]
Les quotidiens du 24 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Ntsay Christian tao Anosy: fifidianana ihany ary fifidiana hatrany raha fitinina ny kabariny

Ntsay Christian tao Anosy: fifidianana ihany ary fifidiana hatrany raha fitinina ny kabariny

Antananarivo, 26 Jolay 2016. Kabarin’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ireo Préfets sy Lehiben’ny distrika, tao amin’ny ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ao Anosy

Tompokolahy sy tompokovavy,

Hafaliana ho ahy tokoa ny mifankahita amintsika rehetra, izay tomponandraikitra avy amin’ny lafintany. Zava-dehibe tokoa ny androany, fotoana izay ahafahantsika mifampiresaka mivantana ary indrindra mifampihaino. Fotoana izay manan-danja ary apetraka eo ambanin’ny fandraisantsika andraikitra eto anivon’ny tany sy ny fanjakana.

Averiko ombieniombieny, fa izao governemanta izao dia tsotra, mazava ary tokana ny tanjona nametrahana azy, dia ny fanomanana ny fifidianana. Aoka hazava amintsika rehetra ny mahakasika izany, ny hevitra tera-bary, ny olona rehetra samy manana ny fahalalahany maneho ny heviny fa ny anjara asa, adidy, andraikitra miandry ny governemanta, eny ianareo koa dia ny firosoana amin’ny fanomanana ny fifidianana. Ka manamafy izany ny tenako, mba tsy havilivily amin’ny hevitra hafa na amin’ny soson-kevitra hafa ny asa aman’andraikitra izay sahanintsika fa dia tokony havoitra ary hamafisina amin’izay tanjona iraisana izay.

Amin’izany fanomanana fifidianana izany, dia tao anatin’ny fandaharanasan’ny governemanta amin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana dia misy teboka telo lehibe tsy maintsy ho raisintsika ho torolalana mba ahafahantsika manatanteraka izany :

Voalohany dia ny fitoniana, izay tsy anjara asan’ny Praiminisitra, na ny Minisitra fotsiny fa anjara asanareo, na préfets, na chefs de district, na ireo tomponandaikitra rehetra eo amin’ny lafintany rehetra manerana ny Nosy. Matetika ny zavatra henoko dia tsy mahavaha olana io Praiminisitra io. Nahoana no ny Praiminisitra irery no natao hamaha ny olona fa tsy misy fifandrombonana amin’izany? Ahoana ny ahafahan’ny Praiminisitra haka fanapahan-kevitra amin’ny zavatra iray raha toa ka miraviravy tanana ny mpiara-miasa aminy ary tsy mandray andraikitra? Ny fitoniana dia asa andavanandrotsika, hitantsika ny olana misy eo amin’ny sehatra maro, fantantsika fa tao anatin’ny roa volana lasa izay dia 31 ny départements ministeriels izay nanana olana, satria nikatso ny raharaham-panjakana, amin’izao fotoana izao, 04 sisa. Amin’izao fotoana izao dia miisa 30 ny ministera ny dikan’izany dia 26 izany no efa voavaha ny olany. Amin’izay 04 izay dia misy anjara toerana, misy anjara asa izay tokony sahanintsika ao amin’ny lafintany. Ny fitoniana izany dia tsy baranahany, fahaizantsika mifanakalo hevitra, mametraka ny atao hoe dinika sôsialy, na dinika ankapobeny mba ahafahana miheno fa indrindra mijery ny vahaolana mifanandrify amin’ny anjara asantsika tsirairay.

Ny zava-misy any amin’ny faritra sasany, ny ankizy izay tia hanao fanadinana dia sakanana, kanefa mijery fotsiny isika tomponandraikitra. Ny arabe izay tokony hifamezivezena raha ny tokony ho izy dia bahanana, kanefa dia mijery fotsiny isika tomponandraikitra. Ny fitoniana dia fifampiresahana kanefa ao anatin’ny fanajana ny didy aman-dalàna, ary manana andraikitra amin’izany isika rehetra izao. Satria isika izao no mametraka ny fahefam-panjakana any amin’ny toerana misy antsika, nanaiky izany isika tamin’ny asa sahanintsika sy nanendrena antsika tsirairay.

