Vao Nigadona ilay rivo-doza Ana izay namela takaitra maro tao anatinâny faritra atsinana, avaratra andrefana sy afovoanâi Madagasikara, tamin'iny volana janoary 2022 lasa iny, dia efa nivonona ny Association Fitia natsanganâi Ramatoa Mialy R. Rajoelina, vadinâny Filoham-pirena, teo aminâny fanampiana sy fandraisana an-tĂ nana ireo tra-boina, indrindra fa eto aminâny renivohitry ny Nosy sy ny manodidina azy.
Nisy fanomanana goavana tao nanjakanâny firaisan-kina tanteraka. Ny 31 Janoary 2022 dia niditra an-tsehatra nivantana ny vadinâny Filoha Andry Rajoelina.
Tao Antanimenabe Ambohitrimanjaka dia sady nizara koba aina izy sy ny mpiara-dia aminy no nanolotra fanampiana ho anâireo tra-boina, toa ireo zavatra ilaina andavandro na ireo « Produits de premiĂšre nĂ©cessité » na PPN (sira, vary, siramamy, menaka, voamainaâŠ), kidoro sy bodofotsy, akanjo, jiro mandeha aminâny herinâny masoandro, fanafody isan-karazany, arovava orona. Tsy adino ny nametrahana hopitaly mandehandeha na ilay hoe « clinique mobile » izay notsidihinâi Ramatoa Mialy.
Tao aminâny kianja mitafo ao Ankorondrano indray dia fizarana mivantana sakafo ho anâireo traboina no natao, ankoatra ny fizarana isan-karazana efa natao. Fa tsy aleho ve ny sary aminâizay no avelan-tsika hiteny.
Mialohanâizany anefa dia aleho aloha mampita ny fisaorana avy aminâny Filoha mpanorina sy ireo mpikambana an-tsirapo mandrafitra ny Association Fitia :
« Tsy mora tokoa na ny teo amin'ny lafiny fizarana ny sakafo na ny teo amin'ny lafiny fandaminana ny toby, na ny fizahana ny fahasalamana.
Tsy vita samirery izany rehetra izany koa mankasitraka manokana ireo rehetra izay tsy nisalasala nanohana ary nifanampy taminay :
Ny Ministry ny Mponina
Ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka
Ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena
Ny Ministry ny Serasera sy ny Kolotsaina
Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa
Ny Ministry ny Atitany
Ny Ministry ny Tanora sy Fanatanjahantena
Ny Ministry ny Angovo
Ny Solombavahoaka Antananarivo faha-III
Ny BNGRC
Ny Vokovoko Mena malagasy
Ny Direction des Affaires sociales et politiques de la Présidence
Ny CUA
Ireo mpitandro ny filaminana miantoka ny fandriampahalemana teny an-toerana rehetra:
Ny Tafika, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena »./.
Jeannot Ramambazafy â Association Fitia