]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Ireo Lalam-panorenana sy ny Andrim-panjakana

Ireo Lalam-panorenana sy ny Andrim-panjakana

Hisy fitsapan-kevim-bahoaka (« referendum ») ho tontosaina indray atsy ho aty, mba hanavaozina ny LalĂ m-panorenan’ny Repoblika Malagasy. Mbola tsy fantatra aloha hoe rahoviana. Mandrampiandry izany fitsapan-kevim-bahoaka faha-enina eo amin’ny Tantaran’i Madagasikara izany, dia indreto aloha ireo LalĂ m-panorenana nisy hatramin’ny fiverenan’ny Fahaleovantena. Niniana nosoratako amin’ny teny malagasy ity lahatsoratra ity ka mba adikao teny vazaha (frantsay, anglisy, sns, sns
) ho an’ny namanareo liana amin’ny hoavin’ity firenena iombonan-tsika ity. Misaotra mialoha

Lalàm-panorenena tamin’ny 29 aprily 1959

Na dia nisy aza solombavam-bahoaka Malagasy niatrika ny famolavolana azy dia niala avy tamin’ny LalĂ m-panorenena frantsay tsotra izao ity LalĂ m-panorenana ity. Satria tokony tadidin-tsika fa ny 26 jona 1960 vao naverina tamintsika ny Fahaleovantena very tamin’ny taona 1896. Fito taona (« Septennat ») no fe-potoana hiasan’ny Filoha tamin’izany, ary ireto avy ny Andrim-panjakana : Ny Filohan’ny Repoblika, ny Lehiben’ny Governemanta, ny Antenimieram-pirenena, ny Antenimieran-doholona, ny Filan-kevitra fara-tampon’ny Andrim-panjakana (« Conseil SupĂ©rieur des Institutions » na CSI). Io no Repoblika voalohany. Andriamatoa Philibert Tsiranana no Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara voalohany. Ny antoko « Parti social dĂ©mocrate » na PSD (Pisodia) no natanjaka sy nanjaka ary ny AKFM (« Parti du CongrĂšs pour l’IndĂ©pendance de Madagascar »), antoko natsangan’ny Pasitora Richard Andriamanjato kosa no loha laharana teo amin’ny mpanohitra.

 



Lalàm-panorenena tamin’ny 31 desambra 1975

Ny 11 febroary 1975, nisy namono ny Kolonely Richard Ratsimandrava izay vao nomen’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa fahefana feno hitondra ny tany sy fanjakana (Tsihavina eto fa ny Jeneraly Ramanantsoa moa dia nahazo fahefana feno ihany koa avy tany amin’ny Filoha Tsiranana izay voatery niala tao aorian’ny fitsapan-kevim-bahoaka tamin’ny 8 oktobra 1972.). Natsanga ary ny « Directoire militaire » ary ny 21 desambra 1975 dia nisy indray ny fitsapan-kevim-bahoaka mikasika ny fanovana ny LalĂ m-panorenana. Lany ny « eny ». Teo no manomboka ny Repoblika faha-II. Ny Capitaine de FrĂ©gate Didier Ignace Ratsiraka (izay minisitry ny Raharaham-bahiny tao amin’ny governemanta Ramanantsoa) no lasa Filoham-pirenena. Ireto avy ny Andrim-panjakana tamin’izany vanim-potoana izany : Filohan’ny Repoblika, ny Filan-kevitra fara-tampon’ny Tolom-piavotana (« Conseil SuprĂȘme de la RĂ©volution » na CSR), ny Antenimieram-pirenenam-bahoaka (« AssemblĂ©e Nationale Populaire » na ANP), ny Governementa, Ny Komity Miaramila ho an’ny Fampandrosoana (« ComitĂ© Militaire pour le DĂ©veloppement » na CMD), ny Fitsarana avo momba ny LalĂ m-panorenana (« Haute Cour constitutionnelle » na HCC). Mbola fito taona ihany ny fotoam-piasanan’ny Filoha. Lasa Repoblika Demokratikan’i Madagasiraka ny Firenena Malagasy. Ny Antoko Revolisioneran’i Madagasikara na AREMA (« Avant-garde de la RĂ©volution Malgache ») sy ny Boky Mena (« Livre rouge » no nisolo an’ny Pisodia. Avy tamin’io Boky mena io no nandrafetana ny Satan’ny Revolisiona sosialista (« Charte de la RĂ©volution socialiste ») izay nisary marxisma tokoa. Tsy nisy antoko mpanohitra fa natambatra tao amina vondrona roa (FNDR na « Front National pour la DĂ©fense de la RĂ©volution » sy CSR). MĂ zana ny sivana sy ny fanampenam-bava tamin’izany fotoana izany satria najoro koa ny DGID (« Direction GĂ©nĂ©rale des Investigations et de la Documentation ») lasa DGIDIE (« Direction GĂ©nĂ©rale des Investigations et de la Documentation IntĂ©rieures et ExtĂ©rieures») taty aoriana.

