]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation PAOSITRA MALAGASY MIASA HO AN’NY MPIARA-BELONA

PAOSITRA MALAGASY MIASA HO AN’NY MPIARA-BELONA

Paositra Malagasy orin’asam-panjakana izay manao ezaka tokoa amin’izao ady amin’ny covid-19 izao, indrindra ho fanampiana ny mpiara-belona ary mikatsaka hatrany ny tombontsoa ho an’ny Malagasy mpiray tanindrazana. Mba hahatombona ny asa anefa dia tsy natao ambanin-javatra ny fijerena manokana ireo mpiara-miasa ao aminy, izay izy ireo no manao ny ainy tsy ho zavatra ho fanampiana ny Malagasy sy fanamorana ny andavan’androm-piainany.


Amin’izao fiatrehana ny aretina corona viriosy izao dia anisan’ireo orin’asa « réquisitionné » ny Paositra Malagasy ; manatanteraka ny andraikitra rehetra amin’ny fahaiza-manaony. Na ny fandefasana entana na ihany koa ny fandefasana vola, mitarika ny mpiara-mpiasa mpisehatra rehetra hifandray akaiky amin’ireo Malagasy maro sy ny mpanjifa erhetra izany ao anatin’izao fihatrehana ny Covid-19 izao.


Atafiditra amin’ny asa ataon’ny Paositra Malagasy ny fizarana ny tosika fameno amin’ireo faritra telo nahitana ny taha ny tsimokaretina covid-19 dia Toamasina, Fianarantsoa ary Antananarivo. Aretina anisan’ny mampihorohoro tokoa ny covid-19 izay mila fitandremana ny fisoroana azy. Miezaka hatrany mitandrina sy manaraka ny fepetra ireo mpiasa ny Paositra Malagasy eo am-panatanterahan’izy ireo ny asany izay ataony ampavitrihana ihany koa, izay marihana fa maro amin’izy ireo no miasa andro aman’alina.


Nomen’ny fanjakana fanampiana toy fanafody CVO ireo mpiasa rehetra izay nahatratra 2000, sy ny fianakaviany, mba ho fiarovana azy ireo, ny 22 Mey 2020 tao Antaninarenina. Fatra 14 tavoahangy mitsinjara tavohangy roa isan’olona nozaraina miampy « pack familial » roa ho an’ireo fianakaviana anjaran’ny mpiasa tsirairay.


Andriamatoa Ranarison Richard

«Tanjakin’ny orin’asa ny mpiasa ao aminy», hoy Tale jeneralin'ny Paositra Malagasy, Andriamatoa Ranarison Richard, «koa rariny loatra raha tohanana sy arovana satria sady miaro tena no miaro ny hafa». Ny lanonana dia notronin’ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana ny Haitao ara-kajy Mirindra, Andriamatoa Ramaherijaona Andriamanohisoa.

Soratra : Andry Rakotonirainy - Sary : Paositra Malagasy

Mis à jour ( Mardi, 02 Juin 2020 15:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...