]
Les quotidiens du 25 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse KRAOMITA MALAGASY. Iza no tsy mitàna ny teny nomena aza fady ?

KRAOMITA MALAGASY. Iza no tsy mitàna ny teny nomena aza fady ?

Misy zava-miadina tena hampidi-doza ny firenena ny ao ambadiky ny tsy fandehanan'ny orinasa Kraomita Malagasy na KRAOMA S.A. (Capital: 3.325.800.000 ariary) taorian'ny nanendrena an'i Rakotomanantsoa Nirina, izay tena noeverin'ny rehetra fa anisan'ny tanan-kavanan'ny Filoha Andry Rajoelina vao nilaza tany Ambatondrazaka farany teo fa «izay lazaina dia tanterahina».

Ny voalohan'ny volana Fevroary 2019 no voatendry ho Tale jenerelin'ny KRAOMA S.A. ingahy Rakotomanantsoa. Velom-panantenana daholo ny mpiasa rehetra ao amin'io orinasa io. Raha tsiahivina ankapobeny mantsy dia nandalo fotoan-tsarotra tokoa ity KRAOMA S.A. ity. Tao, ohatra, ny sora-bola ninia nakelezina («sous-facturations»), ny fanaovana trafika ana volamena nataon'ireo mpitantana fon'ny fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina. Nisy koa ireo mpiasa miisa efatra natao takalon'aina. Tsy adino ny fifanarahana tsy mazava tamin'ny orinasa rosiana Ferrum Mining sy ny totalim-bidin'ireo vokatra nahondrana ka tsy misy mahalala hatramin'izao...

Vao nandray ny toerana ingahy Rakotomanantsoa dia nalohany daholo aloha ny karaman'ny mpiasa izay tsy nandray izany nandritra ny volana maro ary nilaza izy fa ho dinihina daholo ny fifanarahana rehetra nisy teo aloha... Ary dia asa loatra fa tampoka teo dia nijanona ny famokarana sy ny fanondranana kraomita.

Manoloana izany tranga izany dia nampiantso mpanao gazety ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Tsaratanana, Ratsimanosika Alexandre Andriamanantena fantatatra koa amin'ny anaranam-bositra hoe Zozo. Ny 8 Oktobra 2019 teo io valan-dresaka io ary tao amin'ny efitrano malalay ny kaominina eo Brieville. Nasainy tamin'izany ireo solotenan'ny mpiasan'ny KRAOMA S.A.

Avy hatrany dia nanambara ny Solombavam-bahoaka Zozo fa: “ Misy ny fotoana anginana ary misy ny fotoana itenenana. Rehefa nandrasana ny vahaolana avy amin’ny Mpitantana, ny Tale Jeneraly sy Filan-kevim-pitantanana (CA) ary ny fampanantenan’ny Minisitra izay nilaza fa tsy maintsy miverina mihodina alohan’ny faran’ny volana septambra ny Kraoma, rehefa nijanona tsy namokatra nanomboka ny 05 jolay 2019, dia hita fa tsy misy tanteraka ny fampanantenana”.

 

Mitondra ny fitarainan’ny mpiasa aho”, hoy koa ny Solombavambahoaka, satria “vahoaka nametraka ahy izy ireo. Tsy tokony ho takonana intsony fa misy olana ato amin’ny Kraoma, ary tokony ho ren’ny firenena iray manontolo”. Ary dia nangataka amin’ny tomponandraikitra rehetra nampanantena azy ny Solombavambahoaka Ratsimanosika Alexandre Andriamanantena, mba hitana ny teny nomeny amin’ny famahana ny olana. Nisy ny fandraisam-pitenena tamin'io valan-dresaka io ka ireto avy ny dika an-tsoratra ireo voalazan'ireo olona voatonona eto:

Maurice Arsin, Lefitry ny Ben'ny Tanànan'i Brieville, mikasika ny fiantraikan’ny tsy fihodinan’ny orinasa KRAOMA: «Fahaverezan’asa izay nisy teo amin’io orinasa io sy ny mpiasa tao amin’ireo «sous-traitants» niara-niasa tamin’ny KRAOMA. Miteraka fahantrana ny fahaverezan’asa ary koa fihenan’ny fidiram-bolan’ny tsirairay. Hisy ary efa misy fiantraikany koa eo amin'ny lafain'ny fandriampahalemana noho ireo mpiasa maro izay very asa». Raha miresaka ny hoe «ristourne» indray dia mazava ny tenin'i Maurice Arsin: «Ny fihodinan’io orinasa io no fanantenana ho an’ny Kaominina satria ny KRAOMA no mampidi-bola be indrindra ao amin’ny kitapom-bolan’ny Kaominina».

Dina, Solotenan’ny Mpiasa : «Telo volana izay no tsy nihodina ny KRAOMA, araka ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny orinasa miara-miasa aminay. Ny olana ara-tsosialy naterak'izany dia mpiasa an-jatony no very asa sy tsy voatsabo noho ny rano maloto sotroina. Latsakemboka («Cotisation») telo (03) taona ao amin’ny CNaPS no tsy voaloa any ka very ny zo tokony ho azo avy amin’io CnaPS io».

Ny fangatahan’ny mpiasa? Mangataka ny Filoha sy ny governemanta hitady vahaolana maika satria efa ho tonga ny fahavaratra ka tsy afaka hiasa indray noho ny rano. Tsy tanteraka ny fampanantenana nomen’ny minisitra mikasika ny KRAOMA eo amin'ny lafiny ara-tsosialy.

Ny hetahetan’ny mpiasa? Mangataka ny Filoha sy ny governemanta hanambatra ny heriny hitady vahaolana maika fa mety ho tonga hatramin’ny fahaverezan’asa ho an’ny orinasa izao raha tsy voavaha.

