]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Mialy Rajoelina, 28 Avrily 2020. Nanolotra Vatsy Tsinjo

Mialy Rajoelina, 28 Avrily 2020. Nanolotra Vatsy Tsinjo

VIDEO ETO

Amin'izao fidiran'ny mpianatra mpanala ny fanadinana izao, dia tonga nanome ny Vatsy Tsinjo ho an'ireo mpampianatra ny teo anivon'ny Fikambanana Fitia. Nahazo izany ny mpampianatra avy amin'ny CEG Nanisana, ny LTP Ampasampito, ny EPP Ankorondrano ary ny Lycée Analamahitsy.




Nanatanteraka ny fizarana izany tamin'ireo toerana ireo ny Filohan'ny Fikambanana Fitia, Ramatoa Mialy Rajoelina. Nanomboana izany, ny Talata 28 Aprily 2020 ny teny amin'ny CEG Nanisana, misy mpampianatra miisa 140.


« Antom-pisian'ny Fikambanana Fitia dia ny mitsinjo hatrany ny mpiara-belona, ary seha tra manokana iasana ny eo anivon'ny fampianarana. Mahatsapa tena izahay mànana adidy mandray andraikitra mba anohana anareo mpampianatra mpanabe, satria ianareo no mikolokolo ny zanantsika », hoy Ramatoa Mialy Rajoelina nandritra ny lahateny nataony fanolorana ny vatsy tsinjo.


Nozaraina « pack » tsirairay avy ireo mpampianatra izay misy : Fonosana Covid-Organics ho an’ny fianakaviana, vary 5 kg, voamaina 2kg, menaka, ronono, siramamy, moringa (voanambo), sira, tantely, arovava roa avy amin’ny Fikambanana Fitia ary gel hydroalcoolique fanasana tanĂ na.


Nampirisika hatrany ny asa makadiry izay iantsorohan'ireto mpampianatra ireto ihany koa ny Fikambanana Fitia. Nasiana fanazavana ihany koa ny momba ny fampiasana ny fonosana Covid-Organics izay sahaza ho an'ny fianakaviana iray : ampangotrahana amin'ny rano roa litatra dia arotsaka ao anaty rano mangotraka ny fonosana iray, dia avela mangotraka mandritra ny roa minitra. Esorina avy eo ambony afo dia avela hilona mandritra ny 15 minitra. Tsy azo haverina hafanaina fa tsy maintsy sotroina ka taperina ao anatin’ny iray andro.


Momban’ny fisotroana azy ho an'ny ankizy dia 33 cl in-telo mandritra ny herinandro, mifanelanelana iray andro. Izany hoe raha nisotro androany alatsinainy, dia tsy misotro raha tsy aminy alaobia. Ho an’ny lehibe indray dia 33 cl in-droa isan'andro mandritra ny herinandro. Marihana fa ireo zaza izay efa nisotro tany ampianarana dia tsy nisotro an'ity fonosana vao nozaraina ity, fa ireo tsy mbola nisotro no misotro azy ity.


« Mitondra fahavitrihana ho an'ny mpampianatra ny fanampiana toy izao », hoy ny tale ny CEG Nanisana, Ramatoa Andrianasolo Fanjatiana. Ho an'ireo ankizy mpianatra izay tsy te hisotro ity Covid-Organics ity dia tsy terena fa manana safidy izy ireo. Tao amin’ny CEG Nanisana dia miisa 24 ireo tsy misotro, misy amin'izy ireo no efa nisotro teny anivon'ny fokontany ka tsy misotro intsony any an-tsekoly.


Ary dia nitovy amin’izay fizotrany tao amin’ny Ceg Nanisana izay ny zava-niseho sy notontosaina tany amin’ny LTP Ampasampito, ny EPP Ankorondrano ary ny LycĂ©e Analamahitsy fa ny isan’ny mpianatra sy mampianatra no samihafa. Marihina fa mpianatra hanala fanadinana ihany ireo mpianatra niverina nianatra ireo.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Mercredi, 29 Avril 2020 13:22 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...