]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Raharaha dahalo: tena tsisy trano-kenatra intsony ry Mamy Rakotoarivelo ka !

Raharaha dahalo: tena tsisy trano-kenatra intsony ry Mamy Rakotoarivelo ka !

Me Hanitra Razafimanantsoa sy Mamy Rakotoarivelo: "Ho an'i Marc Ravalomanana, jusqu'à la mort" tokoa !

« Ny fanakianana nataon'ny ankolafy Ravalomanana amin'ny fiaraha-mitantana ny tetezamita dia tsy mahagaga intsony. Telo taona izao ry zareo no nanao io fanakianana io, ary ny mahavariana amin'ity indray mitoraka ity dia efa ao anatin'ny tetezamita izy no mbola manakiana ny tetezamita ihany, manahaka olona tsy ao anatin'ny fitondram-panjakana.

Na mahagaga koa amin'ny fihetsiny dia ny fanakianana bontolo ary ny famitahana ny saim-bahoaka izay tsy mendrika ho ana tompon'andraikim-panjakana mpanao politika sy mikirakira ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena. Raha ohatra manakiana ianao, dia mitondra soso-kevitra mety azo raisina ihany koa. Fa raha manakiana ianao nefa tompon'andraikitra eo amin'ny firenena, lehibena andrim-panjakana ireo resahany ireo, mpikambana ao anaty governementa, mambra ao anatin'ny parlemantan'ny tetezamita, (Ndlr : tsy nanonona anarana mihitsy i Vy Vato Rakotovao, fa samy nahita teo amin'ny fahita lavitra fa ry Mamy Rakotoarivelo, Me Hanitra Razafimanantsoa sy Eliana Naika, Rolland Ravatomanga, sns.) dia milaza fa mitanila ny fitondram-panjakana, milaza fa tsy mandeha amin'ny laoniny ny tetezamita, dia ianao koa izany ao anatin'ilay tetezamita ange e ! Manona ianao mbola miziriziry mijanona ?

Raha nanao sonia ny tondro zotra ry zareo, fantany tsara izay voasoratra ao ary fantany tsara ihany koa ny vontoatin'io tondro zotra io. Ka rehefa nanao sonia an'io ianao dia tokona anaiky an-tsakany sy an-dàvany, fa tsy isakin'izay misy tranga na izay mahafalifaly ny fonao na hitanao fa fotoana fanakorontanana dia miditra amina sehatra fanakorontanana. Dia izay no mahatonga anay manao antso avo amin'ny vahoaka malagasy ary miteny amin'ireo namana ao amin'io « mouvance » io hoe : hajanony dieny izao io fanakorontanana ny saim-bahoaka io, fa ianareo ihany ange no nanomboka ny fanakorontanana io fiaraha-mitantana io e !

Iza no minisitra nigintrika ny filan-kevitra voalohany ? Iza ny parlemantera nivangabao tamin'ny asan'ny parlementera voalohany ? Ry zareo ihany ! Koa maninona rehefa ry zareo no mandringa mandeha dia lazaina fa ny hafa foana no tompon'andraikitra?(...) ».


Vy Vato Rakotovao, mambra ao amin'ny CST, Minisitry ny Fambolena tao aloha ary Sekretra jeneralin'ny Tim Raharinaivo

TSINDRIO ETO HIJERENAO NY VIDEO MANONTOLO

Ireo no santionan'ny fanambarana nataon'i Vy Vato Rakotovao, tao amin'ny Tvm, ny 15 Novambra 2012 alina. Fa ny tsaratsara kokoa dia mihaino azy manontolo ao anatin'ilay video eo ambony io. Dia samia mitsakotsako sy mamisavisa ny « fomba fiasan »-dry Mamy Rakotoarivelo, Me Hanitra Razafimanantsoa sy ny forongony. Ireto moa dia hoe hitory an-dry Jeneraly Richard Ravalomanana sy ny Kolonely Lilyson izay nanonona ny anaran'ilay andriamanitra kely latsaka an-tany, madio tsy misy pentina, dia Ingahy Marka Ravalomanana, ho anisan'ny nahatonga ny firongatry ny asam-dahalo any Atsimo.

Eo amin'ny sary, avia miankavanana : Mamy Rakotoarivelo, Me Hanitra Razafimanantsoa, Roland Ravatomanga, Ihanta Andriamandranto, Jeneraly Richard Ravalomanana, Kolonely Lilyson de René

Ny vy, tompoko, tsy mikotrana irery ary tany am-bava ady ny kolonely Lilyson fa tsy nandry nandry tao anatina « salon » misotrosotro sy mitsotsotra. Dia ho lany andro hijery sinema indray izany ny vahoaka. Ary angaha moa ireo dahalo ireo, araka ny fanambaran'i Vy Vato Rakotovao ihany, mahalala sy manàja akory izany zon'olombelona izany ? Hiantra anareo mantsy izy ireo raha tratrany ! Ny fanana ho lasany eo ihany fa hanaraka hatramin'ny ainareo ! Izay lafiny izay dia modiana tsy hita mihitsy. Zazakely koa angaha i Dada ka tsy hahay hiaro-tena ? Sa miandry amin'ny asabotsy indray, hamoriana olona eny amin'ny Magro ? Tsy misy afitsoka intsony ry zareo (« argumentations valables ») ka dia rambesina daholo izay tranga afahany manalava, na koa mandrendrika mihitsy aza, ity tetezamita efa hadiva hifarana ity. Mamy tokoa ny manompo olona efa « has been » ka tsy misy trano-kentra intsony ry Mamy Rakotoarivelo ka ! Tsy fantany intsony izany hoe hafa-baraka fa takon'ny volabe ny masom-panahy. Mampalahelo. Nefa deraina ihany satria ho vitan-dry zareo ireo ny manompo an'i Marka Ravalomanana mandrapahafaty. Na ny Pisodia izahay mandrapahafatinay aza tsy nahavita izany ! 12 taona ihany. Dia i Fetison Andrianirina indray izao no mitady hanangana ny maty. Tsss! Resaka tombon-tsoa fotsiny ihany izany.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 17 Novembre 2012 07:10 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...