Matetika rentsika amin’ny haino vaki-jery ny fanentanana momba ny fampinonon-jaza, izay mahasalama fitombon’ny zaza. Tsy diso velively ireny fa tena ilaina tokoa ny torohevitra nomen’ny mpampivelona sy ny mpitsabo dia manamafy fa tsaratsara kokoa raha toa ka ny nonon-dreny irery ihany no omena zaza mandritra ny faha-enim-bolany.
Ny eo amin’ny maternité Marie Stops manokana dia misy teny filamatra «Mama manabe haizana ny mampinono zaza». Izany hoe : mandritra ny enim-bolana dia ny nonon-dreny irery ihany no omena ny zaza. Ny fikarakarana ny zaza dia mihainga hatrany amin’ny fanarahana ny fahasalaman-dreny amin’izy mitondra vohoka iny mandram-piterahana, araka ny fanazavana nomen’i mpampivelona RANDRIAMIARANTSOA Hasina Fanambinana.
Mandritra ny fizahana ny fihetsehan’ny zaza no ahitana ny toe-pahasalamany, ny fahazakan’ilay zaza eo ampiterahana ary ny fitempon’ny fo. Ny tsy fanarahana ireo pitsopitson’ny fahasalaman’ny Reny sy zaza ambohoka matetika no mahatonga ny fahatesan’ny zaza na ny Reny eo am-piterahana. Olana ihany koa anefa ny tsy fahampian’ny hoenti-manana ka zary sakana tsy hanatonana ny toeram-pitsaboana rehefa hiteraka, fa aleon’izy ireo miteraka any an-trano.
Ny vokany dia indraindray tsy ara-dalà na ny fizahana ara-pahasalamana atao amin’ilay Reny ka mety hahafaty ny reny na ilay zaza. Mahatonga fahafatesana ihany koa ny fahatarana manatona toeram-pitsaboana izay efa sarotra fampiterahana vao mandeha. Raha hiteraka amin’ny toeram-pitsaboana mantsy indrindra fa ny tsy miankina dia ilaina ny fanomanana izay farafa-keliny telo hetsy ariary, izay tafiditra amin’io fandidiana raha toa ka saro-piterahana ilay reny.
Ny fiterahana ara-dalà na indray dia mety mahatratra 160.000 ariary ny lany. Io anefa dia arakarakin’ny efitrano ilain’ilay olona amin’ny toeram-pitsaboana izay misy sarany ihany koa. Raha ny tena izy anefa dia tena zava-dehibe ny fanaraham-pahasalamana atao amin’ilay vehivavy mandritra fitondrana vohoka.
Ao anatin’izany ny fisafoana, satria manomboka eo dia efa mba fantatra mialoha ny toe-pahasalaman’ilay reny hiatrika ny fiterahana sy hafahana manomana mialoha ny vola ilaina. Izay marihana fa mety ho hisy fanafody ilaina amin’ny fotoana fiterahana.
Aorinan’ny fiterahana dia maro ireo vehivavy no mifana mandritra ny iray volana mahery. Io dia antony iray izay tena hatahoran’ny olona mifana satria hoe sao voan’ny sovoka. Araka ny fanazavana anefa dia ny loto no mahatonga ny sovoka. Torohevitra nomen’ny mpampivelona ho an’ireo tera-bao : ny tsara atao rehefa avy teraka ny vehivavy dia atao mifanaraka amin’ny toe-andro ny akanjo hanaovana.
Izany hoe, raha mafana ny andro dia akanjo manifinify fa tsy voatery mafana. Tsy tsara ihany koa raha iray volana sy tapany vao miharina eo am-pandriana, satria ny vehivavy rehefa matory maharitra eo am-pandriana dia lasa misy fiforonan’ny vainga-dra any amin’ny ranjon-tongotra ary miakatra tsikelikely ka manentsina ny avokavoka ary mety mahafaty tampoka.
Noho izany dia ilaina ny madio lalandava, mandro sy misasa mba ialana amin’ny loto izay mahatonga ny sovoka. Tsy mijanona ela am-pandriana fa raha azo atao dia mandehandeha eraky ny trano. Aorian’ny adin’ny enina hiterahana ny vehivavy, dia efa afaka mandray ny fiainany mahazatra izy, saingy tsy mahazo manao vizaka be.
Andry Rakotonirainy