]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Antoko Hvm : fa inona loatra no nataon’ny vahoaka malagasy e ?

Antoko Hvm : fa inona loatra no nataon’ny vahoaka malagasy e ?

Ankavia miankavanana : Hugues Ratsiferana, James Andrianalisoa, Jaobarison Randrianarivony, Rivo Rakotovao, Henry Rabary-Njaka, Rachid Mohamed, Paul Rabary

Dia zendana tokoa ny tena, efa mpanao gazety nandritra ny telo polo taona, fa tsy nahita « zava-baovao » toa ity tokoa : ao Parisy ry zalahy mandrafitra ny antoko Hvm no niseho voalohany, taorian’ny tao aminy hotely Carlton.


Tao amin’ny « Espace Moncassin », boriboritany faha-15 ao Parisy, ny alatsinainy 09 Jona 2014, no niseho tamin’ireo Malagasy monina ao Frantsa ry Rivo Rakotovao (Filohan’ny antoko Hvm ary minisitra), Henri Rabary-Njaka (Sekretera jeneralin’ny Hvm ary et Talen’ny Kabinetra ao amin’ny Prezidansy), Jaobarison Randrianarivony (Filoha lefitry ny antoko Hvm ary Mpanolotsaina manokanan’ny Prezidansy), Rachid Mohamed (Filoha lefitry ny antoko Hvm ary Mpanolotsaina manokanan’ny Prezidansy), Paul Rabary (Mpanolotsainan’ny antoko Hvm ary minisitra), James Andrianalisoa (mpikirakira kaontim-bbla amin’ny birao politika sy Tale jeneralin’ny ACM), Hugues Ratsiferana (mpanolotsaina ao amin’ny birao politika Tale jeneralin’ny Air Madagascar)…


Fa inona moa no antony raha tsy fisehoana fa an-dry zalahy ny laka ? Satria ireo Malagasy monina any Frantsa ireo anie dia mbola tsy afaka mifidy, hatreto e ! Raha hanampy ny firenena izy ireo dia amin’ny alàlana fikambanana manao asa soa sy fandefasana vola euro ho an’ny fianakaviany ihany.

Io ingahy Patrick Rajoelina, eo anoloana indrindra, manao solomaso (ankavànana)

Maro ireo tranga nahavariana tao. Ohatra dia ingahy Patrick Rajoelina izay tsy teny akaikin-dry zalahy no nipetraka fa niaraka tamin’ny be sy ny maro. Kanefa anie io Patrick Rajoelina io no anisan’ireo nanao propagandy mikasika ny kandida faha-3 tao Parisy e ! Dia sahy milaza ry Rivo Rakotovao sy Henry Rabary-Njaka fa ny antoko no nandoa ny vola nandehanany tany. Fa tena mihevitra ny olon-drehetra ho bado tokoa ry zalahy. Izy mianakavy ireo dia anisan’ny delegasiona niaraka tamin’ilay filoha vaovao tany Israël.


Ka iza no nandoha ny dia raha tsy ny vahoaka Malagasy ihany ? Satria delegasionam-pankana. Nisy nanontany ny mikasika ny Air Madagascar fa tonga dia notapahin’ingahy Rabary-Njaka ny resaka. Tao koa ny resaka « plagiat » (fangalàna tahaka ny kabarin’i Nicolas Sarkozy). Fa nahodinkodina fotsiny ny mikasika io. Izany hoe, raha bangoina dia tsy nandresy lahatra ny be sy ny maro iny fisehoana tsy misy lohany tsy misy vodiny iny.


Ny loza dia ity: mbola tany Israël ry zalahy dia efa nalefany ny filazana fa hoe: hihaona amin’ireo Malagasy ao Parisy ny Filoha Rajaonarimampianina.Na inona ny firehany ara-politika. F’inona no teo ? Nijanona tao amin’ny hotely nipetrahany ilay filoha. Marina aloha ny azy satria raràn’ny lalàna izany hoe filoham-pirenena miditra mivantana eo amin’ny sehatra antoko, na dia fantatra fa antoko noforonina ho azy io Hvm io. Na izany aza nahatezitra ny rehetra izany fitaka izany ka nahatonga ny famaliana hoe : « Amin'ny sisa soyez franc fa aza mamita-bahoaka e ! ». K’iza amin’ireo tonga tao no tena hiditra amin’izany antoko Hvm izany ? Satria izay koa no tanjona iray (« embrigadement »).


Ny litania tao moa dia ny hoe : « Handao hiara-hiasa isika ». Ny dikan’io, na tsy mifantana azy dia ny fangataham-bola fotsiny izao. Satria hiara-hiasa amin’ny ahoana sy amina sehatra inona ? Tsy misy Malagasy na iray aza hampiasa ny volany aty Madagasikara rehefa mahala ny tranga miseho amina banky roa aty… Ka inona marina moa ny zava-baovao nentin’ireto mpikambana ao anatin’io antoko Hvm io? Tsy misy fa azy aloha ny laka ary tena mihevitra mihitsy fa ho eo mandrakizay. Ary mahazo miteny izay tiany tokoa.

Dia nihinana sy nisotro tokoa satria kapoka tsy nialàna vola e !

Fa nankaiza moa izao ny Pisodia izahay mandrapahafatinay e?... Izay koa ny anjaran’ny fanjakana Malagasy sy anjaran’ny antoko politika ? Mifangaro ao daholo e ! Farany: fa dia tena inona loatra no natoan’ny vahoaka Malagasy any amin’ny faritra an’ireto karazan’olona ireto ka dia atao an-kilabao efa ho enim-bolana mahery izao ?

Jeannot Ramambazafy

Sary: TR

************************

 

HVM à Paris: Aux frais de la princesse
Mercredi, 11 Juin 2014
Le cas du parti présidentiel HVM est vraiment particulier. Au lieu d’effectuer une tournée sur tout le territoire national pour mettre en place ses structures, son bureau politique a choisi la capitale française comme leur première destination après la présentation du parti au Carlton Anosy. Presque au grand complet, le bureau politique du HVM a rencontré à l’Espace Moncassin (dans le 15ème Arrondissement) les membres de la diaspora malgache…

Face à une assistance composée d’adhérents des autres formations politiques (TIM, AREMA, MAPAR, …), le bureau politique dirigé par Rivo Rakotovao et Henri Rabary-Njaka a continué à accabler les anciens régimes de tous les maux à l’origine de la pauvreté à Madagascar. Et, pour redonner l’espoir aux membres de la diaspora, ces membres de la garde rapprochée de Hery Rajaonarimampianina ont promis monts et merveilles comme entre autres la construction d’infrastructures pour redresser le pays…

Il est en effet à souligner que les membres du bureau politique présents à Paris sont Rivo Rakotovao (président du HVM et ministre d’Etat), Henri Rabary-Njaka (secrétaire général du HVM et Directeur de cabinet de la Présidence), Jaobarison Randrianarivony (vice-président du HVM et conseiller spécial à la Présidence), Paul Rabary (conseiller du HVM et ministre de l’Education nationale) et James Andrianalisoa (membre du bureau politique et directeur général de l’ACM)… Des membres de la diaspora se sont alors interrogés : « comment le tout nouveau parti présidentiel a-t-il financé le déplacement du bureau politique à Paris ? ».

Les membres du bureau politique du HVM ont en effet voyagé au frais de la princesse. Membres de la délégation présidentielle ayant effectué une visite officielle en Israël, ces dirigeants du HVM ont saisi l’occasion pour présenter et diffuser leur parti au sein de la diaspora… Paul Rabary, quant à lui, a rejoint l’équipe du HVM à son retour d’Egypte. Le ministre de l’Education nationale a en effet assisté à la cérémonie d’investiture du nouveau chef d’Etat égyptien Al-Sissi. Les dirigeants du parti HVM ont donc utilisé l’argent public pour leur activité politique, ne s’agit-il pas d’un abus de pouvoir ? Une affaire qui pourrait intéresser le Bianco ou le Samifin…

Concernant toujours ce déplacement du bureau politique du HVM à Paris, des membres de la diaspora ont émis des réflexions sur l’ordre de priorité de ces dirigeants politiques vu la situation catastrophique dans le Sud de l’île. Ils ont préféré rejoindre Paris pour séduire la diaspora, alors que ces malgaches établis en France ne votent pas… Une erreur politique !

Notons que cette pratique n’est pas nouvelle puisque bon nombre de leurs prédécesseurs ont usé du même procédé. La politique de rupture avec le passé tant prônée par Hery Rajaonarimampianina est encore loin d’être acquise.

Lambo T. - La Gazette de la Grande île

Mis à jour ( Dimanche, 15 Juin 2014 10:25 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...