]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Antananarivo. SDE: à problèmes malagasy, solutions malagasy

Antananarivo. SDE: à problèmes malagasy, solutions malagasy

Au micro, notre frère et confrère Latimer Rangers



**************************


Pic Vert Ambatobe, sabotsy 13 jona 2015. Famintinana ny zava-niseho nandritra ny andro fifanankalozan-kevitra nokarakarain’ny vondrona SDE (Strategy Development Empowerment)

Tontosa soa aman-tsara ny andro natokana hifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny vondrona SDE (Strategy Development Empowerment), notarihan’ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo. Hetsika izay natao ho fanohizana ny hetsika fanomanana ny “Sommet national des citoyens” na Fihaonamben’ny olompirenena, izay notanterahana teny amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano ny 21 martsa 2015.


Noho ny fahatsapana fa zava-dehibe eto amin’ny firenena ny fanomezana sehatra ho an’ny olompirenena tsirairay, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny antoko politika, ny ny mpianatra sy ireo hery velona rehetra mampiaina sy mampihetsika ny firenena sy ny fiuarahamonina malagasy, sehatra malalaka ahafahana maneho hevitra.

Vondron’olona sy antoko politika maro isan-karazany araka izany no tonga namely sy nandray anjara tamin’ny adihevitra ny sabotsy 13 jona 2015 teo teny amin’ny Pic Vert Ambatobe. Anisan’ny hita teny an-toerana ny solombavambahoaka TGV/Mapar (Jean Brunel Razafitsiandraofa), ny antoko Mpanohitra (Lalatiana Ravololomanana sy Guy Maxime Ralaiseheno), Harinaivo Rasamoelina (DHD), Alain Andriamiseza (MCDM, Otrikafo, ny MONIMA, ny PRDM, ny Grands corps de l’Etat, ny SOLIDE, TAMBATRA, MMM, mpianatra, mpanankato, solontena avy amin’ny faritra maro hafa, ny antoko fivvahan, GLM/VPM-MMM, ny vondron’ireo CST sy CT teo aloha, ny mpiaro ny Zon’ny mpanjifa, sy ireo sendika maro. 700 no isan’ny mpandray anjara izay nasaina izay samy tonga namaly ny antso ankoatra ireo vitsivitsy nandefa fialan-tsiny.



Maro ireo hevitra nisongadina nandritra ny fihaonana toa ny tokony hanarenana ifotony ny firenena, ny fanovana lalampanorenana, ny fandravonana ireo fihaonambe nasionaly sy isam-paritra izay efa natao teto amin’ny firenena nandritra ny tetezamita ka hatramin’izao, ny fanarenana ny filaminana sy ny tontolon’ny tafika Malagasy, ny fitsarana sy ny ady amin’ny kolikoly, ny zon’ny Malagasy manoloana ny fizakamanana sy ny zony hiary sy hisitraka ny tanindrazany tsy hataon’ny hafa ampihimamba, ny fitsinjarana ny andraikitry ny mpanao politika sy anjara asany eto amin’ny firenena, ny fiarahamonim-pirenena sy ny toerany eto amin’ny firenena. Mbola niverina tao ihany koa ny olana mahakasika ny andrim-panjakana misy ankehitriny.



Maro ireo efa nandroso ihany koa soso-kevitra, tao ny efa niandry fanapahan-kevitra avy hatrany satria efa latsaka anaty hantsana lalina ny firenena na teo aza ny ezaka natao hivoahana amin’ny krizy tamin’ny alalan’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka. Tsy fandraisana fanapahan-kevitra anefa no natao hoy ny mpikarakara fa fanangonan-kevitra ihany aloha.


Tsy afa-miandry intsony ny firenena mba hisorohana amin’ny fipoahana ara-tsosialy ka noraisin’ny SDE sy ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo ny andraikitra miaraka amin’ireo rehetra tonga teny an-toerana ka aorian’ny fandravonana ireo hevitra rehetra teny an-toerana dia hiroso amin’ny dingana manaraka ny rehetra handraisana ny fihaonamben’ny olompirenena satria ny olana Malagasy dia mitaky vahaolana Malagasy.

Mis à jour ( Lundi, 15 Juin 2015 07:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30