Lâheure nâest plus aux interprĂ©tations pas plus qu'aux "analyses" pour faire plaisir Ă autrui. Mais elles ne vont pas tarder, si ce nâest dĂ©jĂ fait. Aussi, puisque les Ă©crits restent et que les paroles sâenvolent, voici les dĂ©clarations originales en Malgache du PrĂ©sident de la Haute AutoritĂ© de la Transition de Madagascar. CâĂ©tait le mercredi 17 fĂ©vrier 2010, lors dâun point de presse qui a durĂ© un quart d'heure, au Palais dâEtat dâAmbohitsorohitra. Faites-vous traduire puisque Madagascar vous intĂ©resse tant (ces richesses surtout). ParticuliĂšrement pour les zĂ©ros pointĂ©s du Parlement EuropĂ©en qui nâont mĂȘme pas pris la peine de demander leur avis aux ambassadeurs accrĂ©ditĂ©s dans la Grande Ăźle. Ils en sauront plus sur les magouilles des Ă©lections malgaches en un demi-siĂšcle de dĂ©mocratie de pacotille. Dans ces dĂ©clarations, tous les dĂ©tails sur « comment se faire Ă©lire infailliblement » sont lĂ . Mais il y a aussi tous les dĂ©tails dâun changement vĂ©ridique et sincĂšre dans le processus Ă©lectoral. Seuls les crĂ©atures qui ne peuvent pas voter, en premier lieu les membres de ce GTT international, vont tout interprĂ©ter de travers. Leur sport favori. Enfin, il faut de tout pour faire un monde. Mais je suis dâaccord : Madagascar appartient aux Malgaches (qui y vivent et qui vont y mourir) avant toute autre considĂ©ration.
Jeannot RAMAMBAZAFY
---------------------------------------------------------------------
Andry RAJOELINA, Palais d'Etat d'Iavoloha :
« Araky ny fanta-tsika rehetra dia misy delegasiona manokana, aminâizao fotoana izao mitondra ny hevitry ny Fahefana Avonâny Tetezamita, hanolotra ny fomba hamahana ny olana ara-politika, hamahana ny krizy politika eto Madagasikara, any Addis-Abeba. Efa fanta-tsika fa misy ny fivoriana izay atao rahampitso sy rahafakâampitso mikasika ny olana misy eto Madagasikara. Ny zavatra apetraka eto ampanombohana aloha dia tiako ny mamerimberina fa resy lahatra ny rehetra, ny vondrona iraisam-pirenena ary indrindra ny olom-pirenena Malagasy, fa ny fifidianana ihany no any vahaolana tokana hamahana ny olana misy eto aminâny firenena. Ary ny tanjona hapetra-tsika dia ny hanaovana izany fifidianana izany. Tsy fifidianana fotsiny anefa no atao, fa ireo olana tsy voavaha nandritra ny taona maro, nanditra ny efapolo taona, mikasika ny fifidianana teto amintsika dia vonona ny fitondrana Tetezamita ny handray ny fepetra rehetra izay mety ilaina, hanomanana fifidianana madio sy mangarahara manaraka ny sata demokratika, mba hanekenâny rehetra ny valim-pifidianana, na ny eto Madagasikara na ny fianakaviambe iraisampirenena.
Ny olana ankehitriny dia : ahoana no afahan-tsika manomanana sy manatanteraka io fifidianana io, mba hanekenâny be sy ny maro izay ho valim-pifidianana hipoitra eo. Efa nandre ombieny ombieny fa ny zavatra tsy vita tao anantinâny taona maro dia ho apetranâny Fitondrana Tetezamita ankehitriny. Toa ny fanakinana ny fifidianana aminy CENI (Commission Ă©lectorale nationale indĂ©pendante). Satria teo aloha dia ny fitondrana ihany no nanomana ny fifidianana. Rehefa fitinina ny resaka hoe : fa maninona no misy foana ny olana eto aminâny firenena -satria nandritra izay 40 taona, dia inefatra, indimy no nisy ny fitraotranâny vahoaka Malagasy ary nandrodana ny fitondrana teto an-toerana-. Ny olana nampisy anâizany dia satria sarintsarim-pifidianana no nisy teto amintsika ary ny valim-pifidianana marina na ny fahamarinana avy ao anatinâireny vata-pifidianana ireny dia voahodikodina avokoa. Ary ankehitriny ny zavatra hisy dia zavatra telo : Mikasika ireo lisitry ny mpifidy dia fanta-tsika fa betsaka ireo olona mpifidy izay hoe mpifidy « fantĂŽmes » na « fictifs » izay nosoratana fotsiny tao anatinâireny lisi-pifidianana ireny. Iznay hoe, mbola tsy manomboka ny fifidianana dia ny mpitantana nifandimby teto aminâity firenen-tsika ity dia efa nahazo vahana any aminâny 15 na 20% any ho any. Satria dia tsy afaka nijery lisi-pifidianana ireo mpifaninana na ireo olo-pirenena tsotra.
