]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Place du 13 mai, 28/02/2009 : discours du Premier ministre Monja Roindefo

Place du 13 mai, 28/02/2009 : discours du Premier ministre Monja Roindefo

 

 

 

Foule très compacte sur la place du 13 mai, ce samedi 28 février 2009, avec la présence des ténors des principaux partis politiques connus à Madagascar et le défilé de banderoles. Il n’y a eu aucun uniforme en vue. Les forces de l’ordre étaient stationnées très loin ou cantonnées dans le camp du RM1 à Analakely. La présence de l’émissaire de l’ONU, Haïlé Menkerios et l’appel des quinze officiers supérieurs à la retraite (lire article, par ailleurs) y ont été sûrement pour quelque chose. Parmi les orateurs du jour, Daniel Ramaromisa (Vvs), Hary Naivo Andrianatoandro (Dhd), Monja Roindefo (Monima Ka miviombio) et, bien sûr, Andry Rajoelina, devenu chef de file de l’opposition malgache enfin unifiée. Du moins, momentanément...

 

 

 



Tous étaient aussi intéressants, mais nous avons retenu celui de Monja Roinfefo car il a expliqué le pourquoi de la mise en pace de ce gouvernement de la Haute Autorité de l’Etat (HAT) qui rappelle la Haute Autorité de l’Etat (HAE) du Pr Zafy Albert, en 1991, dans des circonstances similaires contre l’Amiral Didier Ratsiraka qui avait fait tirer sur la foule, le 10 août de cette année, aux environs du palais d’Iavoloha. Cette tuerie a précipité sa première chute…


M. Monja Roindefo, fils du leader charismatique Monja Jaona, témoin de la tuerie d’avril 1971 dans le grand sud, a été publiquement été présenté comme Premier ministre de la HAT, le samedi 7 février 2009 sanglant, sur cette place du 13 mai. Voici, en français, les grandes lignes de son discours, ce samedi 28 février 2009, suivies du discours original en malgache intégralement transcrit.

Après avoir expliqué pourquoi le Pds Guy Rivo Randrianarisoa n’était pas légal, étant donné qu’il a été nommé par arrêté ministériel alors que le maire Andry Rajoelina a été élu et que c’est à lui de désigner la personne qui achèvera son mandat, le Premier ministre Ndefo comme on l’appelle dans son sud ancestral a mis l’accent sur le besoin immédiat d’un gouvernement de transition :


Le Premier ministre Monja Roindefo

Ce gouvernement de transition n’a pas été mis en pace pour le plaisir. Ses membres ont été choisis pour leur savoir-faire et leurs capacités à diriger provisoirement Madagascar. Un pays qui n’est pas pauvre mais que l’on a appauvrit. Madagascar possède des richesses halieutiques qu’elle exporte. Des investisseurs étrangers œuvrent aussi dans ce domaine ; Madagascar possède des richesses sous-terraines et minières incalculables. Madagascar n’est pas un pays pauvre car l’étendue de ses terres arables peuvent permettre une auto production vivrière réelle ; Madagascar n’est pas pauvre car y vit un peuple volontariste, s’efforçant de faire des efforts vers le développement authentique. Celui de la nation allant de pair avec le leur. C’est pour cela qu’il est présent, actuellement sur cette place du 13 mai.

 



Car il est temps de cesser le pillage systématique du pays qui est le fait d’une seule entité et sur le dos du peuple et sans sa permission. Le peuple malgache mérite un meilleur sort, une meilleure vie en harmonie avec sa famille. Certain se réjouit de voir que les Malgaches, dans sa grande majorité, n’ont pas accès aux soins médicaux ; ne mangent pas à sa faim chaque jour que Dieu fait ; n’ont plus les moyens d’envoyer ses enfants à l’école ; logent dans des habitations miséreuses ; n’ont toujours pas accès à l’eau potable et à l’électricité. Ce n’est ce peuple qui doit former la nation malgache mais doivent y vivre des Malgaches dignes de profiter des richesses que Dieu leur a donnés. Aussi, à partir de maintenant, le gouvernement de transition aura pour tâche première de mieux répartir ces richesses appartenant au peuple malgache. La grande question que tous doivent se poser est : comment cette HAT va-t-elle procéder ? Nous le révèlerons au moment opportun. Pour l’heure, la lutte se poursuit, malgré tous les facteurs de blocage pou empêcher la poursuite des manifestations sur cette place du 13 mai. Puis, Monja Roinfefo a lancé un appel aux fonctionnaires (« Vous êtes au service du peuple et non du pouvoir »), à l’armée malgache : « l’argent distribué à flots pour réprimer des Malgaches comme vous, parvient-il à vos familles qui luttent ici même ? Il est temps de cesser la répression, les arrestations, les tueries car leurs auteurs risqueront de le regretter. Car nombreux sont les enfants de ce peuple qui devront être obligés de faire de l’auto défense si cela continue . A partir de lundi prochain (2 mars 2009), le bureau de la HAT sera sur cette place du 13 mai. La lutte se poursuivra jusqu’au but final ».



