]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara : Hifidy vazaha be izany ny gasy kely?

Madagasikara : Hifidy vazaha be izany ny gasy kely?

Teo imason'ny mpanao gazetin'ny AFP mihitsy i vazaha be no nanambara fa mizaka ny zom-pirenena frantsay izy ary mpikambana ao amin'ny antoko sosialista ao Frantsa (Sary Afp). I Sahondra Rabenarivo dia vehivavy lalin-tsaina loatra ka matetika mifanohitra ny zavatra tiany ambara.

Tsy roa na telo, fa maro ireo porofo afahana milaza fa mizaka ny zom-pirenena frantsay ny Dokotera Jean Louis Robinson, izay kandida ho filoham-pirenena Malagasy. Dada izany an !


Maro ireo mpifidy any amin’ireo faritra 22 no tsy mahalala izany. Torak’izany koa ireo mponina ao Antananarivo nivovoho rehefa nitarika ity kandida laharana faha-33 ity. Variana tamin’ireo sarin’i Dada sy Neny, angaha, ka tsy mahalala ny zavatra hitranga atsy ho atsy ?... Tsotra ilay izy : hifidy vazaha be ny gasy kely ary avy eo hanenina. Dia hidina an-dalambe indray ve ? Fotoana izao ny hirosoana f’efa be loatra ny tetezamita nisy teto Madagasikara.

Niverina i Deba dia nivarina ny firenena malagasy

Sa efa tena voahozona tokoa ny gasy kely ka mihemotra lava aorian’ny nihinana izay efa naloa ? Asa aloha fa ity misy ohatra iray sy fanontaniana. Niverina ny Amiraly Ratsiraka, ny taona 1996. Nandroso ve ny firenena to amban’ny repoblika “humaniste écologique” ?

Ato dia manambara mihitsy loza mitatao ho an'ny zon'olombelona io "franc-maçonnerie" lazainy fa sekta io

Dia anareo ny mamaly izany fanontaniana izany. Fa izao tsarovy foana ao an-tsaina: i Jean-Robinson, vazaha, dia mpikambana ao amin’ny “franc-maçonnerie” (fikambanana miafina matanjaka be, ka manana rantsana eran-tany eo anivon’ireo mpitondra, indrindra ao Afrika ao. Ny tombontsoan’ny Lafrantsa sy ny tombontsoan-dry zareo manokana no tena arovany fa tsy ny an’ny vahoaka velively). Ary mpikambana ihany koa ao amin’ny antoko sosialita frantsay, izay misy an’ny filoha François Hollande.

Mitsipika manga: "soutenu par le francophobe Marc Ravalimanana". Ny dikan'ny hoe "francophobe" dia tsy tia Frantsay hatrany amin'ny tsinay mainty

I Marc Ravalomanana indray dia tsy te-hahalala an’izany Lafrantsa izany satria, hoy izy, taorian’ny fanonganana azy ny Frantsay. Miseho olom-piangonana vonto finoana i Dada, kanefa ny fikambanana misy ny kandida natolony dia tsy mivaky loha amin’izany ary ny fiangonana eran-tany tsy mifanerasera amin’izany “franc-maçon” izany mihitsy.


Ka tsy mifanohitra be ve ny tadin-dokangan’izy roalahy raha tena dinihina lalina ? Adin’ny samy fetsy izany ny an’i Dada sy ny Dokotera vazaha be fa ny vahoaka Malagasy tsy mandady harona no atao totohotra fiakarana. Ka dia asakasarareo fa raha mbola voarebirebin’i Dada ianareo dia aza mifanome tsiny atsy ho atsy. Dia tena adala tokoa ve ka hifidy vazaha be ny gasy kely ? Manomboka eto izany ny fanovana ilay toe-tsaina tsy mpandroso an’ny firenena Malagasy : faly am-boalohany dia avy eo mifanilika. Farany: mazava raha manohana an’io dokotera vazaha be io ireo miseho Gasy tia tanindrazana (GTT), satria ny ankamaroan’izy ireo dia mizaka zom-pirenena frantsay ihany koa. Ka iza marina no tena hivarotra ny tanindrazana ? Valiny : ny gasy kely ihany. Ka samia mahazaka ny vokany atsy ho atsy e !

Jeannot Ramambazafy – 1er Novambra 2013

Mis Ă  jour ( Vendredi, 01 Novembre 2013 06:02 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA