]
Les quotidiens du 21 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Andry Rajoelina. Manohy hatrany ny praograma nahalany azy Filoham-pirenena

Andry Rajoelina. Manohy hatrany ny praograma nahalany azy Filoham-pirenena

Tsy misy tokony mahataitra akory ry zareo ny ataon’ireo miseho  « mpanohitra » sy ireo manao halako bika tsy tiako tarehy ireo. Raha izaho manokana, dia olom-pirenena malagasy aho aloha vao mpanao gazety.

Nisy praograman’asa sy tanjona tratrarina novelaberan’ny kandida faha-13 tamin’ny taona 2018. Lany izy ary neken’ny kandida faha-25. Hitam-poko hitam-pirenena tamin’ny fahita lavitra ny naneken’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny fandresan’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina. Tao amin’ny Foiben’ny HCC, no nandraisan’i Dada ny tànanin’ny nandresy azy, ny 08 janoary 2019. Nanaiky tena nanaiky izy.

Mahamasina, 19 janoary 2019. Ireo ny filoham-pirenena voafidy nifandimby teto Madagasikara. Tena kapoakan'i Dada ity mivadi-dela ity. Ary lasa "akamany" amin'izay ingahy Hery Vaovao mialokaloka any Frantsa toa olona nanao ratsy teto an-tanindrazana... Ny Amiraly Didier Ratsiraka moa nodimandry ny 28 marsa 2021

Tsy vitan’izany fa ny 19 janoary 2019, tao amin’ny kianjabe ao Mahamasina dia filoha voafidy telo be izao no nanatrika ny fianianana nataon’ny filoha Andry Rajoelina : Zafy Albert, Didier Ratsiraka (samy efa nodimandry), Hery Rajaonarimampianina. Tranga mbola tsy niseho izany teto Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao. Fa toa kapoakany koa io mivadi-dela io an !... Lasa nahita « doublons » tampoka teo dia iny no atao dridrangilo ao amin’ny Facebook. Izao dia ny famoronana dosie indray no lamaody. Mbola hasiako resaka io ao anatina lahatsoratra hafa…

Ny Filoha amerikanina Joe Biden, voafidy ny 03 novambra 2020, sy ny Filoha frantsay Emmanuel Macron, voafidy ny 07 mey 2017

Fa eto aho dia manazava tsara izao manaraka izao, amin’ny maha mpanao gazety ahy : tsy ny Frantsay rehetra akory no nifidy an’i Emmanuel Macron. Torak’izany koa ny any Etazonia : tsy ny Amerikanina rehetra no nifidy an’i Joe Biden. Fa izy ireo no nahazo vato be indrindra tamin’ny fifidianana ka mitondra ny firenenany tsirairay mandritra ny fotoana voalazan’ny Lalampanorenan’ny fireneny. Torak’izany koa ny eto Madagasikara.

Taona 2023 no voalazan’ny Lalampanorenenan’ny Repoblika malagasy fa fe-potoana hitsaharan’ny fotoam-piasan’ny Filoha Rajoelina, raha amin’ity taona 2022 ity ny an’ny Filoha Emmanuel Macron any Frantsa.Ny an’i Joe Biden moa dia amin’ny taona 2025 no mifarana ny fotoam-piasany voalohany.

Amin’ireo firenena voalazako ireo, misy tokoa ny fanoherana ary milaza marina aminareo aho fa enjana dia enjana. Saingy raha ny ankapobeny no jerena dia mandroso soson-kevitra ny mpanohitra any. Ny eto amintsika ? Fanoherana mbontolo : ilay Filoha mihitsy no lasibatra, eny hatramin’ny fianakaviany mihitsy aza. Tsy omeko lanjany eto mihitsy izany Tabera Ramananantsoa milaza fa « fitondrana balaosy no misy », na ingahy Edouard Tsarahame miantso ny tafika, nefa iza moa izy izay olona nanararaotra ny fiaraha-mitantana tamin’ny Tetezamita ka mba voatendry anisan’ireo CST miisa 300 mahery tao Tsimbazaza ? Nilaza fa « zafiste » moa ingahirainy tamin’izany dia nahazo toerana ary dia lasa kibo sy be atoka…


Mihevitra mihitsy ry zalahy ireo fa mbola Tetezamita no misy eto Madagasikara ka dia tsy maintsy mahazo toerana rehefa mitabataba. Folo taona izao io milaza fa pasitora io no tsy mahalala afa-tsy ny « hidina an-dalam-be »… Izany ve, hoy ianao ? Eny, Tompoko. Taona 2012 : efa nisy izany hoe « Front de l’opposition » izany na Vondron’ny mpanohitra. Ny hidina an-dalam-be ihany ao an-tsaina. Tao anatin’izany ry Me Hanitra Razafimanantsoa, Jules Randriamaholison, Edouard Tsarahame, Lalatiana Ravololomanana, Gabriel Rabearimanana, Masimana Manantsoa, ary tompokolahy Me Olala izay mpisolo vavan’ny mpanohitra rehetra.

