Mora tokoa no miteny ho anâireo miseho mahalala nefa na ny tantarany manokana aza tsy misy ho resahiny ireo ho anâny tanarany. Ka ny anâny hafa no ezahiny somparana hatrany. Azy ireo ny azy fa raha mikasika ny Amiraly Didier Ratsiraka dia ao anatina rakibolana maro ny anarany, ary fa hatry ny ela. Fa ny anaranareo miseho lalin-tsaina ireo, mba aiza ? Afaka taona vitsy dia adino tanteraka, ny sasany moa tsy sahy mampiasa ny anarana nomenâny ray aman-dreniny akory⊠Kanosa mihevitry ny tsy ho tatry ny aloka e.
Lasa tsy hiverina eto an-tany intsony i Didier Ignace Ratsiraka, ny 28 marsa 2021. Inona marina moa ny lĂ lana nodiavinâizany lehilahy izany ? Ity ny tantaranâireo dingana nandalovany, ivelanâny fitondrany ny Repoblika malagasy nandritra ny 22 taona mahery
Ny 4 novambra 1936 izy no teraka tao Vatomandry. Faralahy amina mpiray tampo miisa folo izy. Tao Moramanga izy no nanomboka nanaraka ny fampianarana fanabeazana fototra (« études primaires »). Avy eo notohiziny tao aminâny sekolinâny masera ao Ambatondrazaka sy tao aminâny sekolinâny Sefrera ao Toamasina. Ny dingana faharoa na «études  secondaires » dia tao aminâny Kolejy Masindahy Misely ao Amparibe ny notontosainy.
Tany Frantsa izy no nandranto fianarana ambony (« études supĂ©rieures »). Ny volana Febroary 1955 izy no niainga avy teto Madagasikara taminâny alalanâny sambo « Pierre Loti » ary tonga tao aminâny seranan-tsambonâi Marseille ny volana manaraka, izany hoe marsa 1955. Ny ray aman-dreniny no nitrosa mba nanohizany ny fianarany tany ampita, satria tsy nizaka izany zom-pirenena frantsay izany izy. Tao aminâny LycĂ©e ao Montgeron, tanĂ na atsimonâi Parisy i Didier Ratsiraka no nanohy nianatra ary tao izy no afaka baccalaurĂ©at dinga voalohany. Io no nafahany niditra tao aminâny kilasy famaranana («Terminale») sokajy «MathĂ©matiques Ă©lĂ©mentaires modernes», tao aminâny LycĂ©e Henri IV ao Parisy. Ary rehefa tadiditra tao aminâny sokajy « MathĂ©matiques supĂ©rieures et MathĂ©matiques spĂ©ciales » izy, noho ny vokatra tsara vitany, dia tapaka ny heviny fa hanao miaramila izy, ary hanao tatsambo no finidiny.
Ny taona 1960 dia tafiditra tao aminâny Ăcole Navale de LanvĂ©oc Poulmic de Brest (FinistĂšre) izy, ary dia rehefa nahazo ny laharana faharoa taminâny vondrona («Promotion») nisy azy i Didier Ratsiraka dia nobatainy ny diplaoma maha «IngĂ©nieur de lâĂcole Navale» azy ka lasa nitondra ny grady «Officier de Pont» izy.
Ny 13 desambra 1963 dia nanambady anâi Ramatoa kely CĂ©line Velonjara i Didier Ratsiraka. Tao aminâny fiangonana katolika Ambatonilita Antananarivo izany fanambadiana izany no nohamasininâny Monsenera Armand GaĂ«tan Razafindratandra, izay mbola pretra tsotra taminâizany fotoana izany. Efatra ny zanakâi CĂ©line sy Didier, dia : Olga, Sophie, Annick sy Xavier Velonsoa, ary dimy ny zafikeliny : lahy efatra, vavy iray.
Ny taona 1965, dia tao aminâny «Ăcole des Officiers de Transmission Ă©lectronique » any Toulon izy no nahazo ny diplaoma maha «IngĂ©nieur BrevetĂ© des Transmissions» azy. Dimy taona taorianâio, izany hoe ny taona 1970, dia tafiditra tao aminâny «Ăcole SupĂ©rieure de guerre navale» ao Parisy izy ary nibata ny diplaoma «Brevet d'Ă©tudes militaires supĂ©rieures (BEMS)» nomenâny tao aminâio sekoly ambony ara-miaramila io, ny taona 1972. Fa nianatra tao aminâny Sorbonne koa ny lehilahy ary nanaraka ny « filiĂšre Droit, Ăconomie politique et Institutions financiĂšres internationales ». Ho anâizay tsy mahalala dia izany Sorbonne izany dia toerana misy oniversite miisa valo (8) mitondra io anarana io, izay nalaina taminâny anaranâi Robert de Sorbon, olom-piangonana («Chapelain») teo ambaninâny fiahianâny mpanjaka frantsay Saint Louis, taminâny taon-jato faha-III. Ireto avy izany oniversite izany, aminâizao vaninandro izao : UniversitĂ© Paris I PanthĂ©on-Sorbonne ; UniversitĂ© Paris 3 â Sorbonne Nouvelle ; Sorbonne UniversitĂ©Â ; UniversitĂ© de Paris ; Sorbonne UniversitĂ©s ; Sorbonne Paris CitĂ©Â ; Hautes etudes-Sorbonne-Arts et MĂ©tiers (HĂ©sam).
Taorianâny raharaha 13 mai 1972 dia voatendry ho minisitry ny Raharaham-bahiny tao anatinâny gouvernemanta tetezamitanâny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa ny Capitaine de corvette Didier Ratsiraka izay 36 taona monja. Marihina fa «attachĂ© militaire» tao aminâny Masoivohonâi Magasikaraka ao Parisy izy talohanâny nanendrena azy ho minisitry ny Raharaham-bahiny. Ny 11 Febroary 1975, rehefa maty nisy namono ny Kolonely Richard Ratsimandrava dia anisanâny miaramila ambony grady nandrafitra ny «Directoire militaire» izy. Ny 15 Jona 1975 dia nisy ny fitsapan-kevimbahoaka nanoloana ny Lalampanorenananâny Repoblika voalohany hidirana aminâny Repoblika faharoa. Rehefa lany ny « Eny » dia lasa Filoha voalohanâny Repoblika malagasy faharoa i Didier Ratsiraka izay nantsoina ihany koa hoe Deba ary koa «Amiraly mena» taty aoriana. Ny antony dia satria ilay antoko Arema (Antoko revosionioneranâi Madagasikara) natsangany, dia nirona kokoa taminâny foto-kevitra marxiste ary Boky mena no anaranâilay boky mirakitra ny Satanâny revolisiona sosialista malagasy («Charte de la rĂ©volution socialiste malgache»).
In-droa miantaona no naha filoham-pirenena voadify azy ary raha totalina dia nandritra ny 22 taona mahery izany. 1) 15 Jona 1975 - 27 marsa 1993. Izany hoe : 17 taona, 9 volana sy 12 andro ; 2) 9 Febroary 1997 - 5 Jolay 2002. Izany hoe 5 taona : efa-bola sy 26 andro. Izany hoe 22 taona sy 12 volana sy 38 andro nitondrana.
Ny 28 marsa 2021, taminâny 6 ora sy sasany maraina no nodimandry tao aminâny hopitaly miaramila (Homi) ao Soavinandriana Antananarivo ny Amiraly Didier Ratsiraka. Ny ampitsony, ny 29 marsa 2021 izany, dia nasitrika ao aminâny Fasanâny Mahery Fo na MausolĂ©e, izay naoriny, etsy AvaratrâAmbohitsaina Antananarivo, izy rehefa nanaovana fara-veloma teny aminâny Lapam-panjakananâIavoloha izay natsangany ihany koa, teo anelanelanâny taona 1975 sy 1981.
Raha hiverenana kely ny mikasika ny MausolĂ©e dia naorina taminâny taona 1977 art anisanâireo mahery fonâny firenena malagasy misitrika ao dia singanina ry Jean Ralaimongo, Tia tanindrazana nitolona nanohitra ny fanjanahana frantsay ; JoĂ«l Rakotomalala, Praiminisitrateo aloha ; Pierre Rajaonah, Minisitry ny Fampandrosoana ny any ambanivohitra ; Kolonely Alphonse Rakotonirainy, Lehibenâny Etamazaorinâny Tafika malagasy ; Amiraly Guy Sibon, Minisitry ny Fiarovam-pirenena te alohaâŠ
Nety ve sa tsy nety ny fitondrany ny Firenena malagasy ? Maro ny voasoratra ny mombanâizany, be no afaka jerena ao aminâny Internet satria ny lasa tsy fanadino. Raha izaho manokana dia misimisy ihany ny lahasoratra nosoratako nanakiana ny fomba nitondrany satria taminâizany aho dia efa mpanao gazety fa tsy arakarakâireo izay miseho mahalala zavatra nefa mbola tsy teraka akory taminâny raharaha 1972 sy 1991. Fa taminâio taona farany io indrindra, raha tsy nanome baiko ireo federalista naka ahy an-keriny tany Diego, amotsotra ahy ny Filoha Didier Ratsiraka, dia tsy afaka nitantara ireo avy novakinareo eo ambony ireo akory. Mbola tsy nanambady anâi Ramatoa kely CĂ©line no nifankahalala ny fianakavianay satria samy tao aminâny «Foyer malgache» ao Arago, Paris-13, no nipetraka, izy mpianatra ho tatsambo, izahay sy ny papako namita ny fianarany ho dokotera.
I Didier Ratsiraka, tao aminâny fahatanorany dia tena tia fanatanjahantena ary mpikatroka aminâireto taranja ireo : baolina kitra, lomany, tenisy ambony latabatra, jĂčjutsu na koa jiu-jitsu («art martial japonais») ary «jogging» na koa «footing». Nahay nitendry gitara sy nitsoka farara koa izy. Ary nankafiziny ny milalao karatra, indrindra fa ny beloty, niaraka taminâny zokiko roalahy dia i Jean-Jack Nelson sy Sylvain JosĂ© Fabien (efa nodimandry).
VIDEO TENY AMIN'NY MAUSOLEE ETO
84 taona sy efa-bolana i Deba no niaina teto aminâity tany fandalovana ity. Midika izany, na tiana na tsia, fâefa akaiky koa ny anjaran-tsika mikasika izany fahafatesana izany. Na covid io na tranga hafa tsy misy mahalala mialoha. Iray ihany ny fanontaniako ary eto ankatoky ny Paska 2021 : inona no lova ho apetrakao ho anâny firenena, ho anâny mpiara-belona, ho anâny fianakavianao, ho anâny taranakao ? Ny anâny sasany, satria tia tena sy tia kely loatra, dia ozona sy fankahalana no havelany eto aminâity tany fandalovana ity ho anâny taranany. Ary efa voasoratra sy voaray feo sy vidĂ©o ireo nolazainy sy nataony rehetra. « Moa tsy izany va ? ».
Jeannot Ramambazafy - Nivoaka tao amin'ny "La Gazette de la Grande Ăźle" sabotsy 3 Aprily 2021 koa io lahatsoratra fahatsiraovana an'Itompokolahy Didier Ratsiraka io