]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Toamasina. Fanatanjahantena mampivelatra sy fahalalana ho an'ny ankizy

Toamasina. Fanatanjahantena mampivelatra sy fahalalana ho an'ny ankizy

Notontosaina ny Alahady 20 Oktobra 2019 lasa teo, ny lanonam-pamaranana ny fanatanjahan-tena an-tsekoly (“Sport scolaire”) andiany faha-27, izay nampitondraina ny anarana hoe « Sorongôla », natao tao amin’ny Renivohitr’i Toamasina, faritra Atsinanana. Naharitra fito andro ny hetsika, dia ny 14 Oktobra 2019, ka hatramin’ny 20 Oktobra 2019 teo, ary nahitana ny fandraisan’ireo mpianatra avy tamin’ireo faritra miisa 23 anjara. Taranja ara-panatanjahan-tena maro, no natao tamin’izany, toy ny volley-ball sokajy zazavavy sy zazalahy ; ny taranja baolina kitra, izay nahitana sokajy zazavavy sy zazalahy ihany koa. Teo koa ny taranja « Athlétisme ».

Sabotsy 19 Oktobra ny lalao famaranana teo amin’ny taranja baolina kitra lahy sy vavy, tamin’ity fanatanjahan-tena an-tsekoly ity. Nahazo ny voalohany teo amin’ny sokajy zazavavy ny avy amin’ny DRENETP Analanjirofo, faharoa ny DIANA, ary fahatelo Boeny. Sokajy lehilahy indray dia ny DRENETP Atsinanana no nahazo ny amboara, faharoa Boeny, ary fahatelo ny Atsimo Atsinanana. Teo amin’ny taranja Volley-ball zazavavy indray, norombahin’ny DRENETP Boeny ny amboara, faharoa Anôsy, ary fahatelo Analamanga. Teo amin’ny sokajy zazalahy: ny DRENETP Atsinanana, faharoa Vakinankaratra, ary fahatelo ny ekipan’i Atsimo andrefana. Lalao izay natao tao amin’ny « Centre Régionale de la Jeunesse et des sports » (CRJS).

Ny DRENETP Sofia Antsohihy, no handray ity lalao ity amin’ny taona 2020. Nandritra ny lanomam-pamaranana teo anoloan’ny Tranoben’ny Faritra atsinanana, no nanambaran’ny minisitra, fa fahombiazna tanteraka ny tamin’iny andiany faha-27 teo iny. Isany nisalahy tamin’izany ny teo anivon’ny fianakaviam-ben’ny minisitera tao Atsinanana, ny Fitondram-panjakana, izay notronon’ny vahoakan’i Toamasina. Tratra ny tanjona hoy izy. Nankahery ireo resy nandritra ny lalao ny minisitra Volahaingo Marie Thérèse, mba hanao bebe kokoa amin’ny taona manaraka. Namporisika hatrany ireo naharesy koa ny tenany. Isany nanohana ity hetsika ity, ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ny Orinasa sy Banky vitsivitsy ao an-toerana, izay nisaoran’ny minisitra.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ireo Solombavambahoaka sy solontenam-panjakana tao an-toerana tonga nanotrona ity lanonam-pamaranana hetsika “Sorongôla” ity, no nilazan’izy ireo, fa henin-kaja sy henim-boninahitra ny Renivohitr’i Toamasina. Nolazain’izy ireo koa fa tokony hotohizana hatrany ny hetsika toy izao, hamporisihana ireo ankizy sy tanora mba tsy hirona amin-javatra hafa. Ny fanatanjahan-tena an-tsekoly mantsy, hoy izy ireo, dia mampitombo sy mampivelatra ny vatana sy fahalalan’ny ankizy, ary hampivelaran’izy ireo ny maha izy azy. Tsy nisy loza sy ny sampona nandritra ny lalao “Sport scolaire” teo iny. Hananana vatana tomady sy saina salama, ny fanatanjahan-tena, hoy ireo Solombavambahoaka miarahalahy. Teo amin’ny classement général, dia ny tao amin’ny DRENETP, no nahazo ny voalohany tamin’ireo lalao rehetra nifaninanana, avy tamin’ny nahazoan’ireo mpianatra medaly maro. Ny sehatra toy izao koa, no hahafahana mitaratra ireo ho solofon’ny ekipam-pirenena Malagasy atsy ho atsy, hoy ireo depiote.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Mardi, 22 Octobre 2019 07:02 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30