Olona iray, mpiasan’ny Kraoma nisotro ronono, efa niasa tao amin’ny Kraoma, nandritra ny 38taona: «Ohatra ny voafitaka ny Président Andry Rajoelina amin’izao raharaha izao, satria noho ilay contrat programme dia natoky izy fa handeha antsakany sy andavany ity Kraoma ity. Nefa noho ny fatahorana very seza dia lazain’ireo olona ireo fa mandeha ity orinasa ity, mirindra ity orinasa ity. Lazaina fa milamina ny orinasa ary Postmoney no andoavana karama. Zavatra tsy marina sy fiarovan-tseza no tenenina any amin’ny Président mba tsy hahavery seza azy, voafitaka anie ny Président e!».

Zavatra tiana ampitaina amin’ny Président Andry Rajoelina: «Izahay dia tia azy, fa voafitaka izy, ireo namany ireo no mamitaka azy».

Mpivarotra kisoa iray : «Ny tsena raha ampitahaina ny fotoana nisokafan’ny Orinasa KRAOMA sy amin’izao: Taloha na 10 aza ny kisoa namidinay dia lafo, amin’izao na iray aza tsy lafo».

Mpivarotra an-tsena iray :«Nanomboka tamin’ny fotoana tsy nampihodina ny orinasa KRAOMA dia tsy mandeha ny tsena satria tsisy vola ny mpiasa. Mangataka izahay mba averenonareo amin’ny laoniny ny orinasa. Misy ifampiankinany ny varotra sy ny KRAOMA satria io orinasa io no mamatsy vola ity tanàna ity».

Mpivaro-panafody (Pharmacienne): «Ny fanjifan’ny mpividy fanafody eto aminay dia misy fiantraikany amin’izao krizy izao. Miveri-maina raha maheno ny vidim-panafody satria tsy misy ny vola. Misy koa ireo tena mitalaho ka omena trosa, misy fiantraikany amin’ny tsenanay izany satria lasa trosa ny ankabeazan’ny entana ka na izahay ary lasa tafidi-trosa ihany koa».

Germain, mpandraharaha iray: «Nanomboka hatramin’ny fitotonganan’ny orinasa dia miraviravy tànana ny vahoaka satria tsy ny eto amin’ity Fokontany misy an’ity orinasa ity ihany no miankina aminy fa ny vahoaka rehetra amin’ny Kaominina sy ny Kaominina sasany ato amin’ny distrikan’i Tsaratanàna. Ny vahoaka aty dia tantsaha, ary ny vokatra no avadika vola raha misy filàna. Noho izao olana izao dia miraviravy tànana ry zareo satria tsy lafo ny vokatra. Ny orinasa kraoma koa dia mampiditra devizy ho an’ny firenena».

Naina, mpitatitra iray : «Misy akony mafy amin’ny fitaterana izao tsy fihodinan’ny orinasa KRAOMA izao. Lainga daholo raha misy milaza fa mihodina io orinasa io. Raha tsy mihodina ny Kraomita Malagasy dia ity faritra iray manontolo ity no tsy miodina».

Sombiny ihany moa ireo fitarainana voaray ireo ary olona avy amina sehatra samihafa no nitsangana ho vavolombelona fa tsy miodina, tompoko, ny orinasa KRAOMA hatramin'izao 16 Oktobra 2019 hivoahan'ity lahatsoratra ity. Ny raiamandreny anefa hiatrika -raha tsy efa miatrika- ny fidiran'ny mpianatra. Amin'izao fotoana izao dia misy «fahagagana» iray hafa koa fa tsy latsaky ny 40.000 ariary ny zaza iray hiditra sekolim-panjakana. Fa nahoana loatra re? Ny fahavaratra moa dia nampiseho ny ho endriny afaka herinandro vitsy...

Izao toe-draharaha izao aloha dia nanomboka tao anatin'ny nandraisan'ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny fitondrana. Tao anatin'ny Tetezamita mantsy dia azo lazaina fa tena «salama» tsara mihitsy ny orinasa KRAOMA S.A. Ary nampidi-mbola ho an'ny fanjakana sy nampivelatra ny faritra iray manontolo mihitsy. Fa asa lahy: tsy re «narary», tsy re hoe sahirana ilay orinasa fa avy hatrany, na dia tsy nisy tolo-bidy («appel d'offres») mihitsy aza, dia namidin'ny fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina amina orinasa rosiana izay tsy nahavoaloa ny karaman'ny mpiasa malagasy tao akory taty aoriana. Ny vokatra anefa niondrana hatrany nandritran'ny efa-taona mahery be izao. Ary nisy mihitsy aza izany orinasa hoe KRAOMA MINING sy MAD MINING izany... Izany rehetra izany dia nitarika grevy tsy fahita hatramin'izay...

Taona 2019. Voatendry ho Tale Jeneraly vaovao ary i Rakotomanantsoa Nirina kanefa toa lasa «niala an'Ankatso dia Ambohidempona» ilay raharaha. Inona marina, na iza marina no ao ambadik'izao fanakorontana tsotra izao io? Dia mbola handrasana ny Filoha Andry Rajoelina hamaha ity olana ity indray ve? Iza no tsy mitàna ny teny nomena aza fady ?

Jeannot Ramambazafy - Lahatsoratra nivoaka ao amin'ny "La Gazette de la Grande île" tamin'ny Alarobia 16 Oktobra 2019 ihany koa


ETO NY GAZETY LEHIBE KOKOA


Mis à jour ( Jeudi, 03 Décembre 2020 05:32 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024