]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Hery Rajaonarimampianina: raha lojika izy dia mialà ireo telo lahy ireo e !

Hery Rajaonarimampianina: raha lojika izy dia mialà ireo telo lahy ireo e !

"Nanaitra anay ihany koa ny amin’ny lalàna nolanian’ny firenena sasany, toa manery sy mampihena ny fahalalahan’ny mpanao gazety", hoy ny Filoha Barack Obama tany Washington

10 Aogositra 1991 – 10 Aogositra 2014. Feno 23 taona izao ny Diaben’ny Fahafahana notarihin’ny Profesora Zafy Albert. Ny vokany? Nampitifitra ny Filoha Didier Ratsiraka ary fanta-tsika rehetra ny tohin’ny tantara. Fa tsy izany ny resako anio fa mikasika ity fitondrana efa manomboka mivily tanteraka any amin’ny jadona ihany koa.

Tsindrio eto ary aza manao ny adin'ny kanosa sy be fialonana fa ny tena fanetry ben'ity tany ity avela miriaria any foana. Mandehana koa manontany an'ingahy Jaobarison Randrianarivony -izay tsy nanao politika hatramin'izay niainany- raha azo vidiam-bola koa izaho manoratra ity lahatsoratra ity

Misy malahelo mafy ve ny ao ambony ao sy ireo”mpanao gazety” sasany zatra manisy tambiny ity asa masina ity ? Ka sahy milaza mihitsy fa omen’Andriamatoa Mamy Ravatomanga (Groupe Sodiat) vola be amin’ny famoahana ireo sary telo ery ambony indrindra ireo ? Fa maninona no tsy aty amiko mivantana no mitonantonam-bava ? Sao dia mihevitra ianareo ireo fa zaza kely aho ka tsy mahalala tompon’andraikitra tena mpanapaka eran’izao tontolo izao? Ary koa mahalala ny asako fiadiana amin’ireo toe-javatra tsy manjary nandalovana sy mbola andalovan’ity firenena malagasy ity ? Vao nivoaka fotsiny ity lahatsoratro ity dia miandry fatratra ny fihetsikareo ry zareo ireo...

Ianareo no voatonga ary manao kilalaon-jaza ny fiainam-bahoaka mihitsy satria tsy niomana hitondra izany firenena izany ka andrana miaro jadona daholo ny fanapahan-kevitra satria hoe “olom-panjakana” ! Ny fanjakana, Tompoko, dia ny vahoaka ao aminy, izay mitoetra fa ianareo ireo mandalo fotsiny ihany. Talohan’i Rajaonarimampianina dia nisy filoha voafidy ary aoriany mbola hisy ihany. Ka rehefa mba tadifitra ao dia tokony efa ao an-tsaina ny fomba hivoahana: am-panajana sa toa ireny mpangalatra ireny ?

Samy teraka ny volana Aogositra izahay, ary samy miaro izany fahafahan'ny fanaovan-gazety sy fahafahana miteny izany. Gadrao daholo ary izahay

Ny ahy anie ka i Barack Obama mihitsy no “manome vola” ahy, raha ny lojikan’ireo olona tsy misy fotony sy tsy misy ho avy ireo. Ny atao hoe olona tsy misy fotony, Tompoko, dia tsy ompa fa midika hoe: tsy misy faka (“racines”, “roots”), tsy misy ho avy (“No future”) koa. Satria ny fiavianao aza tsy fantatrao ka andeha ho aiza ianao ? Raha resaka ara-politika tokoa aloha dia toa nivoaka avy amin’ny tsy fantatra ireo olona nahazo fahefana bôjo sy ny tompomenakeliny ireo.

Herizo Razafimahaleo

Izy no any Malagasy manaja izany hoe "éthique" izany eo amin'ny fanaovana politika. Ny mahagaha dia niala avy tao amin'ny antokony (Leader Fanilo) ingahy Jean Max Rakotomamonjy, lany "100%" tao Tsimbazaza, andro asabotsy...

Io fidongina seza io aloha, raha eto Madagasikara, dia tena “spécialité” mihitsy hatramin’izay ka hatramin’izao. Tsy misy na iray aza nanaja sy manaja tena fa dia omana ihany ny ao an-doha. Itompokolahy Herizo Razafimahaleo ihany no sahy nametra-pialàna fony izy minisitra.

Io izany ny vola noraisiko, satria mamoaka ny sariny ihany koa ?

Dia i Barack Obama gadraina raha maha-sahy ianareo, satria izy izany no “mpaniraka” ahy. Ho an’ireo miseho “mpanao gazety” kosa dia tsotra: rehefa ny tombontsoana olona no arovanareo fa tsy foto-kevitra, -dia ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety sy ny fahalalahana miteny (“Liberté de presse et liberté d’expression”) aloha amin'ity tolona iray ity- dia mialà koa ianareo amin’io asanay io. Tsy toerana ho an’ny mpikaraman’ady (“mercenaires”) ny asa fanaovan-gazety matihanina. Matoa aho efa telo polo taona mahery izao no manao ity asa masina ity, ary entiko mandra-maty, dia satria mila vaovao afa noho ireo mivoaka ao amin’ny Tvm sy ny Rnm sy gazety ary radios sasany eto an-toerana ny vahoaka Malagasy sy izao tontolo izao.

Ingahy Jaobarison Randrianarivony, filoha lefitry ny antoko Hvm, no mibahana ao, tato ato, ka atakalo vary ny fidiranana ao amin'io antokon'ny filoha io any Itaosy any. Misy ny hoe "vivres contre travail". Fa ny an-dry zalahy Hvm tena "riz contre parti" tsotra izao. F'inona moa izany fa dia ny nataon'ny antoko Arema natsangan'ny Amiraly Ratsiraka ihany no miverina ? Tsy manana tetika vaovao mihitsy ve e ? Ka ny olona mahantra no terena ankolaka ?

Ka ianareo manodidina ny filoha Rajaonarimampianina ireo, izay mpitady 19 hiarovana ny tombontsoanareo mihaompampana, dia vakio ity manaraka ambany ity. Tao anatin’ny “site internet officiel de la Présidence de Madagascar” no nangalako azy io :

"Tsy maintsy omena fahalalahana ny asa fanaovan-gazety"

… Anisan’ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety avy aty Afrika tamin’ny Filoha Obama ny mbola fisian’ny hery famoretana ireo mpanao gazety any Afrika, toy ireo naiditra am-ponja tany Egypta. Nisy tany amin’ny firenena hafa ny fandaniana lalàna miaro fanasaziana vao tsy ela akory izay. Inona no azon’ny fianakaviana iraisam-pirenena atao hiarovana ny fahalalahan’ny mpanao gazety any Afrika?

“Tsy maintsy omena fahalalahana ny asa fanaovan-gazety na dia tsy metimety amin’ny mpitondra aza izany, hoy ny filoha Obama, mba ahafahan’ny vahoaka mandanjalanja ny fihetsiky ny mpitondra azy ireo”.

“Raha ho an’ilay fampidirana am-ponja manokana ny mpanao gazety Al Jazeera tany Egypte, dia nazava ny teninay, hoy izy, na am-pahibemaso na tsia, fa tokony hovotsorana izy ireo. Nanaitra anay ihany koa ny amin’ny lalàna nolanian’ny firenena sasany, toa manery sy mampihena ny fahalalahan’ny mpanao gazety. Mampisalasala ny ezaky ny firenena hafa hamehy ny aterineto, izay fitaovana iray efa ampiasain’ny rehetra ho fampitam-baovao, tsy mbola nampiasaina folo na roapolo taona lasa akory izay ”.


Dia sahia milaza fa tsy voakasika izany ny firenena malagasy ? Fa olon’ny fitondrana aiza no nampigadra mpanao gazety talohan’io fiahonana tany Etazonia io ? Raha lojika amin’ny tenany koa izany ny Filoha malagasy amin’izao fotoana izao (satria toerana fandalovana ihany no misy azy) -izay narahe ireo fanambarana ireo- dia tokony esoriny tsy misy ataka’andro izy telo lahy ireo. Dia ingahy Rivo Rakotovao, mpanagadra mpanao gazety no ny ambo-po diso toerana; ingahy Henry Rabary-Njaka, mizaka ny zom-pirenena frantsay efa ho 20 taona mahery, namoaka teny sy fiteny tsy voahevitra izay nandoto ilay Filoha hajaina ; ingahy Cyrille Reboza, minisitry ny “Filazam-baovao” tsy mahalala akory izany hoe asana mpanao gazety izany, any ka tsy hiaro anay mihitsy fa hitsivalana ny fanapahan-kevitry ny Filoha foana, toa izay nitranga tao Egypta sy ny teto ihany koa (raharaha Jean Luc Rahaga sy Didier Ramanoelina). Tsy nisy nifidy ireo telolahy ireo mihitsy akory ny vahoaka malagasy, aza adino koa izany. Safidin'ny filoha voafidy ireo ka azy ny azy raha mbola ireo ihany no tazominy hiara-handrendrika ity firenena ity, amina fihetsika sy fiteny tsy ho an'ny tombontsoam-bahoaka, fa fiarovana ny sezany.

