]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Fiangonana Loterana Malagasy. Hampiasa ny tolotra Paositra Money

Fiangonana Loterana Malagasy. Hampiasa ny tolotra Paositra Money

Nandritra ny valan-dresaka natao ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry Rajoelina, tao amin'ny TVM ny 03 mey 2020, dia anisany dingana lehibe tratrarina ny fidirana ao anatin'ny "digitalisation". Tomponandraikitra voalohany amin'ny fanatanteraha izany ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao ra-kajy Mirindra.

Ny Alatsinainy 04 mey 2020 dia efa nisy fifanaovan-tsonia ny fifanaraha-mpiara-miasa teo amin'ny Foibe Loterana Malagasy -FLM- izay nosoloin'i Pastora Dr Rakotonirina David tena sy ny Paositra Malagasy tamin'ny alalan'ny Tale Jeneraly, Andriamatoa Ranarison Richard, teny amin'ny Foiben'ny Loterana eny Isoraka.

Tafiditra anatin'izao fifanarahana izao ny hampiasan'ny FLM manerana ny Madagasikara ny tolotra Paositra Money amin'ny fandraharahana ara-bola rehetra ataon'izy ireo. Isan'izany ny Vatsin'ny Pastora, ny Fampandehanan-draharaha. Marihana fa efa mahatratra 600 mahery ny kaonty efa misokatra. Ny tanjona dia ny hatratrarana hatrany amin'ny 2000 mahery ka hahazo anjara amin'izany ireo Pastora sy mpianatra teolojia.

Nisongadina nandritran'ny fifanaovan-tsonia ihany koa ny mahakasika ny fitaterana entana amin'ny alĂ lan'ny tolotra Paositra Rapida ao amin'ny Paositra Malagasy ary ny hafahan'ny FLM manerana ny Nosy ho tonga "distributeur" an'ny Paositra Malagasy.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana teny an-toerana, ny Ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, Andriamatoa Ramaherijaona Andriamanohisoa ; ny Filohan'ny Filan-kevim-pitantanan'ny Paositra Malagasy, Andriamatoa Rabemananjara Elire ; ny Fianakaviam-ben'ny Paositra Malagasy ary ireo solotena avy amin'ny Foibe Loterana.

 

Soratra : Andry Rakotonirainy – Sary : Harilala Randrianarison

Mis Ă  jour ( Lundi, 04 Mai 2020 23:48 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30