Asa fa jamba sy marenina mihitsy ity fitondrana Rajaonarimampianina sy ireo olom-boatendry manodidina azy, fa tena mahavalalanina mihitsy ny mandre fa sady mpandresy daholo no saikazan’ny mpandresy ary tena arovan’ny Lafrantsa reny malala. Dia avily ilay resaka Frankofonia. Toa tsy mahay miteny frantsay tokoa va re sady tsy mahalala ny atao hoe diplomasia? Ka ankoatra ny resaka maivana be alefan’ireto milaza fa mpitondra fanjakana ireto, dia ireto manaraka ireto ny nambaran’ny Filoha frantsay François Hollande mikasika io Frankofonia io.
« La Francophonie c’est aussi des valeurs politiques. La démocratie et les droits de l’homme, les droits de la femme sont les conditions pour être pleinement membre de la Francophonie. Etre Francophone, ce n’est pas simplement parler le français, c’est parler les valeurs universelles. Et, parmi ces valeurs universelles, c’est la transparence dans les élections, c’est le respect de l’ordre constitutionnel (…) ».
DIKA-TENY MALAGASY
Ny Frankofonia koa dia zava-sarobidy eo aminy lafin’ny politika. Ny demokrasia sy ny zon’olombelona, ny zon’ny vehivavy dia fepetra tsy azo diovirana raha te-hiditra mpikambana feno ao anatin’ny Frankofonia. Tsy hoe ny fahaizana miteny frantsay ihany no atao hoe Frankofôna fa misy resaka iombon’izao tontolo izao. Ao anatin’izany ny fangaraharahan’ny fifidiana, ny fanajana rafitra misy sy voasoratra ao amin’ny Lalampanorenena.
Dia tsy nisy tranon-kenatra tokoa moa ny Filoha Rajaonarimampianina nipetraka teo akaikin’Andriamatoa Hollande, tamin’izy nanazavany izany rehetra izany. Asa? Mihevitra tokoa izy fa voaaja daholo izany eto Madagasikara ankehitriny? Dia izaho manoratra sy ianao mamaky no mivadika ati-doha? Tsiahy:
Jean Eric Rakotoarisoa sy ny ilay filoha tsy maintsy arovana... Tsy maintsy tokoa ve? (TSINDRIO ETO INDRINDRA FA I LAMBO TAHIRI NO NANORATRA)
Demokrasia sy Fanajana ny Lalampanorenana? Vao nanomboka nitondra anie izy dia ny fanitsahana ny lalampanorenan’ny repoblika faha-IX no nandaniana ny androny mba nitadiavana maro an’isa ao Tsimbazaza. Fantatrareo tsara izany hoe «mallettes» izany… Isaorana koa ingahy Jean-Eric Rakotoarisoa filohan’ny HCC amin’izao fotoana izao satria naleviny tanteraka ny atao hoe «mandat impératif» voasoratra ao anaty lalanà fototra. Santionany fotsiny izany
Zon’olombelona? Hanontanio ingahy Jeneraly Florens, fa mpanongam-panjakana daholo izay te-haneho hevitra eto Madagasikara. Fa tahotra ny vazaha mena sofina no nafahan’ny MLE sy Wake Up nanao ny fihetsiketsehany, ny sabotsy 26 novambra teo. Amin’izay tena zandary vao miofana («gendarmes stagiaires») no nalefa. Ô rankizy a! Ireo Malagasy tadiavinareo darohina satria nahazo baiko ireo anie no mandoha ny karamanareo e !
«Mémoire et solidarité». Izany hoe: Tsiahy sy Firaisankina. Tena nampalahelo mihitsy ny nanaovana an'ity Ramatoa ity sy vehivavy hafa tonga teo Anosy. Tena nahasolo fanasana («invitation») tanteraka io karatra io tao amin'ny Anjely mainty e! Indrindra fa lanonana natao fahatsiarovana ireo namoy ny ainy niaro an'i Lafrantsa. Ary nisian'ny fahatongavan'ny Filoham-pirenena frantsay ankehitriny. Fa tahotra vazaha no betsaka
Aizave ka dia manao akanjo «cérémonie» be izao ilay Jeneraly kanefa dia mbola manao «service d'ordre» ihany? F'ahoana marina e? Maninona no mampitombo ny alahelom-bahoaka amina fepetra mira baiko sonegaly?
Zon’ny vehivavy? Jereo (ETO) ity nataon'ny Jeneraly Florens Rakotomahanina anie e! Vehivavy anie ireo, ankoatra ny maha vady sy zanaka navelana be kotro maro holatra e! Mon Général! Il y a toujours une exception à la règle!
Dia voatendry Praiminisitra soa aman-tsara ilay olona niteny io vakinao ambony io. Lalina izany an!
Fifidianana mangarahara? Henohy tsara io horonam-peo ambony io. Tsy misy dikany ihany koa izany hoe tsy mahazo manao fifidianana ao anaty fotoanan’ny fahavartra. Ka vita iny ny fihaonam-ben’ny Frankofonia faha-16 iny. Miverina amin’ny andavandro indray ny Malagasy. Inona ny niova ary inona ny hiova? « Kely finoana izahay », hoy ny ankamaroan’ny vahoaka manerana ny lafi-valon’ny Nosy satria trosa no ho baben’ny taranaka ary vidim-piainana midangina no hiseho tsy ho ela.
Tsetsatsetsa tsy aritra io ambony io: vao tapitra io fihaonam-ben’ny Frankofonia io dia avy be ny orana ny alin’ny alahady 27 Novambra teo. Jereo anie ity hoe lalà na tena raitra dia raitra e!? Mbola rahoviana vao ho tapitra anefa ny fahavaratra? Natao peta-toko sy maika tsy faingana mira Herim-po very maina. Hvm e!... Ilay orinasa sinoa namboatra moa hafa-baraka ihany koa ary mety tsy hahazo vola mihitsy…
Jeannot Ramambazafy – 28 Novambra 2016