]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Chronique Hery Rajaonarimampianina. Filoha mihevi-tena ho… zavatra

Hery Rajaonarimampianina. Filoha mihevi-tena ho… zavatra

ETO NY FEO MAMPITENY NY MOANA TOKOA RAHA IZAY NAMBARANY TAMIN'NY VOLANA OKTOBRA 2013 TAO AMIN'NY CARLTON

« Maninona no tsy noresahina ny « îles éparses »? Iza moa ny tena mivohy an’izy io? Rehefa mandeha io resaka io, dia hoy aho hoe : izay ve no tena maika eo amin’ilay araka ny teninao hoe, handao hijery ny « insécurité » isika ; handao hijery ny fampandrosoana isika ; handao hijery ny mosary izay misy etsy sy eroa isika, ireo izao no zavatra ngezabe!

Isika, misy adihevitra tokony hatao eto. Hoy aho hoe, ilay adihevitra hatao eto anisan’ny zavatra ngezabe. Aoka tsy adihevitra ohatran’izany no entina hanakorontanana. Efa amam-polo taona io no teo, ary ireo izay efa niadihevitra nandritra izay amam-polo taonany izay indray hoe hametraka ilay izy, izy ary tsy nahavita ilay izy sady tsy nanao an’ilay izy no tsy nitondra ilay izy hatramin’ny farany.

Nisy fotoana tsy noresahina izy io mihitsy. Nefa ilay tany ao ihany e! Tsy hoe nilentika akory tamin'ny fotoana sasany dia noho tonga i Rajaonarimampianina dia nipoitra indray ilay izy, ka handao resahina ilay izy. Fa hoy aho e, efa misy dinidinika nifanaovana tamin’io an, tamin’ireo firenena a a a, tahaka ny Frantsa moa izay voakasika io zavatra io an. Dia misy izany adihevitra hatao momba ilay izy an, dia hoy aho hoe ho jeren-tsika…».

Tsy Lafrantsa mihitsy no omen-tsiny -zarany aza migioka harem-be adala tompo- fa ny fitondram-panjakana malagasy.Indrindra io entin'i Rajaonarimampianina io. Sady fanamby nataony no efa nolazain'ny Firenena Mikambana fa nosy MALAGASY ireo

Fa tena manao ririnina tsy tsaroana tokoa ity filoha voafidy tsy mitàna ny teny nomeny ity e! Na ireo nifidy anao na ireo tsy nifidy anao dia mahatadidy fa ianao anie no nanambara ho re tany ho ren-danitra, tao amin’ny Carlton, ny 23 Oktobra 2013 (ETO NY VIDEO), fa « hiady ary hiady mafy » momba ireo nosy ireo e! Ireo no anisan’ny antony nifidianana anao, toa ny mikasika ny « délestage » izay nitrikitrihinao fa «volana 3-6 eo io « délestage » io dia tsy hisy intsony eran’i Madagasikara » (ETO NY VIDEO). Izao dia lasa « ilay izy » sy « zavatra » ny nosy MALAGASY feno harena trandrahan’ny sasany fotsiny. Ary ny « délestage » vao teo no niverina ny jiro rehefa maty nandritra ny ora telo be izao.

Amin’izao fotoana izao indray izany dia lasa hadihevitra « hanakorontanana » ny mikasika ny nosy MALAGASY? Izahay tsy mandraharaha izay nataon’ireo filoha voafidy teo alohanao. Voadakan’ny vahoaka daholo koa moa izy rehetra. Sa lainga koa izany? Fa ny ho avy no hatrehina. Sokafo ny maso dia vakio im-polo io manaraka io !