Consœur et confrère de l’agence Reuters

Cet objectif final est le départ de Marc Ravalomanana. Mais l’histoire nous a appris que les dictateurs ne partent jamais de leur plein gré, se sentant toujours dans leur droit en sermonnant d’articles de la constitution des auditeurs de la Rnm et des téléspectateurs de la Tvm qui se demandent pourquoi toujours parler de ces questions de lois maintenant ? Il y a anguille sous roche. Combien y avait –il de personnes ce samedi-là ? Et bien sur toute la longueur de l’avenue. Quid des futures « rencontres » Ravalomanana/Rajoelina ? Vu la tournure des choses, si rencontres il y aura, ce sera par le biais de ses représentants qu’Andry Rajoelina participera. Mais qui vivra verra. A présent, voici le texte original intégral en malgache.

Roland Ratsiraka, au milieu

 



« Ny voalohan’ny teninay aloha, dia ny hafaliana afaka mifankahita indray amin’ny vahoaka malagasy eto amin’ny Kianjan’ny 13 mai ity. Satria, niaraha-tsika mahalala fa dia natao izay fomba rehetra mba tsy hahatafavoaka-tsika vahoaka malagasy mitaky fanovana eto amin’ity toerana manan-tantara ity, ary toerana azo lazaina mihitsy aza hoe : Masina ho an’ny Tantaram-pirenena malagasy ity. Kanefa androany, dia tafa-vory indray izany isika, ka dia misaotra an’Andriamanitra noho izany. NIaraha-tsika nahita fa afak’omaly (alarobia 26 febroary) dia nisy nanaisotra ny estrade-ntsika teto ; nisy nanaisotra ny saina malagasy, ny saim-pirenena izay napetra-tsika teto. Izany zavatra izany dia tsy nifampiarana tamin’ny vahoaka, na notanterahina tamin’ny tompon’andraikitra fa dia barofo izany no nentina ; nalaina antsokosoko ; nalaina ankeriny izany fitaovan-tsika izany. Ka manontany antsika hoe : ny olona ohatr’izany ve, inona no iantsoana azy ? Mpangalatra, mpandroba hoy ianareo teo, devoly hoy ny sasany. Izany zavatra izany dia tsy mendrika raha olona te-hitondra firenena, raha olona izay tsy nofidiam-bahoaka akory, izay olona tsy ny vahoakan’Antananarivo akory no nisolotena azy no manao an’izany, dia iaraha-tsika mahalala fa tsy mendrika hitondra an’ity Tànanan’Antananarivo ity satria ity Tànanan’Antananarivo ity no tànana voalohany eto Madagasikara, iarahan’ny Malagasy rehetra manana ary reharehan’ny vahoaka malagasy, ka olona mendrika sahalan’Andriamatoa Andry Rajoelina izay nametrahan’ny safidiny no any afaka mametraka ny olona izay hisolo-tena azy.



Ka manomboka izao dia mangataka izahay, mitaky izahay ny hialan’Andriamatoa Guy Rivo satria tsy mila jiolahim-boto hitondra ny tànanan’Antananarivo. Saim-pirenena tokony hajaina no nalainao teo. Olona nametrahan’ny vahoaka fitokisany no nametraka izany saim-pirenena izany, kanefa izany no atao tsinontsinona. Ka raha olona milaza azy te-hitondra firenena, dia heverina fa mazava ho azy tsy mila hazavaina eto intsony fa tsy mendrika hitondra ny tànanan’Antananarivo, ka rehefa tsy mahatsapa tena amin’izany, dia voatery ny vahoaka handray andraikitra izay tandrify azy ka hametraka indray ny olona izay nomeny izany fitokisana izany. Nohezahana koa nanaovana ny fanafoanana ity toerana 13 mai ity. Notakian-dry zareo ny tsy hiverenan-tsika intsony alin’ity toerana izay mitondra ny hetahatam-bahoaka ity. Kanefa, araka ny efa voalaza teo, eto ny birao voalohan’ny fitondrana tetezamita ka tsy maintsy miasa eto ny fitondrana tetezamita sy ny vahoaka malagasy. Ka dia manomboka izay dia tsy maintsy mitohy izany famonjena izany biraon-tsika eto amin’ny 13 mai izany, ohatra ny nahazatra an-tsika hatramin’izay, mandrapahametraha-tsika ny fitondrana tetezamita amina toerana izay tokony hametrahana an’izany.

 



Tsy mitsahatra ihany koa mampahatsihay fa ny tolon’ny vahoaka malagasy dia manerana ny faritany enina, manerana ny nosy ary amin-tsika izao, betsaka ny vahoaka tonga avy any amin’ny faritany enina nahavatra nandoa ny saran-dalany, tonga manatrika an’ity 13 mai ity. Satria tsy te-ho tompon-trano mionona ny vahoaka malagasy, ka dia tonga manatrika izany etoana, ary ny any amin’ny faritany dia hiaran-tsika mahalala fa mitohy foana ny hetsika hatramin’izao. Ny any Toliara niarahan-tsika nahalala fa mbola mitohy ny hetsika ; ny any Antsiranana, ny any Mahajanga, ny any Toamasina, eny faha na dia any aminy faritra rehetra dia mitohy, mitohy hatrany ny tolon’ny vahoaka malagasy mandrapahatongavana amin’iizany fandresena farany izany.

 

Un nouveau venu, à l’extrême-droite, près de Gilbert Raharizatovo en casquette : André Resampa, fils du ministre de la 1ère république qui portait exactement le même nom

Eto koa dia manamafy izahay avy ao anivon’ny governemanta tetezamita fa matoa najoro ity governementa tetezamita ity, tsy hoe najoro fe-najoro fotsiny fa manana ny traikefa ilaina hitondrana ny firenena. Ary raha ohatra, iaraha-mahalala, fa izao ny toerana misy eto amin(ny firenen-tsika dia noho ireo izay mibahan-toerana amin’ny fitantanana izany firenena izany. Izay tsy manome làlana ny fanovana tokony hisy eto amin’ity firenena ity. Izay manao ampihi-mamba ny harena izay misy eto amin’ity firenena ity. Izahay dia tsy mitsahatra miteny fa firenena manan-karena Madagasikara fa kosa nampahatraina. Tsy mahantra Madagasikara fa nampahantraina ! Tsy mahantra Madagasikara satria manana ny harena ataon-tsika hoe, eo anivon’ny ranomasina izay iarahan-tsika mahalala fa isika no anisan’ny manondrana izany any ivelany, ary betsaka koa ireo vahiny mitrandraka izany eto amin-tsika. Tsy mahantra Madagasikara satria manana ny harena an-kibon’ny tany ; Tsy mahantra Madagasikara satria manana velaran-tany azo avadika hamokarana ; Tsy mahantra Madagasikara satria manana vahoaka mazoto, liam-pandrosoana ary vahoaka mihezaka, mikatsaka hatrany izay metimety kokoa ary tsy manaiky lembenana. Porofon’izany izao vahoaka eto amin’ny Kianjan’ny 13 mai izao.

 



Andry Rajoelina très bien encadré car on n’est jamais assez prudent de nos jours à Antananarivo…

 

Ka milaza aminareo izahay : ampy izay ny fanaovana gaboraraka ny fananan’ny firenena ; ampy izay ny fanaovana ampihi-mamba ny harem-pirenena ; ampy izay ny fanaovana indro kely tsy mba mamindra. Satria araka ilay fiteny malagasy ihany dia tokony anana ny tandrifiny sy ny anjara masoandrony ny isan’isan-tokonam-baravarana sy ny vahoaka malagasy tsirairay avy. Vahoaka mendrika, vahoaka manana fianakaviana, mifankatia amin’ny fianakaviany, manka-te-ho tiany fianakaviany, amin’ny mpiara-belona aminy. Izay no vahoaka eken’ny Malagasy sy katsahin’ny Malagasy fa tsy vahoaka akory anao, ataon-tsika hoe : mahafaly ny sasany ny mijery izany vahoaka tsy afaka mitsabo tena ; vahoaka manao ambany foitra lava izao ; vahoaka tsy afaka mampianatra ny zanany ara-dalàna ; vahoaka tsy afaka mipetraka amina trano izay tandrify azy ; vahoaka izay tsy afaka mampiasa jiro sy rano araka ny tokony ho izy. Tsy izany vahoaka izany no kendrena sy katsahina eto Madagasikara fa vahoaka mendrika ary manana harena foin’Andriamanitra ho amin’izany i Madagasikara. Ka dia manomboka izao, tsy maintsy hatao ny itsinjarana izany ara-drariny ary manana traikefa hentina manao an’izany ny governemanta izay najoro ato amin’ity tetezamita ity.