Ny faharoa dia ny mahakasika ny fandriampahalemana, fantantsika izany fa goragora eto amin’ny tany sy ny fanjakana, tsy mahamenatra ny miteny izany. Ny fahaizana mahatsapa fa izay tokoa ny zava-misy, satria rà Malagasy, aina Malagasy no latsaka, vokatry ny asan-jiolahy, ny asan-dahalo, ireo trafika maro isan-karazany, ao koa ny kidnapping sns. Ahoana moa no ahafahantsika mijery fotsiny ary tsy mahafantatra ny paikady tokony ho raisina mahakasika izany zavatra izany kanefa manana andraikitra isika rehetra manoloana izany.

Amin’izany fandriampahalemana izany dia zavatra efatra no tokony apetrak’isika manomboka izao :

· Tsy maintsy averina ny hasin’ny fahefam-panjakana, izay miankina amintsika izao. Matoa tsy misy intsony izany hasin’ny fahefam-panjakana izany, miainga any ifotony ka hatrany ambony dia manana anjara andraikitra amin’izany isika rehetra izao. Ahoana ny ahafahana mametraka izany raha ao anatin’ny kolikoly sy ny tsolotra ny zavatra ataontsika amin’ny andavanandro. Ahoana no ahafahantsika mametraka izany hasina izany raha tsy hita akory ny leadership-tsika satria rehefa misy ny olana dia apetratsika ho an’ny mpitandro ny filaminana fotsiny ihany ny fisedrana sy famahana ireny olana isankarazany ireny. Ahoana ny hamerenena izany raha isika izao, indrindra eo amin’ny fitondrantenantsika, tsy mendrika omena izany hasina izany. Ny didy aman-dalàna misy rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana dia mametraka fa ny fibaikona ary ny fandraisana andraikitra eo amin’ny sehatra rehetra amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana rehetra dia tokony ipetraka, manana adidy amin’izany isika rehetra ireo. Mila mampiseho isika fa tena misy tokoa izany fahefam-panjakana izany eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

· Miankina amin’ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana, ny zava-misy matetika, raha vao miteny isika hoe tsy mandrifahalemana ny tany, ny olona tonga dia miheritreritra fa ny mpitandro filaminana no tsy manao ny asany. Kanefa isika fahefam-panjakana no tokony anontaniana voalohany amin’izany. Ny mpitandro filaminana dia fitaovana, ny rafitra rehetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana dia mametraka izany, fitaovana eo ampelantanantsika ary isika no mandrindra ny asan’ny mpitandro filaminana, an-tanandehibe ny polisy, any ambanivohitra ny zandary ary manome tanana ny tafika. Ny zava-misy dia miasa tsirairay, “en stylo” no filazako azy, ireny mpitandro ny filaminana ireny, ny antony dia tsotra, tsy hita taratra intsony ny fandrindrantsika ny asa miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana. Manana “système de renseignements cloisonné” daholo izy rehetra. Ary izay no mahatonga ny tsy fipetrahan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny mpitondra amin’ny ambaratonga rehetra any. Isika fahefam-panjakana no tokony ho tomponandraikitra voalohany amin’izany fandriampahalemana izany. Mila “obligation de résultats” isika, tsy azo ekena mihitsy izany hoe misy manampahefana amin’ny toerana iray ka tsy manana statistique amin’ireo asan-dahalo fa ny fahatsapan’olona fotsiny no ahafantarana fa miakatra ny tahan’ny tsy fandriampahalemana. Angatahana foana ny fametrahana ny DAS sy ireo hery fiarovana isan-karazany kanefa ny omaly tsy miova ihany ny tsy fandriampahalemana, tsy misy fiovana amin’ireo toerana izay anjakan’ny asan-dahalo ireny. Ahoana ny hisian’ireny halatr’omby sy famotsiana omby maro ireny. Misy “délégué administrative” eo amin’ny toerana efa ho 15 – 20 taona dia tsy kitihana mihitsy izy ireny, inona ny antony? Fanontanina mipetraka amintsika daholo ireny zavatra rehetra ireny, ary matoa miseho dia misy andraikitra tsy noraisintsika tao anatiny. Inona ny olana amintsika? Fantatry ny olona rehetra zava-misy, ka maninona isika tomponandraikitra mody miseho tsy mahalala ny nahatonga izao tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana izao? ny zavatra ohatran’izany tsy azoko ekena: Madagasikara tsy voatery tsy maintsy hahantra toy izao, na ho lo ny hasin’ny fahefam-panjankana. Izay no mahatonga ahy hanao antso avo aminareo satria tomponandraikitra amin’izany isika tsy an-kanavaka amin’ny tokony hamerenana izany.

