]
Les quotidiens du 28 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Nadine Ramaroson tany Fenoarivo Atsinanana : Andro Iraisam-pirenena ho Fanafoanana ny Herisetra Mianjady amin’ny Vehivavy 2010

Nadine Ramaroson tany Fenoarivo Atsinanana : Andro Iraisam-pirenena ho Fanafoanana ny Herisetra Mianjady amin’ny Vehivavy 2010

Ny Ministra Nadine Ramaroson tao Fenoarivo Atsinanana (Faritany Toamasina)


“ Amin’ny 50 taona manaraka dia tsy tokony atahotahotra fa iray hina, satria io fatahorana io ihany no mahatonga ny olom-bitsy mpangoron-karena amin’ny tsy rariny ho manjaka, ka hisian’ny herisetra . Fa rehefa mitsangana isika manambatra hery, dia tsy ho hisy intsony izany fanaovana ny tsy rariny izany “.



Navoitran’i Ramatoa Nadine Ramaroson, Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy io nandritra ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho Fanafoanana ny Herisetra Mianjady amin’ny Vehivavy, isaky ny 25 Novambra. Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, faritra ny Analanjirofo, no nosafidianana ity hetsika ity.

« Vehivavy lavitry ny herisetra, vavolombelon’ny fanomezana hasina ny sosialim-bahoaka».

Io no lohahevitra nentina tamin’ny fanamarihana io andro io, izay nametrahana ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny vehivavy manoloana ny herisetra mahazo azy, ka ny tanjona dia ny tsy hisian’izany intsony. Manana ny tanjona ho amin’izany ny minisitera ny mponina.

Ampahan’ny kabarin-dRamatoa Nadine Ramaroson, Ministry ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy


" Ny taona 2011 ho avy izao dia hatsangana ao Fénérive-Est ny “Clinique juridique” afaka handray sy hihaino ny fitarainana noho herisetra miajady ny vehivavy. “ Na dia mbola amin’ny taona ho avy anefa izany dia tsy ho irery akory isika fa eo ny minisitera ny Mponina izay afaka hiaino tsara sy handray ny fitarainana momba ny herisetra mahazo ny vehivavy izay, Azo lazaina fa efa natombontsika izany ady izany. Efa maro ny asa notanterahina sy mbola kasaina hatao amin’ny alalan’ny ireo Fikambanam-behivavy sy ireo Ivo-toerana Fihainoana sy Fanomezana Toro-hevitra araky ny Lalàna (“Cliniques Juridiques”) manerana ny Nosy. Ny tanjona dia ny fanajana sy fitandroana ny zo aman-kasin’ny vehivavy Malagasy ”. “ Tsy ireo ihany anefa no herisetra fa misy ihany koa ny fangalana ny harena tsy amin’ny rariny, izay azo atao ho herisetra ihany koa. Vao tsy ela ny tenako no tany Maroantsetra “, hoy Ramatoa Minisitra. “ Tany no nahenoko ny fitarainan’ireo vehivavy izay lavitra ny mpitondra hatramin’izay, ary dia izay indrindra no hisian’ny Fitondrana Tetezamita, dia ny hitondra ho amin’ny fiovana, ka hanakaiky kokoa ny vahoaka tantaniny, mba hatokisan’ny vahoaka tena fa rano sy vary ny vahoaka sy ny mpitondra ka tsy mifanary. Rehefa mivondrona isika dia tsy hatahotra fa afaka miaro ny fananana fa tsy natao ho ampihimamba toy izay efa nisy tamin’ny 50 taona lasa izay.