 



Eto izahay dia manao antso avo amin’ireo mpiasam-panjakana : mpiasam-panjakana ianareo fa tsy mpiasan’ny fitondrana. Izany hoe mpiasam-panjakana izany dia mpiasan’ny vahoaka fa tsy mpiasan’ny fitondrana na ny olona vitsivitsy izay mibahana izany fitondrana izany. Ka ankehitriny, mahatsapa ianareo fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena, eny fa na dia ianareo mpiasam-panjakana aza dia mahatsapa izany mivantana. Ianareo ao amin’ny folohalindahy dia mahatsapa izany. Moa ve ireo vola ahely etsy sy eroa, mivezivezy fa azon-dRahanona sy Rahanona. Inona ny vokan’izany ? Tonga any amin’ny fianakavian-tsika ve izany, ao anatin’ny folohalindahim-bahoaka ? Tonga any amin-tsika ve izany ? Fa ny amin’ny zana-tsika ve izany ? Fa ny zana-tsika sy ny vadin-tsika dai eto amin’ny Kianjan’ny 13 mai ! Ka asakasakareo na ianareo ihany no handeha hanabotry lava izao, lasa herim-pamoretana ity vahoaka ity sy ny vady aman-janany satria tsy afa-misaraka amin’ny vahoaka malagasy ny vady aman-janakareo, ao anatin’ny folohalindahy fa na dia ianareo kosa tsy afa-misaraka amin’izany.



Ka eto izahay dia manao antso avo ho an ‘ireo : afaka hatsaraina ny fiainan’ny folohalindahy malagasy mba hifanatsahana amin’ny fiainana misy amin’izao vaninandro iainan-tsika izao, ary tsy ho mena-mitaha sy tsy ho mena-mijoro mihoatra amin’ny folohalindahin’ny firenen-kafa. Betsaka no manontany hoe : amin’ny fomba ahoana no anaovana izany ? Ho avy tsy ho ela ny fomba hanazava-tsika ny fomba hanaovana izany. Fa ny zavatra azon-tsika lazaina dia ny hoe : betsaka ny harena eto Madagasikara fa mivangongo any amin’ny paosin’ny olo-tokana ; misy ny harena eto Madagasikara fa ataon’olo-tokana ampihi-mamba. Ka izany dia tsy azon-tsika ekena, Tompokolahy sy Tompokovavy. Tsy azo tapenam-bava ny vahoaka malagasy ; tsy maintsy miroso ny tolon’ny vahoaka malagasy ary izahay dia mbola vonona hitsangana eto, na inona ny fampitahorana, na inona fandrahonana dia mbola mijoro izahay satria mijoro manana ny vahoaka malagasy art ny vahoaka malagasy manana anay. Manao antso avo ihany koa izahay : atsaharo io fandrahonana lava io ; atsaharo io fisamborana lava io ; atsaharo io famonoana lava io. Satria hiaro-tena ny vahoaka malagasy raha mbola mitohy izany ary betsaka koa ireo zanany vonona ny hiaro azy ka sao ho tra-panenenana eo isika, indrindra fa ianareo mpanao izany. Ka dia mamerina ihany izahay ary tsy sasatra : atsaharo manomboka izao, mahaiza manaja tena ; aza bahanana ny làlan’ny vahoaka malagasy mankany amin ‘ny fahalalahana sy ny fandrosoana. Avelao ny fiovana lehibe sy ny fiovana vaovao ho tanteraka marina eto amin’ity firenena ity, satria tsy ho sasatra, tsy ho vizana ny vahoaka malagasy mandrapahatodiny any amin’ny tanjona farany. Misaotra Tompokolahy, misaotra Tompokovavy ».

 



Vers 16h, alors que la manifestation s’est achevée vers 13h30, des militaires sortent du camp du RM1. Ils prendront position aux points chauds de la ville

 

Je me souviens exactement de l’heure car au moment et à l’endroit où je prenais cette photo, une voiture immatriculée en plaque verte est passée. Dedans, Mme Marie Claire Gérardin, Chargée d’Affaires de l’ambassade de France à Madagascar. J’avais regardé l’heure par réflexe.

 

Reportage de : Jeannot Ramambazafy - Journaliste
Mis à jour ( Jeudi, 05 Mars 2009 15:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024