]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Toeram-pitsaboana. Mila manatona any ny vehivavy na dia hiteraka aza

Toeram-pitsaboana. Mila manatona any ny vehivavy na dia hiteraka aza

Nahitana fihenana ny taha isan’ireo Reny mpiteraka eo anivon’ny toeram-pitsaboana Marie Stops, nandritra ny fisian’ny aretina Covid-19. Raha toa ka nahatratra 80 mpiteraka isam-bolana dia nihena hatrany amin’ny 50 izany. Nandritra ny fihiboana dia maro ireo orinasa no nijanona tsy niasa any ka nihena ihany koa ny vola miditra eo amin’ny fianakaviana iray. Vokatr’izany dia nisy ireo vehivavy nitondra vohoka no niteraka eny amin’ny toeram-pitsaboana akaiky azy. Ao koa anefa ireo nisafidy ny niteraka ao an-tranony. Antony dia mba mihena kokoa ny vola lany.


Araka ny fanazavana nomen’ny mpampivelona RANDRIAMIARANTSOA Hasina Fanambinana, dia tena ilaina ny fanatonana toeram-pitsaboana, indrindra fa ireo mitondra vohoka. Mandritra ny fitondrana vohoka mantsy no tena ilaina ny fizaham-pahasalamana sy ny fisafoana. Ao anatin’izay no hahafantarana na ho mety sarotra ny fiterahan’ilay vehivavy na tsia. Misy koa anefa ireo vehivavy manatona toeram-pisafoana, izay hita fa tena salama tsara hany ka mahatoky tena, rehefa tonga ny fotoana fiterahana dia tsy manantona toeram-pitsaboana intsony. Tsara ho fantatra anefa fa tsy voatery ara-dalàna daholo ny fahasalamanan’ny vehivavy, fa mety misy tsy ampoizina tampoka eo amin’ny fotoana fiterahana, izay mety hananosarotra. Dia izay no ilaina ireny toeram-pitsaboana matihanina ireny, Tsy ny Reny irery rahateo no tena arahi-maso eo amin’ny lafin’ny fahasalamany fa eo indrindra indrindra ny toeram-pahasalaman’ny zaza vao teraka.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Vendredi, 04 Septembre 2020 15:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30