Telo hetsy sy iray tapitra ny olona mangataka ny vahaolana momba ny ady tany, izay herisetra ihany koa noho ny fanany alaina, ka izany rehetra izany dia mila fiarovana. Tsy tokony hisy intsony amin’izao ny 50 taona manaraka izao ny atahotahotra fa iray hina, fa io fatahorana io ihany no mahatonga ny olom-bitsy mpangoron-karena amin’ny tsy rariny ho manjaka, ka hisian’ny herisetra, koa rehefa mitsangana isika manambatra hery, dia tsy ho hisy intsony izany fanaovana ny tsy rariny izany. Nosafidiana manokana ny Renivohitry ny Distrikan’ny Fenoarivo Atsinanana hanatanterahana ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho Fanafoanana ny Herisetra Mianjady amin’ny Vehivavy, satria araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ireo Sampandraharaham-panjakana dia hita fa maro ireo vehivavy iharan’izany eto an-toerana.

Koa manainga antsika tsirairay avy izay mahita na iharan’ny herisetra mba hanatona ny Fokontany, na ny Tobim-pahasalamana, na ny Mpitandro ny filaminana hitady toro-hevitra sy vaha-olana. Mbola maro anefa ny ezaka miandry antsika, toy ny fanaraha-maso ny fampiharana ireny lalàna isan-karazany ireny; ny fahavononantsika hirotsaka antsehatra sy hisiki-ponitra hiasa am-pitiavana sy ampahamendrehana. Eto koa dia entanina manokana ny lehilahy mba handray anjara amin’ny fampiharana ny zon’ny vehivavy mba hampanjariana ny miralenta. Mino sy manantena isika fa tsy handraraka ilo mby andoha. Aoka isika samy hanana fahasahiana sy fahavononana hanome lanja manokana ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, satria ny vehivavy dia hery lehibe amin’ny sehatra fampandrosoana rehetra. Hitondra voka-tsoa sy fahombiazana ho an’ny firenentsika anie ny fandraisantsika andraikitra. Manainga antsika rehetra kosa, manampahefana isan’ambaratongany, olom-boafidy, mpiara-miombon’antoka, sehatra tsy miankina sy lafin-kery samihafa, andeha isika manomboka mason’andro anio, hanompana ny hery mampandrisika, hahatomombana ny ady amin’ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy ”.

Andriamatoa Saina Michel sy Ramatoa Nadine Ramaroson

Na ny Lehibe ny Faritra, Andriamatoa Saina Michel, na ny Benin’ny Tanàna ao Fenoarivo Atsinanana dia samy niray feo ny mahazava-dehibe ny ady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy.

“Tamin’ny fandalovan’ny Filohan’ny Tetezamita dia nisy fangatahana natao taminy, ka ny olana dia marary ny mpiasa ny kaominina, ary tsy mbola voavaha hatramin’izao, ka dia mba hangatahanay “, hoy ny Benin’ny Tanàna, “ ny mba hanampian’ny minisitera ny Mponina ny tosika hampatsiahy any amin’ny Filoha Andry Rajoelina izany fangatahana izany ”. Eo koa ny fanasan-damba (”lavoirs”) izay misy telo, nefa noho ny tsy fahampiana eo amin’ny kaominina, dia tsy miasa izany , nefa dia azo ampiasaina tsara".


Momba ny herisetra mahazo ny vehivavy, dia nisolontena ny lehilahy ny Benin’ny Tanàna ao Fenoarivo Atsinanana, ka nilaza ampahibemaso fa “tsy hagnano eky amin’ny famonoana ny vehivavy”.

Tao anatin’izao hetsika izao ihany koa no nanolorana fitaovam-pamokarana ho an’ny tantsaha vehivavy , ary masinina fitotom-bary niampy masininina fanjairana .

Tamin’ny kabary nataon-dRamatoa Minisitra ihany koa no nilazany fa amin’ny taona ho avy dia any Maroantsetra no hanamarihana ny 8 Mars, Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy. Ny tolak’andro dia notohizana tamin’ny fiara-midinika tamin’ireo vahoaka tao amin’ny tranompokolona ny fotoana. Avy eo dia nisy fanolorana omby roa izay avy amin’ny minisitera ny Mponina , niara-komana tamin’ny alalan’ny fiaraha-misakafo nentim-paharazana Betsimisaraka.

Nandray soratra : Jeannot Ramambazafy
Sary : Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Vendredi, 26 Novembre 2010 23:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...