanampiana avy any ivelany, dia tonga tsikelikely ny fanampiana:

- 35 tapitrisa USD avy amin’ny BAD na Banque Africaine de Développement ;

- 20 tapitrisa EUR mahery avy amin’ny Agence Française de Développement ;

- 518 tapitrisa EUR no andrasana avy amin’ny Union européenne amin’ny alalan’ny 11ème FED (2015-2019) ;

- efa andalana izao ny firesahana mba ahazoana ny Facilité Elargie de Credit (FEC) avy amin’ny FMI.

Eo amin’ny lafiny fananan-tany dia tany 2.000 no nahazo titra raha 5.000 no tanjona (40%) ary tany 13.872 no nahazo certificat raha 50.000 no tanjona (28%). Marihina fa efa an-dalam-pamitàna ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fananan-tany ny Ministeram-panjakana misahana izany.

Eo ampandinihina ireo valin’ny tolo-bidy hanitarana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy-be. Efa voaray ny 75 millions d’euros hanamboarana ny lalana mampitohy an’i Soavimasoandro sy Ivato, ary mbola misy 30 millions d’euros hafa voaray, hanatsaràna ny fotodrafitrasa.

Ho an’ny Fotodrafitrasa sy ny Asa Vaventy kosa dia :

- Mitohy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN2, RN9, RN44…;

- 76 metatra ny tetezana Bailey napetraka ;

- 604 metatra tetezamby nohavaozina ;

- Fametrahana ny Fonds d’Entretien Routier 2ème Génération.

Raha eo amin’ny lafiny famokarana angovo kosa dia tohizana ny famatsiana herin’aratra eny ambanivohitra (60Kwa tany Soavina Ambositra, 100 Kwa tany Sahambany Ihosy) ary efa maro ireo fanadihadiana atao momba ny angovo azo avy amin’ny toha-drano sy ny masoandro ary ny rivotra (énergie renouvelable).

Mahakasika ny JIRAMA manokana dia efa nampiharina ny paik’ady hanarenana azy ka mipetraka ankehitriny ny fijerena ifotony ny fanjifana solika sy ny fanaraha-maso ireo mpanjifa. Vonona hanome 65 millions de dollars ny Banky Iraisam-pirenena hanarenana ny Jirama, ary 25 millions de dollars hafa hanavaozana ireo fotodrafitrasa sy milina ao Andekaleka. Marihina moa fa vokatry ny ezaka natao, dia efa tafakatra 45 miliara ariary ny vola miditra amin’ny Jirama, raha 35 miliara ariary izany teo aloha.

3. Fampandrosoana mirindra sy fivoarana ifotony

Mikasika ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany : saro-pady tokoa izy io ary efa ho vita ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany (Code Minier) ary nankatoavina ny Sata manokan’ny Instistut de Gemmologie de Madagascar (IGM) sy ny fametrahana ny Foiben’ny Volamena (Agence de l’Or). Andalam-pahazoana ny famatsiam-bola «Multi-Donor Trust Fund» izay mitentina 480,000 USD isika ho entina anaraha-maso ny vola miditra amin’ny kitapo-bolam-panjakana. Natao ny fanovàna mba hahazoan’ny Firenena tombon-tsoa fa tsy ho an’ny vahiny.

Mikasika ny fizahantany dia efa najoro ny Mpanara-maso manokana ny Fizahan-tany ka orinasa miisa 650 eo amin’ izany sehatra izany no efa voatsirika. Napetraka ihany koa ny paika hanentanana ny ady amin’ny fivarotan-tenan’ny ankizy.

Mpizahatany 75.000 no efa nandalo teto Madagasikara nanomboka tamin’ny voalohany taona 2015 raha 300.000 ny tanjona hotratrarina.

Efa nahazo fiaramanidina ATR 72 iray ny Air Madagascar ary ho avy tsy ho ela ny ATR 72 faharoa sy ny Boeing 737-800.

Hisy koa ny fifanarahana amin’ny Compagnie rehetra eo anivon’ny COI (Alliance vanille) hanamora ny fivezivezena.

Vita soa aman-tsara ny aérodrome Antsirabe izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Ankehitriny dia afaka mandray fiaramanidina lehibe kokoa nohon’ny teo aloha izy io.