Ny Firenena Mikambana no nandroso sosokevitra ary nanery mihitsy aza ny governemanta frantsay, ny hamerenena ireo nosy MALAGASY ireo. Tsy anjaran’izany fitondrana tetezamita izany (nisy enina izany tetezamita izany teto Madagasikara) ny manao ny paik’ady rehetra. Tonga ny repoblika faha-4 izay ianao kandida Hery Vaovao faha-3 no lasa filohany voalohany. Anjaranao, araka ny voalazanao tao amin’ny Carlton, ny manaraka ny sosokevitry ny Firenena Mikambana, satria fitondrana « voafidim-bahoaka » sy ara-dalàna no entinao. Sa tena manao toa ireny olona mangidihidy ao troarina ka miandry an’i Ban-Ki-moon indray hampahatsiahy ? Ie, tonga i Rajaonarimampianina ary dia adidiny sy anjarany ny mitsinjo ny taranaka malagasy iray manontolo. Io « zavatra » io dia manana harena amina miliara dôlara. In-droa ianao no niteny tao amin’ny Firenena Mikambana (2014 sy 2015). Niandrandra ny vahoaka malagasy. Saingy io valiny mampiteny ny moana io no re androany.

Lasa « adihevitra hanakorontanana » indray. Loza izany! Ny mpitondra matsilo, Tompoko, mametraka fahatsiarovana tsara rehefa miala eo amin’io toerana hifandimbiasana io. Sa ianao ho eo mandra-maty? Velona izao ary ianao dia efa sahin’ny maro an’isa ny miteny hoe Rajaonarimampiesona. Ianao izao ny olona tena manakorontana ny firenena malagasy iray manontolo! Ary raha mbola velona’aina aho tsy maintsy miteny ny zava-drehetra nosimbanao satria zoko izany ary mbola ho zava-doza hafa noho izao no hanjo ny Malagasy. Satria efa miditra ao anaty jadona tanteraka matoa nosy MALAGASY tokony hiantoka ny ho avin’ny Malagasy iray manontolo no anaovana valiny borainginy toa ireo natao androany teny Ivato ireo. « Ho jeren-tsika » amin’ny ahoana ? Mbola resaka eo ambony vavahady izany. Tsy misy mahatoky anao intsony anie ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy fa aza miziriziry mamita-tena e! Ho jerem-potsiny toa ny « délestage »?

Any amina firenena manana mpitondra endry sy matsilo saina dia roa taona monja dia efa mivaingana izany fampandrosoana izany. Ny anao mbola « hiadihevitra ». Ady tena ady izao no atrehin’ny vahoaka malagasy. Ady amina olona tsy vonona ny hahasoa azy fa be resaka eny ihany ka na ny vazaha ivavahany aza mihomehy azy amin’izato kabary eo ambonina « ressorts » sy ny tànana mamafa vava lava sao mivoaka eo ilay hoe : « Ianareo no te-hifidy ahy ». Dia tena mihevitra mihitsy ianao io fa tsy azo atao n’inona n’inona (« intouchable ») hatramin’ny taona 2018 an?

Izaho tsy mpaminany, fa mandehana manontany an-dry Ratsiraka, Zafy sy Ravalomanana (Tsiranana moa efa maty). Tsy nisy nieritreritra mihitsy izy ireo fa ho voadakan’ny vahoaka amin’ny andro sy ora tsy nampoiziny sy nieritretiny na iray segondra aza. Ary niainako daholo izany fitsingidinana izany, nanomboka tamin’i Dada Tsiranana, ka mitovitovy toa izao hatanao izao foana ny fiantomboany. Ka tohizo foana, Tompoko, ny «fahaizanao » mampandry adrisa fa eo izahay mpanao gazety hametraka soratra, sary ary vidéos sao ao aoriana ao mbola sahy hilaza fa: « tsy nanao izany aho ». Marina fa ny tarehy ratsy azo ovana saingy ny toetra ratsy tena… tantara ny manova azy. Toa tanàna zatra mitsotra io e…! Tsy fotoanany intsony ny fialana balà amin’ny hoe : « ny manodidina ahy no tena ratsy ». Efa roa taona izao no lasa ka tsy any intsony ny olana fa ny fahaizana hitondra ny firenena any an-davaka ka raisin’ny vazaha fotsiny, nefa mbola asesika ihany ny vomanga izay hakenda roroka. Koa maninona tokoa moa no tsy hamidy tsotra izao ireo nosy Malagasy ireo e? Fa tsiahivo lalàn-dava fa tsy misy paosy ny lambamena ary ny lehilahy masahy ihany anefa no mifono lambamena fa tsy ny kanosa velona.

Jeannot Ramambazafy – 5 Oktobra 2015

Mis à jour ( Mardi, 06 Octobre 2015 04:23 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024