Ny asan’ny Fitsarana izay zava-dehibe tokoa. Raha toa ka te hametraka izany fandriampahalemana izany isika dia ny asan’ny Fitsarana no tokony hapetraka amin’ny tokony ho izy, ny fitsarana tsy tokony hitanila, tokony ho haingam-piasa mba hahafantsika manodina ny asa amin’ny tokony ho izy sy ahitam-bokany.

· Fantantsika fa ny “procureur” dia “officier supérieur de police judiciaire” ary ny “officier de police judiciaire” dia tsy azon’ny procureur baikona intson. Ny antony dia be dia be ny tsolotra, be ny tsy firaharahiana ny hasin’ny vahoaka Malagasy, ka nahatonga ny olana rehetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ary ny manery antsika hanorina. Izany fanorenena fototra izany tompokolahy sy tompokovavy dia manomboka amin’izany: tsy voatery hanova lalàmpanorenana foana isika vao hanorina ifotony. Ny fanorenena ifotony izany dia zavatra madinika ataontsika andavanandro amin’ny fandraisantsika andraikitra, izay no mahatonga ahy miteny hoe raha te hanorina tena filaminam-bahoaka izany isika dia tsy maintsy manomboka amin’ny fanaovana zavatra kely dia kely amin’ny fanajana ny lalàna misy. Hitako amin’ny fandaharana ataonareo ao fa mijery ny rijan-teny mba ahafahantsika miasa ao anatin’ny fanajana ny didy aman-dalàna mifehy ny tany sy ny fanjakana. Raha tiantsika ny hisian’ny fandriampahalemana maharitra mandritra izao fifidianana izao dia tsy maintsy hojerena ny fandaminana ny asa.

· Ny fitokiasana eo amin’ny vahoaka, ahoana moa ny handinihina ny zavatra ohatra izao mandrindra ny roa herinandro, olona folo, olona roapolo, olona zato no mikonokonona hanafika tanàna dimy na enina na folo dia tsy misy olona mahalala akory an’izany toe-javatra izany. Tsy marina izany, raha eto Madagasikara dia fantatra foana ny mahakasika an’izany. Ny dikany dia efa misy ny fahaverezam-pitokisana eo amin’ny vahoaka, eo amin’ny andrimason-pokonolona, eo amin’ireny “comité de vigilance” sy ny mpitondra. Eo amin’ny fitsarana ireo olon-dratsy indray, dia ny olona izay mitondra fanampim-baovao indray no tondroina satria ohatra ny hoe manahirana eo amin’ny fandaminana ny asa izay tsy mety. Koa eto aho dia te-hanamafy an’izany ny hoe mila “discernement” sy ”engagement” ihany koa izany, mila fahafahantsika rehetra tena handray andraikitra tokoa, hanana fahasahiana handray andraikitra amin’ny toerana misy antsika satria tsy azoko atao intsony ny miteny hoe izao no zavatra atao na efa vitanay, … ny zavatra tsy maintsy jerentsika manomboka izao dia inona ny vokany? Mihena ve ny asan-dahalo? Mihena ve ny asan-jiolahy? hotsaraina amin’izany ny asantsika.

Ary fahatelo, dia ny fitantanana amin’ny ankapobeny dia mila fahasahiana ihany koa. Mbola ao anatin’izany fitantanana izany ny ady amin’ny kolikoly, tiako ny manamafy an’izany satria ity kolikoly ity dia efa zavatra voalaza ombieny ombieny, lasa resaka fotsiny fa tsy misy fampiharana azy. Fantatsika izao fa mipetraka ny pole anti-corruption eto Antananarivo ary hipetraka tsy ho ela ny any Toamasina, ny any Fianarantsoa, midika izany fa matoa ireny fandaminana ireny natao dia mba hahafahana mamerina izany hoe tena fitantanana mahomby sy madio izany. Tsy sarotra ny miteny an’izany, hoe nahoana moa, na ny fiarantsika fotsiny aza, dia tsy sahintsika atao takelaka mena. Noheveriko fa efa nataonareo, zavatra kely dia kely, indrindra ireo Chefs de Districts sy Préfets, ho takelaka mena ny fiaranareo ireo. Ny zava-dehibe mantsy dia tsotra, ary ny zava-dehibe amiko dia tsy maintsy modely izany solon-tenam-panjakana izany, ary modely amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fahasahiana ihany koa.