Mikasika ny Fambolena, Indostria ary ny Varotra :

- Ho fanatsarana ny famokarana siramamy dia nanaovana fanarenana ny lemak’i Mahavavy mirefy 12.000 ha ;

- Mitohy hatrany ny ady amin’ny andiam-balala ka tamin’ity taona ity dia velaran-tany 9.800 ha amin’ny 100.000 ha no efa vita tety an-tanety ary 297.000 ha amin’ny 500.000 ha no natao tamin’ny fiaramanidina izany hoe manodidina ny 59%. Mitontaly 2.100.000 dôlara ny fanampiana azo tamin’ity taona ity ; manana hatramin’ny 2.500.000 dolara isika ho entina miady amin’ny valala, ary isaorana manokana ny Ministeran’ny fambolena amin’ny fiaraha-miasa.

- 500 taonina ny masomboly vary sy katsaka nozaraina tamin’ny tantsaha ;

- Ny FRDA (Fonds Régionaux de Developpement Agricole) na tahiry regionaly momba ny fampandrosoana ny fambolena dia efa amperinasa ;

- Nofanina hanaraka ny teknika moderina momba ny fambolena ny fianakaviam-ben’ny tantsaha miisa 59.273 ;

- Omena vahana ny sehatra tsy miankina ka apetraka ankehitriny ny “Plateforme” ifandraisan’izy ireo amin’ny Fanjakana, ary efa tanteraka ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra famokarana siramamy ka nomena ny orinasa VIDZAR ny fitantanana ny SIRAMA Nosy-be sy Brickaville. Hatsaraina ihany koa ny Lalàna mifehy ny fanondranana entana any ivelany raha toa ka efa niverina indray ny nahazoantsika miditra eo amin’ny tsenam-barotry Etazonia amin’ny alalan’ny AGOA (African Growth and Opportunity Act) ;

- Eo amin’ny lafiny ara-teknolojia vaovao dia maro ireo mpianatra sy tompon’andraiki-panjakana no novatsiana ara-pitaovana, ary efa eo an-dalam-pametrahana ihany koa isika ny fahitalavitra numérique na TNT, ka any Nosy Be no hisantarana izany.

Mikasika ny jono sy ny harena an-dranomasina :

- Zana-trondro miisa 100.000 no natolotra ny mpiompy, mpanentana momba ny fiompiana trondro miisa 17 no nahazo fampiofanana, tantsaha miisa 200 no nahazo fanampiana amin’ny fiompiana trondro amin’ny tanimbary sy ny dobo ;

- Natao ihany koa ireo fitiliana manara-penitra ireo fiompiana makamba (épidémiosurveillance des crevettes) ;

- Nankatoavin’ny Governemanta ny Didy hitsivolana fametrahana Vaomiera nasionaly misahana ny ala honko (mangrove) sy ny tsy fahazoana mitrandraka azy.

Mikasika ny fiompiana sy fiarovana ny biby:

- Natao ny fanofanana mpiompy omby tao amin’ny Faritra Bongolava ary ireo mpiompy ondry sy osy tao amin’ny Faritra Sofia ;

- Natsangana ny fialofana sy fisotroan-drano ho an’ny biby fiompy tao amin’ny faritra DIANA, niampy fanorenana lava-drano miisa 7 tao amin’ny Faritra SAVA sy DIANA. Nojerena manokana ny aretina mahery vaika nahatonga ny fahafatesan’ny kisoa tao amin’ny Faritra SOFIA ;

- Natolotra ny fanafody enti-miady amin’ny aretin’ny tantely tao amin’ny distrikan’i Mananjary , toerana vaovao nitrangan’ny aretina “varroase”, ary nanao fanaraha-maso ny aretina mahazo ny tantely amin’ny toerana miisa 5 ny Fitondram-panjakana dia Analanjirofo, Amoron’i Mania, Manjakandriana ary Manakara.

4. Ho amin’ny fivoarana sy fandrosoan’ny olom-pirenena

Anisan’ny vaidohan-draharahan’ny Governemanta ny Fahasalamam-bahoaka noho ny maha-fepetra ilaina azy amin’ny fivoarana.