Taona 2022 isika izao, mbola « hidina an-dalam-be » hatrany no ao an-tsaina. O r’ingahy a ! Zavatra tsy nahomby nandritra izay 10 taona izay ve heverinao fa hahomby amin’izay satria ilay zazakely 9 taona tamin’ny 2012 efa 19 taona amin’izao fotoana izao ? Mijery Internet fotsiny izy dia mazava ho azy fa olona malahelo seza fotsiny kay ity hoe pasitora ity. Tohizo fa amin’ny 2032 ve tsy hipoaka amin’izay ny « gros lot » ?... Izay tsy manao ihany no tsy mahazo moa ?

Ny 17 mey 2008 no napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ny vato fehizoron'ny ho Lapan'ny TanĂ nan'Antananarivo vaovao

Ny 11 desambra 2010 no notokanan'ny Filoha Andry Rajoelina mivady ny Lapan'ny TanĂ nan'Antananarivo narenina tanteraka

Izaho dia nidify ny laharana 13 satria nisy praograma narosony ary nazavainy. Sady nahatsiahy koa aho ny fotoan’ny naha Ben’ny Tanàna azy sy ny andron’ny Tetezamita nahavitany foto-drafitrasa maro ihany ary ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka fa tsy ho azy sy ny fianakaviany : Lapan’ny Tanànan’Antananarivo sy Toamasina, Kianja Maki Andohatapenaka, Coliseum, raha tsy ireo ihany no resahiko. Anjaranareo no mitanisa ny vita nanomboka ny taona 2019, tao anatin’izay covid sy rivo-doza misesisesy izao. Fa singaniko kosa ny lalan-kely vita «béton» manerana an'Antananarivo. Izahay efa nipetraka 20 taona ao Tsiadana vao mba tsy nanitsaka fotaka intsony mandrapahatonga eo amin'ny arabe.


Raha ingahy Tsarahame no teo amin’ny fitondra dia nanalabaraka ny firenena (ny Filoha Rajoelina mantsy nolazainy fa « manala baraka »…) satria hanao toa ilay Praiminisitra miaramila nitsoaka Jean Ravelonarivo : tsy tahotra tsy henatra, ny volana febroary 2015, fa dia nangataka 105 lavitrisa (« milliards ») ariary –na 40 tapitrisa dôlara amerikana- tamin’ny Vondrona iraisam-pirenena (« Communauté internationale ») « hamonjena ireo tra-boina noho ny tondra-drano » ary koa « ireo tratry ny Kere any Atsimo »… Izay ve ilay hoe « mahay mitady vola » ? Fa dia nahamenatra tokoa satria ny Etazonia ihany no nanome 50.000 dôlara. Rivo-doza Chedza tamin’izay ho an’izay tsy very tadidy.

Amin’izao volana febroary 2022 izao dia toa nihena ny herin’ilay aretina covid. Izay no nahatonga ny fanatontosana ireo fivoriana iraisam-pirenena rehetra nahato tamin’ny taona 2020 sy 2021. Anisan’izany ilay fivoriana faha-6 eo amin’ny Vondrona Eoropeana (UE) sy ny Vondrona Afrikana (UA), tao Bruxelles, Belgique. Jereo ato ny momban’io.

Tao anatin’izany no nihaonan’ny Filoha Andry Rajoelina tamina olona manan-danja ao amin’ny Vondronda Eoropeana, dia Ramatoa Jutta Urpilainen sy Andriamatoa Werner Hoyer.


Ny voalohany dia «Commissaire européenne aux Partenariats internationaux» azo adika amin’ny hoe Kaomisera eoropenanina misahana ny fifanarahana iraisam-pirenena. Ary dia fifanakalozan-dresaka momba ny fivoarana ara-politika, ny fifidianana ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta miompana amin’ny fahasalamana sy ny fanarenana. Izany dia mba hitondrana fanarenana tsara kokoa.

Vonona hatrany i Ramatoa Urpilainen ny hanohana ireo fanavaozana izay manamafy ny fitantanana tsara sy ny fiatrehana ny fiovan’ ny toetr'andro. Nanambara izy fa « faly manamafy ny laharam-pahamehana amin’ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara hatramin’ny taona 2027: ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny mahaolona, ​​ny fitomboana sy ny asa maharitra, ny toekarena maitso sy manga ».

Raha mikasika an’Andriamatoa Werner Hoyer indray dia Filohan’ny « Banque Européenne d’Investissements » (BEI) izy.

Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Filohan'ny BEI, Werner Hoyer

Nanomboka ny taona 1970 no niasa teto Madagasikara ny BEI. Ny asany moa dia mifantoka amin'ny famatsiam-bola ireo tetikasa sy fotodrafitrasa fototra izay mitondra fiantraikany tsara sy manorina fanambinana. Santionany amin’izany ny fanamboarana ny làlana sy ny tohodrano an-tanàn-dehibe, ny làlana stratejika any avaratra sy atsimon’ny firenena, ary ny fahavitan’ny lalan’Antananarivo. Fa ao koa ny fanarenana ny toho-drano sy ny fampidirana rano fisotro madio ary ny sehatry ny fitaterana ka anisan’izany ny « Téléphérique » maha be resaka ireo te-hihemotra tamin’ny andron’ny filanjana sy ny salaka…

Toa adinon’ireo « mpanao politika » (ahahaha !!!) fa Madagasikara anie 590.000 kilometatra tora-droa mahery e ! Efa 26 tapitrisa no isan’ny mponina ao aminy ary Malagasy ny anarany, fa tsyhoe « zanaky ny faritra » avy atsy sy eroa rehefa manao ny tsy fanao ny sasany. Ka raha samy ho « tezitra » ireo « tsy faly » any amin’ny faritra miisa 23 ka « hirotsaka » amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena amin’ny taona 2023 tsy ho raharaha be hanaraka ny arabe hiomehezan’izao tontolo izao ? Sa izay mihitsy ilay tanjona dia ny hoe : raha maty aho matesa rahavako ?

Ireo izany rehefa lany ho Filoham-pirenena dia tena ho sahy, rehefa ho ao amin’ny firenena mikambana hoe « Président Tsimihety de Madagascar », na « Président Betsimisaraka de Madagascar », na « Président Antankarana de Madagascar », na « Président Merina de Madagascar »… ? Tsy ho sahy ireo satria olona mataho-bazaha iray trano noho ilay toetra voazanaka… mitoetra ao aminy. Sady fonkotany no mety ainy mitondra fa raha firenena. Maha kely finoana. Iza avy izany ? Asanareo…


Ao anatin’izany rehetra izany, saika adinoko ny fitsidihina ny orinasa John Cockerill. Ny 16 febroary 2022 no notontosaina izany. Fitsidihana izay ao anatin’ny fanarahan-dia ataon’io orinasa belza io amin’ny firenena Malagasy. Te hampandroso ny tanindrazany ny filoha malagasy Andry Rajoelina. Noho izany dia namolavola ny IEM izy. Ny orinasa John Cockerill dia afaka manampy an’zany IEM izany, izay tafiditra indrindra amin'ny fanamboarana sy fampitaovana lalamby.


Manana tetikasa goavana ihany koa i Madagasikara mba hahaleo tena amin’ny angovo ary eto koa dia manana fahalalana lehibe io orinasa io, indrindra amin’ny fitahirizana angovo. Fampiasam-bola manan-danja ho an'ny firenena an-dalam-pandrosoana, ary afaka mahazo tombony amin'ny fampindramam-bola avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena na koa fanampiana (na ara-bola na ara-pitaovana) avy amin'ny governemantan’ny Belzika.


Fa inona moa no nahatonga ny anaran’io orinasa io ? Izao : John Cockerill dia injeniera teraka tao Haslingden any Royaume-Uni, ny 3 Aogositra 1790, ary maty ny 19 Jiona 1840 tao Varsôvia. Izy no nanangana ny orinasa mitondra ny anarany izay ao Seraing, Belgique.

Izany rehetra voatanisa izany amiko dia tafiditra tsara mihitsy ao anatin’ny praograma nahalany an’i Andry Rajoelina ho Filoham-pirenena. Tsy nisy n’inona n’inona azo natao tamin’ny 2021, satria tsy afa nivezivezy. Tsy kivy anefa ny Malagasy tena miaina eto Madagasikara, mandinika sy misaina, ary mijoro hatrany na dia noheverin’ny sasany fa ho ripaka eto isika mianakavy. Izay koa ny mba nofinofin-dry vazaha mainty be kiana nefa tsy mety mody an-tanindrazana fa miaritra ny fisondrotan’ny lasantsy ao Frantsa, ohatra. Toa tsy sahy manakaniana, eny na ny « Téléphérique » atsy La Réunion aza.

Ny fehiny ? Tena marina fa ny fahavalo voalohan’ny Malagasy dia Malagasy toa azy. Miantso loza lava nefa rehefa mitontona ao aminy ny fahoriana dia inona moa fa mamaky ferapara sisa ary manao an’Andriamanitra tsy misy. Mahazotoa daholo !

Jeannot Ramambazafy
20 febroary 2022

Mis Ă  jour ( Lundi, 21 FĂ©vrier 2022 05:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024