Isika ankehitriny dia hiezaka hanafaona izany ary izay no nitenenako hoe : ho apetraka ny fomba rehetra mba hafahanâny olona rehetra manamarina ny anarany na mijery ny lisi-pifidianana. -Nisy ihany koa ny « ordonnances » teo aloha. Rehefa mahazo « ordonnance » no olona mpikambana ao aminy antoko, ny antokonâny mpitantana mazava ho azy, dia afaka mifidy indimy, inenina eny impolo aza ao anatinâny andro anaovana ny fifidiana. Mba hisorohana izany dia nanapakevitra izahay fa tsy hisy intsony ny « ordonnance » izay omena aminâny fifidianana izay ho atao eto aminâny firenena. Ary afaka mijery ny lisi-pifidianana avokoa na ny mpifaninana na ny olo-tsotra. Manaraka izany : -mikasika ny âbulletinâ. Raha mpifaninana ataorana ianao, teo aloha, dia zara raha amina birao na « bureau de vote » izay misy sary zato, ohatra, dia zara raha 50 ny ahatongavanâny « bulletin »-nao satria dia ny mpitantana na ny fitondram-panjakana no mikarakara ny fifidianana. No izany dia efa ela no nitakianâny mpanao politika teto aminâny Nosy, teto aminâny firenena-tsika ny anaovana ny « bulletin unique ». Vonona izahay ampiasa izany « bulletin unique » izany satria ny mangarahara no tiana apetraka sy ny tiana atao eto aminâity firenena ity.
Satria maro ny birao ka rehefa mitondra ny « bulletin »-na mpifaninana ianao dia efa misy toerana voamarika amina toerana maro manerana ny Nosy, any aminâny fokontany manerana anâI Madagasikara any ka dia omena vola dimy arivo na iray alina dia mitondra ny bulletinâny mpitantana na mpitondra fanjakana. Izany hoe: vidina ny safidinâny vahoaka. No izany dia foanana izany mba hisianâny hery mifandanja ary dia nanapakevitra izahay, ary nanaiky fa ho apetraka ny « bulletin unique ». Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe: manoloana izany ezaka tiana apetraka manakany aminâizany fanovana izany : inona loatra re ny fankahalana anananâny sasany anâity firenena Malagasy ity ? Izay miantso ny fanasaziana anâi Madagasikara. Satria aoka tsiahivin-tsika fa efa misy anie ny fanasaziana e. Atao miatra aminâny mpitantana ankehitriny dia miantefa aminy Madagasikara izany sazy izany. Miantefa aminy vahoaka Malagasy izany sazy izany.
Eto dia aoka azava fa ny tenanay tsy matahotra mihitsy anâizay sazy mety hampiarina aminâny tenanay. Fa aoka kosa ny vahoaka Malagasy na i Madagasikara tsy atao takalonâaina na hampijaliana no ny fankahalana olo-tokana misy na ny fitiavan-tena ampiarina. No izany dia manoloana ny zavatra ankehitriny, zavatra lehibe ary zavatra tsy afaka hiverenana intsony ny fanapahan-kevitra izay mety ho raisinâny Fianakaviambe iraisampirenena na ny GIC rahampitso : eto indrindra izahay no miteny hoe: efa vonona izahay re ny Olompirenena Malagasy hiatrika ny fifidianana. Miandry izahay aminâny fanapahan-kevitra izay ho raisinâny Fianakaviambe iraisampirenena mikasika anâi Madagasasikara. Ny fahavononana sy ny finiavana dia eo aminay. Raha toa ka azo ekena ny fanapahan-kevitra na ny fanapahanâny famoahana ny olana mianjady aminâny firenena ankehitriny dia ho dinianay. Efa misy ny soso-kevitra nampitondraintsika, nampitondrainay anâny Praiministra any Addis-Abeba ankehitriny, izay tsy mivoana aminâny tanjona voalohany dia ny anaovana ny fifidianana izay hifidianana ny Antenimieranâny Lalampanorenana na ny âAssemblĂ©e Constituanteâ izay hitondra ny volavola-kevitra izay aroso dia ny hoe: hanaovana io fifidianana io aminâny volana mey. Raha toa ka ekenâny be sy ny maro -toa ny vahoaka Malagasy na ireo olom-pirenena rehetra izay manaiky hanaovana izany fifidianana izany, ary hetahetany ny hanaovana izany fifidianana izany- dia vonona izahay ny handinika antsipirihiny ny fomba rehetra mety hamahana ny olana eto aminâny firenena raha toa ka mifanaiky ireo âmouvancesâ araka ny nametrahana sy ny nameranâny GIC azy ny hanaovana fifidianana ny âAssemblĂ©e Constituanteâ aminâny volana mey ho avy izao.
Midika izany fa tsotra : ary eto dia manamafy eo anatrehanâny vahoaka Malagasy ny tenako fa vonona aho ny andray ny andraikitra ary efa nametraka fanamby isika ny hitondra ny fanovana eto aminâny firenena. Ny fanovana voalohany dia ny fanaovana fifidianana madio sy mangarahara. Ary izay na inona na inona no Hiatra, na inona na inona no hidona dia tsy maintsy ho tanterahin-tsika ary ataontsika ny fifidianana aminâny volana mey ho avy izao. Satria dia ny Malagasy ihany no tompon-teny farany. Ny olompirenena no misafidy ny lĂ lana tokony alehany sy ny lĂ lany tokony izorany satria Madagasikara dia anâny Malagasy. Raha atao aminy teny vahiny dia âMADAGASCAR APPARTIENT AUX MALGACHESÂ !â.
Nandray feo sy nanoratra : Jeannot RAMAMBAZAFY â 7 Febroary 2010