George Washington, Filoha amerikana voalohany sy Barack Obama, filoha faha-44. Tsy nisy izany Lalampanorenana niova isaky ny miova filoha izany any Etazonia. Izany no tena tany tan-dalàna

Ny antony « anaramain’i Obama » ahy ve ? Manaja ny tany tan-dalàna izy, toa ireo nialoha azy rehetra. Ary fantany fa asana mpanao gazety no nahatonga ny Filoha Richard Nixon voatery nametra-pialàna, ny 09 Aogositra 1974. Ny Lalampanorenena any aminy mantsy dia hajainy an-tsakany sy an-davany fa tsy toa eto Madagascar mbola asiana “interprétations”. Tadidio ny article 54 mikasika ny fanendrena Praiminisitra teto amintsika fotsiny e! Tadidio ireo fanapahan-kevitry ny HCC misy an’ingahy Jean Eric Rakotoarisoa. Ny an’ny firenena amerikana kosa ny atao hoe “Premier amendement”, ao anatin’ny Lalampanorenany, dia tsy niova efa nanomboka tamin’ny taona 1791:

“Congress shall make no law respecting an establishment of religion, or prohibiting the free exercise thereof; or abridging the freedom of speech, or of the press; or the right of the people peaceably to assemble, and to petition the Government for a redress of grievances”.

DIKA MALALAKA

Ny Kongresy (amerikana mazava ho azy) dia tsy hamoaka, na oviana na oviana, lalàna mandrara ny fahafahana mahakasika ny finoana. Izany hoe tsy handrara mihitsy izy ny fananganana fikambanana na fiangonana na inona na inona ny anarany sy ny foto-pinoany; ny Kongresy dia tsy hamoaka, na oviana na oviana, lalàna mandrara ny fahafahana miteny sy ny fahafahan’ny fanaovan-gazety, ary tsy hanakana ny zon’ny olona hivory sy anao “pétitions” mba hangatahana onitra no ny loza niatra tamina olona izay nataon’ny Governementa.


Ka aiza ho aiza isika amin’izany tany tan-dalàna izany ? Tsy apetraka, araka ny filazan’ilay filoha vaovao mihitsy akory izy io, fa AMPIARINA AMIN’NY FANAJANA NY LALANA EFA VOASORATRA ! Nefa, indrisy: ao amin’ny Antenimierampirenena fotsiny dia tsy azo atao izany “pétitions” izany. Nialoha izay dia niasa sabotsy sy alahady mihitsy hametrahana an’i Jean Max Rakotomamonjy ho Filohan’io Antenimierampirenena lany 100%.

Tsy misy io isa io ao anatina firenena mandala sy mampiatra ny Demokrasia, Tompoko ô ! Dia alaivo ambony, alaivo ambany koa ilay andininy faha-20 ao anatin’ilay lalàna 2014-006 mikasika ny “cybercriminalité”. “Copié-collé” amin’ny andininy faha-74 ao anatin’ny lalàna 90-031 momban’ny Serasera. Nefa tamin’izany fotoana izany anie-24 taona lasa izay- tsy nisy izany Internet izany akory e!

"Tsy hanenjika olona aho" ("Je ne ferai pas de chasse aux sorcières"). F'inona moa no ataon'ireo manodidina anao ? Firy izay ny olona "nakisaka" amin'ny tsy misy antony ? Nefa manana ny fahaizany manokana ? An-polony, an-jatony atsy ho atsy


Fitondrana mipetraka ambon’ny tsy ara-dalàna ity fitondrana Rajaonarimampianina ity na dia voafidy 53,50% aza izy. Satria vao nanomboka dia tsy nanara-dalàna. Ka ho sahy hiverin-dalàna hanaiky ny fahadisoany ve izy sa mbola hiziriziry ka toa ireo filoha voafidy nialoha azy koa ny hivoahany eo amin’io fitondrana io ?

Any amin'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina izany ny baolina ary tokony ho fantany fa rehefa tena tezitra anie ny vahoaka dia tsy tàna intsony e ! Na dia amoronana izao karazana resak’adala izay efa nisy tamin’ny andron’ny amiraly Didier Ratsiraka aza. Dia ny hoe : misy mitady anao fanonganam-panjaka; misy mpanao politika manome vola be hanakotontanana, sns. Filma efa nandeha izany, ary lany daty, hoy ny tanora. Ianareo ao ambony ao ihany no nanakorontana ity firenena ity, nataonareo ambony ambany (“upside down” hoy ny Anglisy). Ny vokany ? Ianareo ihany no mampitahotra ireo mpamatsy vola izay mbola misalasala amin’izao fotoana izao. Mandehana aingana mitady ny dikan'ny atao hoe "Effet Streisand" f'aza ny fahaizako no ambaniana.

Izao ny fijerin'ny ankamaroan'ny olona eran-tany ity Nosy malala ity

Ka ny fampisehoana fa tany tan-dalàna tokoa ny eto, dia ny manalà ireo telo lahy ireo satria tsy to-teny intsony ianao Andriamatoa Filoha voafidim-bahoaka. Ary aiza koa ilay hoe: “Ny fitondrana ny raharaham-pirenena tsy ananako havana”. Esory ary ireo akamanao ireo fa tsy havanay, tsy havanao fa hamono anay vahoaka ary hamono anao mihitsy. Ary aza adino fa ny nenina dia ao afara ao foana handatsa.


Jeannot Ramambazafy – 10 Aogositra 2014

Mis à jour ( Mercredi, 13 Août 2014 10:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...