]
Les quotidiens du 24 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Zafy Albert. Tafaverina an-tanindrazana izy fa handao antsika indray ka tsy hiverina intsony

Zafy Albert. Tafaverina an-tanindrazana izy fa handao antsika indray ka tsy hiverina intsony

Ivato, 14 Oktobra 2017. Tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ny nofo mangatsiaky ny Profesora Zafy Albert, Filoham-pirenena teo aloha (1993-1996) izay nodimandry tatsy amin'ny Nosy La Réunion, ny Zoma 13 Oktobra atoandro.

Tonga nitsena sy nanome voninahitra izany fahatongavana izany ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.

Hita teny an-toerana ihany koa ireo Filohan’ny Andrim-panjakana amin’izao sy teo aloha, ny Filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka mivady, ny sokajin-kerim-politika maro samihafa ary ireo fianakaviana.



Rehefa avy nanaovana ny fomba rehetra fanomezam-boninahitra ny Filoham-pirenena teo aloha rehetra rehefa modimandry dia nihazo avy hatrany ny trano fonenany eny amin’ny Villa «La Franchise», ao Ivandry, ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert sy ireo rehetra nitsena azy teny Ivato.



*************



Toa izao ny fandaharam-potoana izay nomen’ny fianakaviany:

- Alin’ny 14 oktobra 2017: nandrasana tao amin’ny trano fonenany ao amin’ny Villa «La Franchise», Ivandry, ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha, ny Profesora Zafy Albert. Ny fiaretan-tory dia natokana ho an'ny fianakaviana ihany.

- Alahady 15 oktobra 2017: fotoam-pivavahana ao amin’ny EKAR Antanimena izay tarihin’ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Aorian’izay dia entina avy hatrany ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny nofo mangatsiakan’ny ny Profesora Zafy Albert, ho vangian’ny Malagasy tsy vaky volo ka hisy ny fiaretan-tory amin'izany.

- Alatsinainy 16 oktobra 2017: fivavahana firaisam-pinoana. Vita ny fotoam-pivavahana dia hizotra mianavaratra ny razana ka hiazo an' Ambilobe amin'ny alalĂ n'ny fiara (fa tsy fiaramanidina) vao handeha any Betsiaka toerana nahaterahany.

- Sabotsy 21 oktobra 2017: andro hanitrihana ny nofo mangatsiakan’ny Profesora Zafy Albert any amin'ny fasan-drazany any an-toerana.

Jeannot Ramambazafy 15 Oktobra 2017

Mis Ă  jour ( Dimanche, 15 Octobre 2017 07:46 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA