]
Les quotidiens du 04 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Papa François. Ny kabariny teny italianina tao Iavoloha, nadika teny malagasy

Papa François. Ny kabariny teny italianina tao Iavoloha, nadika teny malagasy

Andriamatoa Filoha,

Andriamatoa Praiministra,

Ramatoa sy Andriamatoa isany mambra ao amin'ny Governemanta sy ny Masoivoho,

Ianareo manam-pahefana ambony,

Ianareo Solontenan'ireo finoana samihafa sy ny fiaraha-monim-pirenena,

Tompokovavy sy Tompokolahy,

Miarahaba amin'ny fo an'Andriamatoa Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara ary misaotra azy aho noho ny fanasany feno fitiavana mba hamangy ity tany mahafinaritra ity, sy tamin'ny teny fandraisana nataony ahy. Miarahaba ihany koa ny Praiministra ny tenako, ireo mambran'ny Governemanta, ny Masoivoho ary ireo solontenan'ny Fiaraha-monim-pirenena. Ary dia manolotra amim-pirahalahiana ny arahaba amin'ireo Eveka, amin'ireo mambran'ny Fiangonana Katolika, amin'ireo Solontenan'ny Finoana kristianina hafa sy ny Fivavahana hafa.

Misaotra an'ireo olon-drehetra sy amin'ireo andrim-panjaka izay nahatonga izao fitsidihina izao ho tanteraka, indrindra ny vahoaka malagasy izay mandray anay amin'ny fahaiza-mandray vahiny miavaka tokoa.


Ao amin'ny Savaranonandon'ny Lalampanorenan'ny Repoblika malagasy, dia nataonareo izay hanamarihana toy ny tombo-kase ny iray amin'ireo soatoavin'ny kolontsaina malagasy: ny “Fihavanana”, izay mampahatsiaro ny toe-tsainan'ny fifampizarana, ny fifafampiana ary ny firaisan-kina. Tafiditra amin'izany koa ny maha zava-dehibe ny rohy mampifandray ny fianakaviana, ny fifankatiavana sy ny halemem-panahy amin'ny samy olona sy amin'ny zava-boaary. Amin'izay no isehoan'ilay '”Fanahy” malagasy sy ireo toetra mampiavaka azy, mamaritra azy sy mahatonga azy hanohitra amin-kasahiana sy amim-pahafoizan-tena ireo hakiviana sy olana atrehiny isan'andro. Raha tsy maintsy ekentsika; omentsika lanja ary hankamamiantsika ity tany voatso-drano ity noho ny hatsàrany sy ny harena voajanahary tsy hita pesimpesenina ananany, tsy azo hamaivanana koa ny manome lanja amin'ilay “fanahy maha-malagasy” izay manome anareo ny hery mba hiaro ny “aina”, araka ny nampahatsiahivin'i Mompera Antoine de Padoue Rahajarizafy, zezoita.

Hatramin'ny nahazoan'ny firenenareo ny fahalehovantena dia naniry ny hiaina ao anatin'ny filaminana sy ny fandriampahalemana izy, ka niroso tamin'ny fifandimbiasana demokratika tsy nisy raorao izay nanehoana ny fanjana ny fifamenoan'ireo fomba fitantanana sy ireo vina. Ary izany dia mampiseho fa “ny politika dia fitaovana fototra enti-manandratra ny maha olom-pirenena sy ireo vina momba ny olombelona” (Hafatra amin'ny fankalazana ny faha-52 taonan'ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Fandriampahalemana, 1 Janoary 2019), rehefa iainana ho toy ny fahasoavana ny ankohonamben'ny olombelona. Mazava ho azy ary fa ny asa sy ny andraikitra politika dia miteraka fanamby maharitra ho an'ireo izay nomena iraka mba hanompo sy hiaro ireo mpiray tanindrazana aminy, indrindra ireo izay marefo, ka hanamora ny hisian'ny fepetra ho amin'ny fivoarana mendrika sy marina, izay manosika ireo mpisehatra ao amin'ny fiarahamonim-pirenena handray andraikitra. Satria, araka ny nampahatsiahivin'i Masindahy Paoly faha-6, ny fivoaran'ny firenena iray “dia tsy azo boriboriana fotsiny amin'ny fomba tsotra amin'ny fitombon'ny harin-karena. Fa raha tiana ny hisian'ny fivoarana marina, dia tsy maintsy ho feno izy, izany hoe mampivoatra ny olon-dehetra ary ny olona manontolo” (Ansiklika Populorum Progressio, laharana faha-14).


Ka araka izay fijery izay dia mankahery anareo aho mba hiady amin'ny herinareo sy amin'ny finiavanareo hanohitra ireo endriky ny areti-maharitry ny kolikoly sy ny fitadiavana tombo-tsoa izay mampitombo ny fahasamihafana ara-tsosialy ary mankahery anareo hiatrika ireo trangam-piainana tena mangozohozo sy trangam-piainan'ny fanilihana izay miteraka mandrakariva ireo anton'ny fahantrana tsy zakan'ny olombelona. Izay no tsy maintsy hanorenana ireo rafitra elanelam-panahy izay afaka miantoka ny fitsinjaràna tsaratsara kokoa ny vokatry ny asa ary ny fampivoarana feno ny fari-piainan'ny mponina, indrindra ireo tena mahantra. Izany fampivoarana izany dia tsy mihanona amin'ny fanomezana fanampiana, fa mitaky ny fankatoavana ireo izay manan-jo ka voaantso handray anjara amin'ny fanorenana ny ho aviny (Cf. Evangelii gaudium, 204-205).

Ary tsy izany ihany fa fantatsika fa tsy afaka ny hiresaka fivoarana feno isika raha tsy mijery akaiky sy miahy ny Tranobe iombonantsika. Tsy hoe hitady izay fomba hiarovana ireo harena voajanahary fotsiny isika, fa hitady “izay vahaolana feno manome lanja ireo lamina voajanahary amin'izy samy izy sy miaraka amin'ny lamina ara-sosialy. Tsy misy krizy misaraka izany, ka ny iray mahakasina ny tontolo iainana ary ny iray ara-tsosialy, fa iray ihany satria mifamahofaho, sady krizy sosialy no krizin'ny tontolo iainana” (Ansiklika Ho deraina anie ianao, 139).


Ity Nosin'i Madagasikara tsara tarehy ity dia manankarena amin'ny zava-manan'aina maro karazana, ny zava-maniry sy ny biby, ary izany harena izany anefa dia tandindomin-doza vokatry ny faharavan'ny ala efa tafahoatra noho ny tombon-tsoan'ny olom-bitsy; manohintohina ny ho avin'ny firenena sy ny Tranobe iombonantsika ny fahasimbany. Araka ny fantatrareo, ireo ala sisa tavela dia tandindomin-doza noho ny afo, ny fandripahana tsy ara-dalàna ary ny fikapàna tsy misy fetra ireo hazo sarobidy. Ireo zava-manan'aina maro karazana na ny zava-maniry na ny biby dia tandindomin-doza noho ny fanaovana asa antsokosoko sy ny fanondranana any ivelany tsy ara-dalàna. Marina koa anefa fa ny ankamaroan'ireo asa manimba ny tontolo iainana dia ireo izay miantoka amin'ny fotoana tsy maharitra ny fiveloman'ireo mponina voakasik'izany. Noho izany dia zava-dehibe tokoa ny mamorona asa sy fihariana ahazoam-bola izay manaja ny tontolo iainana sy manampy ireo olona hiala amin'ny fahantrana.

Raha lazaina amin'ny teny hafa, tsy hisy ny tena fijery ekolôjika marina na asa mivaingana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana raha tsy ampidirina ao ny rariny sy ny hitsiny ara-tsosialy izay manome ny zo amin'ny fampiàsana iombonanany haren'ny tany amin'ny taranaka ankehitrio sy amin'ireo taranaka any aoriana.


Tsy maintsy mirotsaka isika rehetra amin'io làlana io, ka tafiditra amin'izany ny ankohonana iraisam-pirenena. Maro amin'ireo solontenany no tonga eto androany. Tokony ho fantatra anefa fa ny fanampiana omen'ireo fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana ny firenena dia goavana ary mampibaribary eto ivelany ny fivelaran'i Madagasikara amin'ny tontolo manodidina. Izany fivelarana izany dia atahorana hivadika ho “kolotsaina iambohoana ho tokana mahenika izao tontolo izao” izay manambany, mandevona ary mamono ny harena ara-kolotsain'ny vahoaka. Ny fanatontoloana ara-toekarena izay mihamazava hatrany ny fetrany dia tsy tokony hiteraka fampitoviana ho lasitra iray ny kolotsaina.

Raha mandray anjara amin'ny zotram-piovàna isika ka manaja ny laharam-pamehana sy ny fomba fiainan'ny tompon-tany ary amin'izany dia ho tanterahina ireo zavatra andrasan'ny olom-pirenena, tsy maintsy mihezaka isika mba tsy ho lasa antoka tokana amin'ny fampandrosoana ny firenena ny fanampiana omen'ny ankohonana iraisam-pirenana; ny vahoaka ao amin'ny firenena ihany mandray an-tànana tsikelikely ny fampandrosoana, ka manjary tompon'antoka amin'ny ho aviny.


Noho izany, tsy maintsy mihaino sy maneho fanajana manokana ny fiaraha-monim-pirenena eo an-toerana isika. Raha manohana ireo fandraisany andraikitra sy ireo asany isika, ny feon'ireo tsy manam-peo, dia ho heno bebe kokoa tahaka izany koa ireo endrika samihafa ahitàna firindràna, eny fa na dia mifanohitra aza, eo anivon'ny ankohonam-pirenena izay mikatsaka ny fiombonana. Manainga anareo aho mba hihevitra izay làlan-kizorana ahitàna fa tsy misy olona na iray aza azo ailika, na mandeha irery na very.

Amin'ny maha-Fiangonana antsika, dia tokony halain-tahaka ny fihetsiky ny mpiray tanindrazana aminareo, amin'ny fahazainy mifanakalo hevitra. Tsy iza fa ny Olon-tsambatra Victoire Rasoamanarivo izay nasandratr'i ny Masindahy Joany Paoly Faharoa amin'io laharana io, tamin'ny fitsidihana nataony telopolo taona lasa izay. Ny fijoroany ho vavolombelon'ny fitiavany ny tanindrazany sy ny lovam-panahy ao aminy, ny fanampiana an'ireo faraidiny izay famantarana ny finoana an'i Jesoa Kristy no manondro antsika ilay làlana izay iantsoana antsika ihany koa mba halehantsika.

Andriamatoa Filoha,

Ramatoa sy Andriamatoa isany,

Tiako ny manambara indray ny finiavana sy ny fahavononan'ny Fiangonana Katolika eto Madagasikara amin'ny hitondrany ny anjara birikiny amin'ny fanorenana ny firahalahiana marina izay manome lanja mandrakariva ny “Fihavanana”, ka manome sehatra ny fivoaran'ny olona manontolo, mba tsy hisy olona na iray aza voailika, ary izany dia ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra maharitra amin'ireo kristianina hafa finoana sy amin'ireo mambran'ireo fivavahana samihafa ary amin'ny mpisehatra rehetra ao amin'ny fiaraha-monim-pirenena.

Ao anatin'izany fanantenana izany no italahoako amin'Andriamanitra mba hitso-drano an'i Madagasikarasy ireo monina ao, mba hitahy ity Nosy Mahafinaritra ity milamina sady mahay mandray ary mba hahatonga azy handroso sy hiadana!

Holy See Press Office

Iavoloha, 07 Septambra 2019


Mis à jour ( Mercredi, 11 Septembre 2019 09:57 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024