]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier New-York, ONU. Filoha Andry Rajoelina : tsy nitsitsy fa nahitsy momban’ireo Nosy Malagasy

New-York, ONU. Filoha Andry Rajoelina : tsy nitsitsy fa nahitsy momban’ireo Nosy Malagasy

Maro no niandry ny kabarin’ny Filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, tamin’ny fandraisany anjary, ny 22 Septambra 2021, izay tafiditra tao anatin’ny Fivorian-dehibe faha-76 tontosaina ao New York, ny 21 ka hatramin’ny 27 Septambra 2021.

« No comment », hoy ny teny anglisy ka aleo tonga dia adikako teny malagasy malalaka (« free traduction ») ny voalazany tamin’ny teny frantsay, momba ireo Nosy Malagasy ireo. Lasa ary isika.

« Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny vato fototry ny fipoiran’ny fampandrosoana maharitra dia ny Fiandrianam-pirenena sy ny Firaisan-kina. Anisan’ireo adihevitra momba ireo ka mikasika manokana an’i Madagasiraka dia ny resaka Nosy Malagasy. Ratra sy fery mbola tsy mikatona ao am-pon’ny fireneko sy ny vahoakako ny momba ireo.

Nisy ny dingana nataon’ny La Frantsa momban’ny fanaperana ny fanjanahantan’i Madagasikara, ny taona 1945, tany San Francisco (Ndt : Etazonia). Fa 15 taona taty aoriana, ny taona 1960 izany, vao naverina ny Fahaleovantena. Hatreto aloha dia toa saritsarina fialana amin’io fanjanahantany fotsiny ihany no misy satria mbola mitoetra io olana mikasika ireo Nosy Malagasy ireo.

Kanefa nisy fanapahankevitra roa mazava navoakan’ny Fivoriam-ben’ny Firenena mikambana. Ny voalohany, ny taona 1979, dia ny fangatahiny an’i La Frantsa ny fanafainganana tsy misy atak’andro ny fifampiraharahana amin’i Madagasikara, amin’ny famerenana ireo Nosy ireo izay nosarahina tamin’i Madagasikara, amina fomba jadona. Ny faharoa, ny taona 1980. Teto dia nanipika ny alahelony ny Fivoriam-ben’ny Firenena mikambana satria tsy nampiarina mihitsy ilay fanapahan-kevitra 34/91, ary nanambara fa tokony hampiarina faran’izay aingana indrindra.

Ankehitriny, 42 taona aorian’ireo fanapahankevitry ny Firenena Mikambana roa ireo, dia napetraky ny tenako sy ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron, ny komisiona Malagasy-Frantsay, ho fiaraha-midinika ny firenena roa tonta ny momba ireo Nosy ireo. Manam-pinoana ny tenako fa hitondra vahaolana ara-drariny lavitry ny tebiteby ny asan’io kaomisiona na voamiera malagasy-frantsay io. Ary manasa ny fikambanan-tsika, ny Firenena Mikambana izany, mba andray ny anjara feno ananany eo amin’ny fanaraha-maso ny asa rehetra ao anatin’ny ara-dalàna sy ny tsy fitanilana.

Madagasikara dia tsy manana na hery na tafondro na ihany koa finiavana hanangana ady na amin’iza na amin’iza. Ny mibaikon’ny fonay dia ny ara-drariny sy ny ara-dalàna ary indrindrindra ny zonay hitondra ny ho avin’ny tanindrazanay ».

Dikan-teny malalaka : Jeannot Ramambazafy

Iraka manokana ho an’i Madagate

Mis à jour ( Vendredi, 05 Novembre 2021 05:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...