]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara. Saraha Georget: mpanao politika «vaovao»…

Madagasikara. Saraha Georget: mpanao politika «vaovao»…

Ho anareo mpanao politika eto Madagasikara : aza mihevitra mihitsy fa adinonay mpanao gazety ny fanambaranareo. Vita hatreo ilay hoe : “tsy niteny an’izany aho”. Taloha izany. Tamin’ny andron’ny tsy fisian’ny teknolojia vaovao aingam-pandeha, misy sary ary indrindra feo. Ary ajanony koa ny fanabadoana ny vahoaka malagasy sao hifotoerany amin’ny tsy ampoizina. Misaotra.

Dia asa tokoa fa izany tokoa angaha ny fomba fanaovana politika “vaovao”, miaraka amina olom-“baovao” tian’ny Filoha voafidy hapetraka eto amin’ny tany sy ny fanjakana ? Asa ?

Henoy sy jereo tsara ary ilay video etsy ambony. Raha tsy izany araho ny lahatsoratra.

HALATRA BE VATA !

Ramatoa “maitso” (nanao akanjo mena), tao amin’ny Carlton Anosy, ny 30 Desambra 2013, teo anilan’i Jean Louis Robinson, mpifaninana tamin’ny Hery Vaovao n°3, namorona ilay fiteny hoe: “Halatra be vata”. Izao ny ampahan’ny zavatra nizinginzinany tamin’io fotoana io:

“ Fifidianana tsisy “transparence”; fifidianana misy fifanolanana. Ary efa nisy fifanolanana na izy nanohana ny “candidat numéro 3”, ao anatiny ao aza : “contesté” ! Fifidianana tsy azo itokisana, tsy “crédible”. Zavatra telo lehibe no aterak’izany hoe halabato be vata : manova tanteraka ny valim-pifidianana, manova tanteraka ! Tsy sanatria hampihena iray isan-jato na roa isan-jato ohatran’ny zavatra efa hita-tsika tamin’ny fiodinana voalohany, izay efa nahitana hala-bato, fa ity zavatra ity izany dia manova tanteraka ary noho izany dia tsy misy fahatokisana azo apetraka amin’izany ”.

Tsy misy "éthique", ary tsy manana "déontologie" politika mihitsy fa polifika ihany. Lova avy aiza ary ?

Antsofonondry, 15 Febroary 2014. Nanasa ireo izay te-hiasa miaraka amin’ny Filoha vaovao ilay olona nilaza fa hoe Filoham-boninahitry ny Hvm (Hery vaovaon’i Madagasikara) dia Ingahy Solofo Rasoarahona. Mbola hiverenako moa ity farany fa iza, hoy ianareo, ny anisan’ny olona tonga teny, vonona hanampy an’ilay Filoha vaovao, satria, hono: “Mitovy ny praogramanay"... Dia ilay Saraha Georget nilaza fa mpangala-bato ilay “candidat n°3” ary koa tsy misy fahatokisana azo apetraka ny aminy. Izao dia manao“collé-serré amin’ilay “candidat n°3”. Ary tsy izy irery an !... Tsy lazaina eto koa ny vava be navoakany nandritra ny fampielezan-kevitra indroa miatoana fa tena tokony izy mihitsy ny lehiben’ny mpanohitra an’ny Filoha Rajaonarimampianina. Saingy mafy ny mitady seza. Minisitry ny Tontolo iainana, ohatra… Efa tsy misy tranon-kenatra intsony e !

I Ramatoa "Halatra be vata" sy Hajo Andrianainarivelo. Ity moa dia sahy nilaza fa "rehefa manohana dia manohana hatramin'ny farany". Tena mampiteny ny moana tokoa ireto mpanao politika eto Madagasikara ireto ka !

Ka izany va re no atao hoe politika “vaovao” ? Asa aloha fa atsy ho atsy dia tsy hahamenatra io ramatoa io mihitsy no hamadika tanteraka ilay filoha vaovao izay toa tsy mahalala tokoa ny fanaovan’ny mpanao politika malagasy ny lalao maloto. Fa any aminy ny tsokoko ny hifatratra any aoriana kely ao...Mbola tsy fantany foana ve fa tsy mena-mivadika toa ny andro ririnina miova loko toa ny tanalahy ny ankamaroany ? Dia tsy mahay maka lesona amin'ny Tantara mihitsy ilay filoha vaovao ka. Sa kosa izy mihitsy no anisany ? Fanontaniana io, Tompoko, fa tsy fanendrikendrehana, sao mampiaka-peo eo ireo mpanolotsaina tsy mahatanty tsikera.

Fa iza marina aloha izany, amin’izao fotoana izao ny hoe mpanohitra ? Tsy misy izany demokrasia izany mantsy raha tsy misy ny mpanohitra raha tsy izany dia didy jadona. Ka ho entina aiza ary ity firenena Malagasy ity leiretsy a ? Aiza moa ny vahoaka no tsy hitraotra rehefa ela ny ela. Indrindra ireo nisafidy ny Hery Vaovao n°3, mahatsiaro voafitaka tanteraka…

Jeannot Ramambazafy – 23 Febroary 2014

Mis à jour ( Lundi, 24 Février 2014 10:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA