Mitsangana eo amin'ny sary avy amin'ny avia miankavanana : Elisée Ranarivelo, Talen'ny Kabinetra, Vyvato Rakotomaditra Rakotovao, Governoran'ny Faritra Vakinankaratra
Tamin'ny Filankevitry ny minisitra natao ny alarobia 12 Febroary 2020 no voatendry Governoran'ny Faritra Vakinankaratra Andriamatoa Vyvato Rakotomaditra Rakotovao. Ny Talata 03 Marsa 2020 kosa izy no nanao fianianana tao Antsirabe. Ity manaraka ity ny kabariny tao anatin'izany lanonana tsy nanam-paharoa izany.
Jeannot Ramambazafy â Sary : Harilala Randrianarison
***************************
Voalohan-teniko dia fisaorana sy fiderana anâAndriamanitra Andriananahary nandahatra ny andro anio, hifanatrehantsika tava, ifanoloram-boninahitra mivantana. Ankasitrahana ny Avoindrindra nanokatra pejy vaovao ho anâny Faritra Vakinankaratra, anâilay Nahary ny tongotra amantanana anie ny Voninahitra fara-tampony.
Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine, filohanâny Antenimieram-pirenena, reny mpiahy izao lanonana izao no sady raiamandreny miahy ireo mpiara-mitolona na fotoan-tsarotra io na fotoana zina
Ianareo ministra, mpikambana ao aminâny Governemanta. Mpitondra fanjakana mahefa sy mahavita azy
Ianareo mambranâny birao maharitra ny Antenimieram-pirenena
Ianareo Loholona mitazona ny hazomanganâny fahendrena
Ianareo Solombavambahoaka,voafidim-bahoaka hiaro azy,hifidy lalana hampandrosoana ny malagasy ary hitondra ny feonâny valalabemandry ho renâny fitondrana mpanantanteraka
Ianao Ramatoa Prefet, mpifehy ny raharaham-panjakana eto Vakinankaratra, solontenam-panjakana miara-dia sy miara-misalahy aminâny governora hampandroso ny faritra
Ianareo Solontenam-panjakana ambony araka ny laharam-boninahiny tsirairay avy
Ianareo rehetraTalem-paritry ny Departemantam-panjakana eto aminâny Faritra Vakinankaratra
Ianareo Lehibenâny Distrika,mpiara-miasa amiko
Ianareo Benâny Tanana rahalahiko sy anabaviko, mianala isika ka izaho tokinareo ary ianareo tokiko.
Ianareo vahiny manan-kaja sivily sy miaramila manatrika etoana.
Indrindra ihany koa ianareo mponinâI Vakinankaratra tonga marobe manome voninahitra izao lanonana manetriketrika fanomezam-pahefana izao, raiamandreny antanana mitsilo raha alina, manaloka rehefa midanika ny andro
Isika rehetra,
Arahaba tsaratsara Tompokovavy, fa velom-panantenana ny tontolo, satria ianareo no toky sy ravaka, ary ianareo no loharanonâaina manabe sy mitaiza.
Arahaba migodongodona Tompokolahy, fa manatrika eto ianareo hery mpandrafitra sy mpanefy, ifatoranâny tokim-pivelomana sy ireo drafitra enti-miroso aminâny tsaratsara kokoa, ho anâny ankohonana Malagasy manontolo.
Arahaba ry MponinâI Vakinankaratra manontolo tratrâizao vaninandro izao, migadona tokoa ny fotoana nifanomezana taminâny tantara hiarahantsika misalotra ny fanevam-pirenena, mivikina ny fitiavan-tanindrazana ho herijika vaovao, entina misadika miaraka ireo andraikitra mankadiry faritanâny Vina sy ny Velirano, sy ireo lokanady hitondra antsika aminâny fiakaranâny fari-piainana isam-baravarana. Velona ny anjomara ! , manaitra antsika hanovo toe-tsaina feno fikirizana sy fivelaran-tsaina, mba ifantohantsika mihoatra ny asa fivelomana, mankany aminâny tena asa fiharian-karena satria vonton-doharanon-karena ity faritra honenantsika ity.
Manarakâizany dia mamela ahy ianareo haneho fisaorana feno sy mitafotafo anâAtoa Filoha hajaina Andry RAJOELINA, sy ny fitondram-panjakana manontolo izay tarihiny nametraka fitokisana tamiko, ka nanendry ny tenako ho Governoranâny Faritra Vakinankaratra.
Am-panetren-tena lehibe no hanomezako toky fa:
â Hitondra hazavana aho Andriamatoa Filohaâ.
Ry Namana mponinâI Vakinankaratra : â Fantatro, fantatrao fa tery ny lalana mankany aminâny fandrosoana. Fantatro ary fantatrao fa tsy efanâirery ny fandresena, koa na ho Vy na ho Vato , VAKINANKARATRA MIRAY HINA KOA TSY MAINTSY MANDROSO, TSY MAINTSY MANDROSOâ.
Tsy hivalampatra aminâny antontanâisa aho aloha satria dinika fitia mifamarafara ny antsika anio, fa ny azoko ambara kosa dia niangaran-Janahary I Vakinankaratra, satria :
-
faritra midadasika indrindra eto Imerina, ary loharanon-tsakafo.
-
Mifanolo-bodirindrina ara-jeografika aminâireo faritra fito mahavokatra,
-
manankarena vato nasondrotry ny tany aminâireo avaram-pianarana nipongantra avy tato anatiny,
-
sompitra talenta ary tanin-ketsanâny kanto sy ny soatoavina ka tsy ho lany aingam-panahy,
-
honenanâny tantsaha tena mpamokatra sady manana mponina tanora herim-pamokarana mahasandratra ny tany,
-
faritra mbola mahatahiry ny kolon-tsainâny sompitra, fomba fiaina fototra mahomby hisondrotana aminâny fiharian-karena matianina,
-
miavaka aminâny toe-trandro sy toe-tany majika mahavanom-bokatra fivelomana,
-
ary manan-karem-pahasoavana manokana aminâny rano mahavelona sy manasitrana.
Manan-jina Vakinankaratra ary mafy sy lalina ny vitrana ifamatoranâny mponina aminâny taniny,
Tompokolahy sy Tompokovavy.
Ny fototra hananganatsika ny fampandrosoana dia ny fifampitokisanâny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka. Ireo fifidianana nifanesy tao anatinâny herintaona dia mamaritra mazava fa nisafidy ny fanovana ho any aminâny tsaratsara kokoa ny maro anâisa. Ny Velirano nifanaovanâny Filoham-pirenena sy ny vahoaka malagasy no andry iankinanâny fiainam-bahoaka. Velirano natao ampitiavana, tsy antery na vozonana fa safidy demokratika ekenâny be sy ny maro. Tianay etoana no manambara fa ny governoranâny faritra Vakinankaratra dia tsy namanâireo izay mihemotra fa handroso sy hampandroso ny tetikasa nofaritanâny Filohampirenena hanavotana ny firenena. Izay namako dia aoka sahy hijoro, vonon-kiasa, ary hanompo tanindrazana mba hiadananâny ambanilanitra.
Ny asa rehetra dia manaraka ny Velirano miisa 13 nofaritanâny Filoha Andry Rajoelna, Andry TGV ho antsika namany, ary efa lalana manakery rehefa nankatoavinâny Antenimiera ho lasa programanâasa ankapobenâny governemanta na PGE. Efa vita izao ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM, ka raha vahoaka sy mpiasam-bahoaka tsy hamokatra aminâizany dia aleo izy hiady vomanga fa ny raharaham-pirenena tsy azo atao andraso andraso.
Ny Vina sy ny Lokanady horafetina, dia hanoritra ireo laharam-pahamehana hamahana ireo sakana aminâny fivelaranâny fiharian-karena sy ny fitondrana tosika aminâny famokarana. Manarakâizany dia ny fitsirihana ireo tetikâasa mahomby maty paika kanefa tsy nosandaina ezaka noho ny antony samihafa. Tsy maintsy hojerena manokana koa ny vahaolana ara-tsosialy ho anâireo tena marefo sy ireo mananon-tena ary ireo ankizy tokony hianatra. Hapetraka ihany koa ireo paikady miaraka aminâny sehatra tsy miankina hampiroboroboana ny asa fandraharahana manara-dalana mba hitomboanâny fiforonanâasa, ny fampidirana ny fomba famokarana mekanika, ny fanatsarana ny fitantanana ny lafin-tany mba hampiasana ireo tany mahavokatra tsy mbola voavoly hisondrotanâny vokatra anatiny, ary indrindra ho anâny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mahakasika ny tanora sy ny tontolony dia hirosoana ny ezaka fampiroboroboana ny teknolojia vaovao, ny kanto, ny fanatanjahantena, ny fianaran-kasa, ireo asa an-tselika manampy azy hiantoka ny filany sy fianarana ambony tovoziny, ny fananganana orinasa madinika, ny fizahan-tany, ary ny fikajiana ny vakoka sy ny tontolo iainana.
Hosoritana mazava ireo paikady fa ny fiaraha-mientantsika no hamongorantsika ny kolikoly, ny toe-tsaina lomorina ary ny tsy fandriampahalemana efa nampiraviravy tanana sy nampivakivaky ny fiaraha-monina, ka hametrahantsika tarigetra mifanaraka aminâny vanim-potoana .
Niangaranâny fitondram-panjakana Vakinankaratra, kianja manara-penitra telo, universitĂ© eto Antsirabe, sekoly manara-penitra foibe fampianarana arakâasa maro, tetikâasa Fihariana, tsena mora sns⊠teto no nahitanâAndriamatoa Filoha Masoandro, eto isika rehetra hamaly fitia azy. Ry vahoakanâi Vakinankaratra , tsy safidy ny fivoarana fa fahatapahan-kevitra, tsy afa-miandry ary efa dodona aminâny tena fandrosoana isikaâ.
Isika rehetra: â Mino fa tsy manantena, miaina fa tsy misalasalaâ.
Ry mponinâI Vakinankaratra,
Izany fanamby apetrantsika izany dia tena mitaky fivoaranâny toe-tsaina ho entina miara-misondrotra.
Tsy hanao didy kofehy lehibe aho fa hanovo ny teny miera ary hanisy vidiny ireo kiana tsy mandrava izay efa .
Veloma hatreto koa ny âzarazarao hanjakanaâ, Tompokolahy sy Tompokovavy. Natambatrâ Imasoandro isika ka tsy hosarahinâolombelona.
Izaho ho tokinareo ary ianareo tokiko.
Ny Biraonâny Faritra iadidiako dia birao fitarainana, midanadana ny varavarana satria adidy masina ny mihaino sy mifanohana. Ambohimpihaonanâisika liampivoarana.
Ny Biraonâny faritra iadidiako dia vata lehibe ho anâny tolon-tsaina sy tolon-kevitra ho entina miara-miantsoroka ny fampandrosoana ary ho tranobenâny dinika ambany tafon-trano ho anâny adihevitra hanamasahana ireo paikady fanatanterahana ireo tetikâasa.
Ny Biraonâny Faritra iadidiko dia ho milina lehibe fanodinana ireo tetikâasa mba hivaingana.
Ny Biraonâny Faritra tantaniko dia fanilo manazava, ka ny tananareo manan-kasina no hampiredareda izany , hihoatra ny fahaizana isika mba ho tonga talenta ny fandrosoantsika.
Ry MponinâI Vakinankaratra,
Hidina ifotony aho hitety ny faritra manontolo hijery ny zava-misy marina eny anivonâny Tanana tsirairay. Satria izay tia vangivangy ikoriam-bahaolana.
Handrindra tetiandro aho ifanakalozan-kevitra aminareo hery mpamokatra eto aminâny faritra, satria ho tsinjovina ireo mbola marefo ara-pivelomana, dia tsy maintsy ho vatsian-tosika kosa ireo maherifo efa mampiroborobo ny toe-karena. âIl faut motiver les performantsâ.
Hifandray tsy tapaka aminareo mpiasam-panjakana aho satria isika ireto no mpampivelona fandrosoana.
Hiroso avy hatrany aminâny fanoritana ny Vinam-pampandrosoana ny faritra isika ho dinihina miaraka aminâny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombonantoka Malagasy sy iraisam-pirenena. Izany dia hisarihantsika ny fampiasam-bola, ny famoronana asa, ny traikefa ary ny haitao vaovao mba hanjohy anâI Vakinankaratra ny moderna tapoham-pahasoavana.
Izay no misy, izay no ela Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ny veliranontsika dia lalan-tsarotra ary misy fandrika, ka ny fanoloran-tena hifikirantsika aminâny tanjontsika anio sy aminâny ho avy no fanoitra mahery vaika indrindra handrosoantsika.
â Tsy manam-pahavalo afatsy ny mosary sy ny fahantrana aho, ary miantso ho namana ireo liam-pivoarana rehetra hampandroso ny Faritraâ.
Nomena adidy ity zanakareo ka mangata-tso-drano,
Notolorana andraikitra ity namanareo ka mangataka tolo-tanana,
Manam-pinoana ity havanareo koa mba trotroy amim-bavaka,
Andriamanitra Andriananahary anie hitahy ny lalana hodiavintsika.
Ry MponinâI Vakinankaratra,
Areheto ny hambompom-pirenena, mifohaza hanazava fa miantso ny Tany.
Sahy isika, vonona isika ary velon-kandresy.
Fa ny Fitiavana no lehibe indrindra
Dia samy ho tratry ny 26 Jona 2020 hankalazantsika aminâny fomba manetriketrika ny faha-60 taonanâny niverenanâny fahaleovantenam-pirenena isika mianakavy. Misaotra Tompokolahy , mankasitraka Tompokovavy naharitra nihaino anay hatraminâny farany.
Ho ela velona anie Madagasikara,
Ho ela fanapahana ny Filoha Andry Rajoelina
Samy ho tahianâAndriamanitra isika rehetra.
Vyvato Rakotomaditra Rakotovao
Governoran'ny Faritra Vakinankaratra
Antsirabe, 03 Marsa 2020