 

 

 

“Convention” na Fifanarahana tamin’ny 31 oktobra 1991 (tao amin’ny Hîtel Panorama)

Alohan’ny fidiran’ny Malagasy ao amin’ny Repoblika faha-III noho ny zava-nitranga nandritra ny taona 1990 sy 1991, izay nitondra tamin’ny fandrodanana ny Repoblika faha-II (Mandan’i Jeriko), dia nisy ny fepetra tetezamita ka ireto avy ny Andrim-panjakana tamin’io fotoana io : Ny Filohan’ny Repoblika dia ny Amiraly Didier Ignace Ratsiraka izay efa tsy nanana fahefana firy intsony; ny Fahefana avon’ny Firenena (« Haute autoritĂ© de l’Etat » na HAE) izay ny Pr Zafy Albert (Minisitry ny Fahasalamana tao amin’ny governemantan’ny Jeneraly Ramanantsoa) no Filohany ; ny Governemanta tetezamita izay Guy Willy Razanamasy no nitarika ary ny HCC. Noravana ny CSR sy ny ANP. Raha mikasika ny HCC manokana dia navoaka ny Ordonnance n°92-018 tamin’ny 8 jolay 1992, mikasika ny fomba fanendrena ny mambra ao aminy sy ny fe-potoana hiasan’izy ireo. Fotoanan’ny HERY VELONA (« Forces Vives ») tamin’io.

Lalàm-panorenana tamin’ny 18 septambra 1992

Narafitra io ary dia niditra tao amin’ny Repoblika faha-III ny firenena. Ny 25 novambra 1992 no natao ny fifidianana Filoham-pirenena ka resy ny Amiraly Ratsiraka ary lany ny Pr Albert Zafy izay nanao finihanana ny 27 marsa 1993. Nipoitra ny antoko UNDD (« Union Nationale pour la DĂ©fense de la DĂ©mocratie ») noforonin’ny Profesora Zafy. Rava ny HAE sy ny CMD. Tafajanona ny ambiny, fa mbola tsy tafapetraka ny tena Fahefan’ny Fitsarana (« Pouvoir judiciaire ») indrindra ilay « Haute Cour de Justice » (HCJ) izay afaka mitsara ny olona ambony dia ambony amin’ny firenena. Na izany aza dia tratry ny « empĂȘchement » ny Filoha Zafy, ny 5 septambra 1996. Nisy ary ny fifidianana Filoham-pirenena mialohan’ny fotoana (Ă©lections prĂ©sidentielles anticipĂ©es »), nokarakarain’i Norbert Lala Ratsirahonana, izay nanjary Filoham-pirenena sy Filohan’ny Governemanta vonjimaika (« Chef d’Etat et Chef du gouvernement provisoire »). Natao tamin’ny 5 novambra io fifidianana io. Nisy fiodinana faharoa izy io ka lany indray ny Amiraly Ratsiraka na dia nanao izay afany ireo mpomban’ny Profesora Zafy izay resiny, tamin’ny 29 desambra 1996.

Lalàm-panorenana navaozina tamin’ny Lalàna n°98-001 tamin’ny 8 aprily 1998

Lasa Andrim-panjakana feno ny HCC ary dia nanome vahana be dia be an’ny Filoha Ratsiraka ity fanavaozina ity. Ireto indray ny andrim-panjakana tamin’izany fotoana izany : Ny Filoham-pirenena sy ny Governementa, ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona (« SĂ©nat »), ny HCC. Efa nihena ho dimy taona ny fotoam-piasan’ny Filohan’ny Repoblika ka mahazo mirotsaka in-telo misesy. Rehefa lany filoha Andriamatoa Marc Ravalomanana dia io LalĂ m-panorenena tamin’ny 18 septambra 1992 navaozina tamin’ny 9 aprily 1998 io no mbola manan-kery hatramin’izao. Nipoitra ary nahazo tanjaka toa ny PSD sy ny AREMA teo aloha ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara) izay natsangan’i Marc Ravalomanana. Mbola tsy manazava ny mikasika ny Faritany mizaka tena (« Provinces autonomes »). Mbola misy PDS (« Chefs de province provisoires ») foana anefa. Mbola tsy tafapetraka ny HCJ fa napetraka kosa ny Faritra (« RĂ©gions ») miisas 22, ny BIANCO (« Bureau IndĂ©pendant Anti-Corruption ») sy ny CSLCC (« Conseil SupĂ©rieur de Lutte contre la Corruption ») izay lasa CSI na « Conseil SupĂ©rieur pour l’IntĂ©gritĂ© ». Novana ho CIS (« Central Intelligence Service» izay teny anglisy mira amin’ny C.I.A. amerikana), ny DGIDIE. Ny vola kosa niverina ho Ariary. Torak’izany koa ny anarana hoe « Repoblikan’i Madagasikara ».

 

Jeannot Ramambazafy

Journaliste

www.madagat.com Madagascar

.

Mis Ă  jour ( Samedi, 16 AoĂ»t 2008 16:52 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...