Alahady faha-23 Jona 2013. Dia tsara levenena tokoa ny havan-tsika ary henin-kaja tokoa isika mbola velona, ka dia misaotra ireo nanotrona tamboalohany ny fianakavianâi Georges Rakotondrasoa, mpanao gazety. Ho anâizay tsy afaka moa dia tsy misy tsiny mihitsy fa sarotra tokoa ny sady manao adidy no manatontosa andraikitra miaraka indray mandeha.
Tena ho anâireo ankizy ireto tokoa ny antony nanaovako ity fahatsiraovana an-tsary ity
Ireto sary ireto dia atao fahatsiarovana ho anâireo zafiafiny izay tena anisanâny hanangana hoavy mamiratra ho anâi Madagasikara satria mino aho fa notezaina tao anatinâizany fitiavan-tanindrazana izany. Aza adino rankizy ny afatra napetraky ny Dadanâny Dadabenareo. Ny ahy tsotra: mpanao gazety izy ary mbola mpanao gazety foana izy iny nandao antsika iny. Ka aminâny maha mpanao gazety aho koa dia fianakaviako daholo ny fianakavianâny mpanao gazety. Adidy ho azy ireo sy ho anâny Tantaranâi Madagasikara mihitsy ireo sary ireo. Mbola ho avy koa ny videos mirakitra iny Alahady 23 Jona 2013 iny, niala ny Tranom-bokim-pirenena, nandalo tao aminâny Fiangonana FKPM Ankasina Maritiora ao aminâny 67ha, ary niafara tany aminâny fasan-drazana tany Ankadivoribe Avaratra. Ity ny andian-tsary tao amin'io Fiangonana voalaza io ambony. Ny Fitiavana, Tompoko, tsy sandaina vola raha mbola velon'aina aho, dia ho vavolombelon'ny Tantaram-pirenena hatrany, amin'ny alĂ lan'ny Teknolojia vaovao eo amin'ny lafiny sary sy horonan-tsary. Olom-pirenena i Georges Rakotondrasoava. Tsy azo adino velively izany anarana izany eo amin'ny sehatry ny fanaovan-gazety malagasy.
Jeannot Ramambazafy
**************************
NIAINGA HO ANY ANKADIVORIBE AVARATRA NY KORTEZY