- Ankehitriny dia efa misokatra ary miasa indray ireo CSB miisa 113 izay nikatona nandritra ny fotoan-tsarotra nandalovan’ny Firenena ary Tobim-pahasalamàna miisa 26 no natao manara-penitra ;

- Nanolorana fitaovam-pitsaboana ny HJRA (Antananarivo), ireo Hopitaly tany Ambalavao, Toliara, Anosy Avaratra, Maintirano ary koa CSB miisa 29 hafa ;

- Tobim-pahasalamĂ na ifotony miisa 6 no voaarina raha 11 no tao anaty vina ;

- Nanaovana asa fanarenana ihany koa ny toeram-pandidiana ao Brickaville ;

- Tobim-pahasalamàna ifotony 347 no nizaràna kojakoja sy fitaovana amin’ny fiterahana ;

- Fanomezana fitaovana teknika sy fandidiana tamina hopitaly miisa 14;

- Fanomezana fitaovam-pitsaboana nify ho an’ny Hopitaly ao Farafangana sy ao Ambalavato Antsirabe ;

- Fanomezana kojakoja itsaboana ny aretin-tratra, ho an’ny CHU Ambohimiandra, Befelatanana ary ny Hopitalin’ny reny sy ny zaza etsy Tsaralalàna ;

- Fanatsaràna ny fomba fitantanana ny FANOME (Fonds d’Approvisionnement Non-stop des Médicaments Essentiels) eny amin’ireo tobim-pahasalamàna ifotony ;

- Napetraka ihany koa ny lalĂ na ho enti-misoroka ny fanafarana tsy ara-dalĂ na ny fanafody.

Mikasika ny fandraisana an-tanana ny mponina dia natao ny :

- Fanatsaràna ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy bevohoka hiteraka tamina mponina mihoatra ny 1.914.476 nandritra ny asa fanarenana tao amin’ny CHU 3 (Fianarantsoa, Toliara, Antsiranana), Centre Hospitalier de Reférence de District (CHRD) 5 (Maroantsetra, Bezaha, Nosy be, Mahitsy et Soavinandriana), ary Centre Hospitalier Régional de référence (CHRR) 3 (Ambovombe, Tolagnaro, Antsirabe) ;

- Fanamafisana ny fiomanana sy ny ady amin’ireo valan’aretina mahery toy ny Ebola, ny arboviroses (tanteraka 100% ny fanofanana ireo mpiandraikitra kaominaly 1.043 tany Sainte Marie sy teto Antananarivo Renivohitra mikasika ny aretina entin’ny Virus Ebola) ;

- Fanamafisana ny ady amin’ireo aretina azo foanana amin’ny vakisiny ;

- Fanatsaràna ny ady amin’ny areti-mifindra, ary namafisina manokana ny mikasika ny tazomoka, ny tiberkilaozy, ary ny VIH SIDA.

- Fanomezana lay ody moka maharitra, miisa 2.200, ary fanafody, nandritra ny ady natao tamin’ny fiparitahan’ny aretin-tazo tao amin’ny distrikan’i Fianarantsoa II sy Farafangana ;

- Fandraisana an-tanana ny fitsaboana traboina 86.960 tamina faritra miisa 3 (Alaotra mangoro, Analamanga, Atsimo atsinanana) ;

- Fanombohana ny fandrafetana ny « fahasalamana mipariaka amin’ny vahoaka rehetra » na ny “Couverture Sanitaire Universelle” (CSU).

Fampianarana, fanabeazana, fanofanana ary kolontsaina

Ny ahafahan’ny zaza malagasy rehetra mahazo fanabeazana no fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika sy ny Governemanta.

· Fikarohana mifanaraka amin’ny Fampandrosoana, ireto avy ny fitsipika notanterahina :

- Fampiharana ny paikady nationaly amin’ny fikararohana ara-tsiantifika ;

- Fanamafisan’ny fahalalan’ny mpampianatra sy ny mpampiofana any amin’ny Faritr’i Sava , Diana ary Amoron’Imania amin’ny fampiasana ny fitaovana vaovao na Tableaux Numériques Interactifs (TNI) ;

- Fanofanana, fanomezam-baovao sy fanentanana ny tomponandraikitra eny anivon’ny Service Technique Décentralisé (STD) na ireo Teknisiana manerana ny Faritra.

· Maimaim-poana ny fianarana eo anivon’ny sekoly fanabeazana fototra : nofoanana ny saram-pisoratana anarana, fanomezana fanampiana ho an’ireo mpampianatra tsy mbola mpiasam-panjakana raikitra, fanenana ny adidin’ny ray aman-dreny any an-tsekoly.

· Fanomezana fanampiana ho an’ ireo mpampianatra tsy mbola mpiasam-panjakana miisa 71.062.

· Fampiroboroboana ny fampianarana any amin’ireo toerana sasany mba tsy ho tany lavitra andriana izy ireo : 226 efitrano fampianarana andalam-panorenana ao amin’ny sekolim-panjakana (EPP) ary 27 ny efitrano ho an’ny ambaratonga fototra.

· Fanorenana trano fisakafoanana any amin’ny toerana iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo.

· Fandoavana ny vatsim-pianarana izay tara ho an’ny mpianatra malagasy any ivelany.

· Fanatsarana ny fahafahanan’ny Sekoly Fanabeazana Fototra mandray mpianatra : mpiandraikitra 40 no nahazo fiofanana, efitrano fianarana 23 no navaozina ary efitrano vaovao 66 kosa no naorina.

· Fampitaovana, fanamboarana sy fanarenana ny fotodrafitrasa tamin’ny Oniversiten’i Toamasina ,Toliary sy Fianarantsoa.

· Notsinjaraina moto ireo mpanolo-tsaina amin’ny CISCO 114.

· Fampitaovana boky miisa 60.937 ho an’ny sekoly sy 1.167 torolalana ho an’ny Garabola (maternelle).

· Asa fanohanana ara-tsakafo amin’ny sekoly madinika amin’ireo faritra marefo.

· Fanatsarana ny fampianarana : Chef ZAP miisa 104 ary mpanolotsaina miisa 30 no voahofana.

· Sekoly Fanabeazana Fototra miisa 15.922 no nahazo kitapom-bola fanohanana.

· Fampiofanana mpanofana miisa 40.

· Teknisiana mpanampy amin’ny fikirakirana solo-tsaina no noraisina ho an’ireo CISCO 114.

· Fampidirana mpampianatra vaovao miisa 11.490.

Momba ny rano fisotro madio sy fanadiovana dia fatsakana 1.200, lava-piringa 918, loharano fatsakĂ na 861, toeram-pidiovana 609 no voaorina.

Tanàna miisa 10.000 no nanamafisina ny fepetra fitaizana ny vahoaka tsy handoto ankalamanjana, 50% n’ny vina mahakasika ny fampiasana lava-piringa manara-penitra no tanteraka.

Nojerena akaiky ny fitantanana ny SAMVA ankehitriny ary misy ny fanaraha-maso akaiky ataon’ny Fanjakana eo amin’ny fizotry ny asa ao.

Raha ny lafiny Zavakanto sy Kolontsaina dia azo lazaina etoana ny nanamboarana ny lalàna mifehy ny asa-tanana, ny fanofanana sy fitaritana amin’ny fanarahana fenitra sy kalitao tany amin’ny Faritra Boeny, Betsiboka, Atsimo-Atsinanana, Vatovavy Fitovinany.

Natao ny fifanaharaha ahazoana Tahirim-bakoka sy Laboratoire manara-penitra ao Sainte Marie taorian’ny nahitana ireo sambo rendrika tamin’ny Taonjato faha-fito ambin’ny folo, ka nitahiry zava-tsarobidy maro.

