Betsiaka, DistrikanâAmbilobe, Sabotsy 21 Oktobra 2017. Tontosa soa aman-tsara ary an-tsakany sy an-davany ny fialanâny profesora Zafy Albert ity tany fandalovana ity. Ary dia nanatrika ny dingana farany ny filoham-pirenena mivady dia i Hery sy Voahangy Rajaonarimampianina izany. Ho gaga ianareo rehefa avy nijery ireto sary manaraka ireto. Sary, mbola averiko eto fa tsy misy fepetra ny fampiasana azy ireo.
Ny Antakarana dia manana fomba manokana rehefa misy havany nodimandry. Ka ireto avy izany:
Tsy fiteny ny hoe mandevina izany fa manafina na manitrika no izy. Izany hoe afenina na asitrika ny razana. Rehefa tonga any an-toerana manakaiky ny anaovana izany dia tsy lanjaina ny razana fa tsy entina amina fiara. Izany hoe rehefa avy nanaovana porizenitra ny Profesora Zafy Albert, niaraka taminâireo miaramila dia anjaranâny fianakaviana sy ny vahoaka aminâizay ny mitondra azy any aminâny trano vato.
Ny lehilahy dia tsy maintsy manao kitamby ary ny vehivavy kosa manao salovagna (lambahoany). Marihina fa ny vady dia tsy manatrika ny fanasitrihina mihitsy. Rehefa vita ny lamesa dia mitodi-doha mody izy. Izay no nahatonga anâi Ramatoa ThĂ©rĂšse Zafy nitodi-doha nandeha ho any Ambilobe.
Ny zanaka indray dia mahazo manatrika fa tsy maintsy manala kiraro ary manasa tanĂ na avy eo ka tonga dia miverina mody rehefa voasitrika ny razana. Rehefa avy nasitrika ny razana dia mandeha mody daholo ny olona rehetra ary tsy mahazo mitodika.
Zaraina toaka ny vahoaka avy eo. Satria ny toaka dia rano sy afo mitambatra, kanefa zavatra tsy afaka miaraka. Izay no mampahery azy. Tsy tokony tratranâny tsĂŽfotrandra ny fanitrihina, izany hoe alohanâny 4 na aminâny 5 ora hariva.
MihĂŽsika: mandrisika ny lehilahy ary ny vehivavy kosa manesy
AmpijĂŽry: mitondra hazo manga izay manokatra ny varavarana. Miantso Zagnahary izay vao miantso ny Razana. Izy koa no manakatona ny fasana rehefa lasa daholo ny olona
Mikehiny: misy olona miteny aminâny Razana: « efa tontolo hafa misy anao fa aza manaraka ny velona intsony ».
Sary aminâizay.
Jeannot Ramambazafy
Â
Â
Ity no atao hoe Zombavola, fasam-pianakaviana ("caveau familial"). Ato ny profesora Zafy Albert no nasitrika ary mandry am-piadanana, miandry ny fitsanganana amin'ny maty, araka ny finoana kristianina