Mino sy manantena aho fa ao anatin’izany lamina apetraka izany dia ho haintsika ny mandray ny andraikitra tandrify an’izany. Tsy voatery ny Praiminisitra no haka fanapahan-kevitra, ary tsy ho dila an’ity volana ity ny mahakasika izany. Nomena iray volana ny olona rehetra mba hanatanteraka an-tsakany sy an-davany an’izany fanovana takelaka izany. Tapitra ny volana, dia heveriko fa mpifankatia tsy mifamarafara ka ady no hiafarany. Tsy ao an-tsaiko mihintsy ny hiady na amin’iza na amin’iza, fa ny kendreko dia ny hampanjaka ny fanombohana ny fanavaozana ny fitantanana, ka mino sy manantena an’izany aho satria solontenam-panjakana isika rehetra izao. Manaraka ny toromarika efa nomena ny any amin’ny Faritra sy Distrika. Ao anatin’izany fanatsarana ny fitantanana izany dia tiako hamafisina ny zavatra efa nolazaiko ombieny ombieny, dia ny tsy fiandanian’ny mpiasam-panjakana. Mazava fa tsy ekena mihintsy ny fiandanian’ny lehiben’ny Distrika, ny “Préfet” ary ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ny fanomanana ny fifidianana dia milalao politika. Rehefa manao politika ianao dia miteny hoe avelao izaho hivoaka, rehefa hilalao politika ianao ao anatin’ny lamina sy ny fandaminana rehetra rehetra mahakasika ny fifidianana dia tsy te-haheno an’iznay mihitsy ny tenako ary izany anisan’ny antony nahatongavako aty aminareo mba hoy izaho teo hoe fitia tsy mifamarafara ka ady no hiafarany.

Izao fifidianana izao dia tarafin’ny olona maro dia maro, tarafin’ny Malagasy voalohany indrindra, tarafin’izay mpiara-miombon’antoka amintsika. Filalaovana politika eo anivon’ny fitantanana izany dia tsy tokony ho hisy intsony, hapetrako mazava tsara ny mikasika an’izany fa indrindra indrindra ny aty amin’ny atitany izay fantatrareo tsara fa tomponandraikitra isika eo amin’ny fikirakirana mikasika ny fifidianana. Eo ny hahitana fa tena olona manaja ny soatovina maha “ administrateur civil” anareo ianareo, azo omena any tokoa ve ny tsy fiandanian’ny mpitondra amin’ny fanomanana ny fifidianana. Betsaka ny zavatra heno mikasika ny lisi-pifidianana, betsaka ireo kitoatoa na filalaovana ny fandrafetana azy io, toy ny olana amin’ny fanaovana karapanondro, ho an’ireo tanora feno taona. Anjaranareo no mamantatra hoe inona no zavatra nokitihina tao anatin’izany lisi-pifidianana izany, sy miantoka ny fahadiovany eo anivon’ny fari-piadidinareo avy. Takiana aminareo izany satria maro ireo mpanaramaso amin’izany sehatra izany, indrindra fa ireo solontenan’ny kandida, ary voafaritry ny lalàna izany. Ny filalaovana ny lisi-pifidianana dia hiteraka zava-doza eto anivon’ny firenena.

Mahakasika ny kara-pifidianana indray, manana andraikitra lehibe koa isika, indrindra amin’ny fomba hitantanantsika ny fizarana azy io. Satria efa maro ny ahiahin’ny olona miainga amin’ny lisi-pifidianana. Anjarantsika koa ny mijery ny mikasika izany, raha misy ny lisi-pifidianana goragora na namboamboarina, na koa karapanondro na “jugement supplétif” namboarina. Ka fantatrareo izany ny tokony hatao satria tsy rariny ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka. Tokony hazava aminareo izany atao hoe fifidianana madio izany satria iankinan’ny Firenentsika ary amin’ny alalan’ny fifidianana no ahazoana fampandrosoana sy fampivoarana.

Izay rehetra izay no natao mba haha-tompon’andraikitra sahy antsika, sahy mijoro ao anatin’ny tsy fitanilàna sy ny mangarahara mba ho tena reharehan’i Madagasikara tokoa isika tompon’andraikitra rehetra manatrika eto androany.

Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy

Mis Ă  jour ( Jeudi, 26 Juillet 2018 19:38 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024