Momba ny Asa sy lalana sosialy dia natao ny :

- Fanavaozana ny asam-panjakana : fifanarahana teo amin’ny FOP sy ny BIANCO ary ireo Ministera samihafa ;

- Fanamafisana ny fifandraisana izay misy eo amin’ny mpampiasa, ny Fanjakana ary ny Sendika eo amin’ny orinasa (mpampiasa sy mpiasa) manerana ny faritra 22 ;

- Fametrahana birao mpanara-maso ny fifanarahana amin’ ny OIT ary voasonia ny fanampiana mitentina 14 lavitrisa dôlara momba ny Fandaharan’asa momba ny fanomezana asa mendrika (Programme Pays pour un Travail Décent) ;

- Fametrahana ireo mpikambana amin’ny komitim-pirenena misahana ny asa (Conseil National du Travail) sy ny komitim-paritra misahana ny asa (Conseil Régional du Travail) tamina Faritra 14 ;

- Eo an-dalam-panavaozana ny lalĂ na mifehy ny fifindra-monina ny Ministera.

Mahakasika ny tanora sy ny fantatanjahan-tena dia :

- Natomboka ny tetik’asa SPEED (fanatanjahan-tena ho an’ny rehetra, manodidina ny fandriam-pahalemana, ny fampianarana, ny tontolo iainana ary ny fandrosoana) ;

- Famerenana amin’ny laoniny ireo ivotoerana natao ho an’ny tanora sy ny toeram-panofanana amin’ny fanatanjahan-tena amin’ireo faritra 22 ;

- Azontsika ny Tompon-daka eran-tany teo amin’ny Kickboxing, ny tompon-daka eo amin’ny CAN Beach Soccer ary ny MASTER 2014 Frantsa lalao kanety be ;

- Atao ny fanomanana ireo atleta 235 izay hanatrika ny lalaon’ny nosy sy ny lalao afrikana 2015.

Momba ny Fiarovana ara-tsosialy :

- Fanampiana ireo traboina ka tokan-trano 3.046 no voakasik’izany (Analamanga, Boeny, Vatovavy Fitovinany, Alaotra, Diana, Anosy, etc.);

- Fandraisan’ny fanjakàna anjara tamin’ny famahàna ny trangam-pifanolanana tao Andranondambo (Régions Anosy, Androy sy Atsimo-Atsinanana) ;

- Fampahafantarana ny mikasika ny zon’ny vehivavy tamina olona 5.000 ;

- Vita ny fandrafetana ny volavolan-dalàna mikasika ny filatsahana an-tsitrapo (Volontariat) ary atolotra tsy ho ela ety amin’ny Antenimieram-pirenena; marihina fa tsy mba nisy teto amintsika izany taloha.

- Mitohy herintaona indray ny fijanonan’ny Sambo Mpitsabo Mercy Ships.

5. Nomen-danja ny tontolo voajanahary ary nohamafisina ny fiatrehana ny loza voajanahary

Nanamarika ny taona 2014 sy ny voalohandohan’ny taona 2015 ny trangan-doza voajanahary. Hain-tany, fipariakan’ny andiam-balala, hetraketraky ny rivo-doza, niainantsika avokoa izany saingy tsy nandraraka ilo mby an-doha ny Malagasy fa niaritra na dia tsy ampy aza ny teo an-tanana. Nisy anefa ireo andraikitra izay nezahina noraisina hanehoantsika ny fahavononana hiatrika ny loza voajanahary.

Ny fiatrehana ny hamehana :

- Tompon’andraikitra miisa 3.500 no nahazo fiofanana manokana momba ny rivo-doza manambana sy ny tondra-drano ;

- Fanangonana fitia tsy mba hetra ary fizaràna fanampiana ho an’ireo traboina ;

- Nandray fanampiana hatramin’ny 6,13 miliara ariary ny BNGRC ;

- Fokontany 2.500 no notolorana finday hifaneraserĂ na sy hampitam-baovao mikasika ny loza voajanahary sy ny trangam-pahavoazana ;

- Fandraisana an-tanana ireo traboina nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Chedza (Andohatapenaka, Avaratr’Ankatso,…), olona 72.503 tamin’ireo traboina no voarakitra amin’ny antontan’isa, izany hoe 71.55% ;

- Ankoatra izay dia nisy ny fandraisana fanampiana, toy ny Fitaovana fanesorana, fanapahana hazo miisa 5 ary fitaovana madinika hafa toy ny sambokely haingam-pandeha 4 sy motera 4 fampiasa amin’ny lakana, milina mpanome herinaratra, fitaovam-pifandraisana : radio 10 ary BLU 7.

Ireo asa fanarenana taorian’ny loza :

- Fanorenana toby fitsaboana fototra (CSB) sy sekoly fanabeazana fototra (EPP) tany Toliary, niaraka tamin’ny FID ary koa ny tany amin’ny toerana hafa ;

- Fanapariahana ny fampiasana ny HIMO ka fokontany 192 no nahazo fanohanana ;

- Nanokana 1 miliara ariary ny FID hanaraha-maso ny fampiasana ny tetik’asa HIMO ka mponina 12.000 no nahazo tombontsoa tamin’izany, tao anatin’ny fandalovan’ny rivo-doza sy ny fisian’ny kere;

- Fanaraha-maso ny asa tanamaro HIMO teny Avaratr’ankatso : fanorenana rindrimbe fiaro sy fanalàna ireo potipotika vato : olona 50 isan’andro no nahazo asa an-tselika nandritra ny 20 andro.

Nomen-danja ny tontolo voajanahary :

- Fandrafetana sy fankatoavana ireo lalĂ na mikasika ny tontolo iainana mba hampirindra tsara ny fitandremana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Nohavaozina araka izany ny fifanarahana sy ny lalĂ na manamafy ny fifanarahana tao MINAMATA (Japon) mikasika ny merkiora ;

- Fivoriana fampahafantarana sy fanentanana amin’ny « biosécurité » tany amin’ny faritr’Itasy, Bongolava ary Alaotra Mangoro ;

- Fametrahana Faritra voaaro (Aires protégées) 94 vaovao ; vita 100% araka ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny Fihaonambe tany Sydney ;

- Fanentanana ny amin’ny tsy hampiasàna intsony ny harona plastika ;

- Hetsika iatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahatantesan’ny fambolem-bary an’izany fiovana izany, tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro (narenina sy nampiana ny ala manamorona tanimbary tao amin’ny kaominina Ambohijanahary, Manakambahiny ary Bemaitso, ary nisy koa ny fambolena sy fikojàna zanak’hazo) ;

- Hetsika fanoherana ny voka-dratsin’ny fandotoana ny tontolo an-tanan-dehibe (fitarihana ara-tekinika amin’ny fomba fitandremana ny tontolo iainana) ;

- Fanaovana tombana amin’ny antontan-taratasin’ny fanadihadina mikasika ny vokatry ny asa atao eo amin’ny tontolo iainana, ka taratasy fahazoan-dalana (permis) miisa 36 no nomena taorin’ny tombana.

- Voly hazo miisa fito hetsy (700.000) tamina velarana 330 ha no vita raha toa ka 400 ha no novinavinaina.

Andriamatoa Filoha,

Ianareo Solombavambahoaka,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

“Tsy sanatria midera-tena toa ny papelika izahay” raha nanambara taminareo teo ny zava-bitan’ny Governemanta, fa toy ny “mampidera vady mahay mandihy tokoa ka ao ny sandriny hilaza azy”.

Maro ny ezaka efa natomboka, kanefa aleo tsorina fa tsy hary hisy fiantraikany mivantana any amin’ny Vahoaka daholo izany. Toy ny mamboly vary tokoa mantsy ny Fiainana ka tsy maintsy mamafy aloha, izay vao manetsa raha toa ka te-hijinja.

Mbola lavitra ny lalan-kaleha, kanefa tsy maintsy mifanome tanana ny vahoaka malagasy tsy vaky volo eo ambany fitarihan’ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA.

Tsy maintsy misiki-ponitra isika ka manohy ny ezaka efa vita, ary hiasa, hiasa, hiasa hatrany no tokony ho ataontsika teny filamatra.

“Vavolombelon’ny asa tokoa ny bainga voavadika” ary tsy tokony hitarain-tana-miepaka isika. Betsaka ny mbola tsy vita fa ny firaisan-kina no maha Malagasy, ka “aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”. “Ny akanga maro tsy vakin’amboa” ary “Ny mitabe tsy lanin’ny mamba”.

Mankasitraka Tompokolahy, Misaotra Tompokovavy.

Mis Ă  jour ( Jeudi, 21 Mai 2015 17:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...