]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Mialy Rajoelina. Kabariny tamin'ny Orange Day, 25 Novambra 2019

Mialy Rajoelina. Kabariny tamin'ny Orange Day, 25 Novambra 2019

Lapan'ny Fanatanjahantena, Mahamasina, 25 Novambra 2019. Isan-taona dia natokan'ny Firenena mikambana ho “Andro Volomboasary” na “Orange Day” ny 25 Novambra. Izany dia fotoana natokana iadivana amin'ny erisetra isan-karazany mianjady amin'ireo vehivavy. Ity manaraka ity ny kabarin'ny vadin'ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, izay Ambasadaoron'ny FNUAP eo amin'ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha lahy na maha vavy na ny mira lenta.

 

Ramatoa vadin’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta,

Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana amin’ny Governemanta,

Ianareo vadina Ministra,

Mesdames et Messieurs les Membres du Corps diplomatique,

Ianareo namana sy mpiara-miombon’antoka,

Ianareo olomanan-kaja maro manatrika etoana,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

 

Hafaliana lehibe ho ahy ny miarahaba sy mifankahita aminareo eto androany. Nahafoy fotoana ianareo, namaly ny fanasana ka tonga marobe eto amin’ity toerana ity.

Fotoan-dehibe ny andro androany satria Anio 25 Novambra dia manana ny lanjany manokana. Antsoina ihany koa hoe “Orange day”, andro natokan’ny Firenena Mikambana ho « Andro iraisam-pirenenena ho amin’ny famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy ». “Orange day”, ny loko “orange” na ny volomboasary no loko ofisialy amin’ity hetsika ity ary natao ho marika famantarana ny hoavy mamiratra sy ny tontolo ara-drariny tsy misy herisetra mihatra amin’ny vehivavy sy ny ankizy vavy.

Zava-dehibe sy mavesa-danja loatra ny fanokanana andro iraisam-pirenena toy izao. Raisiko ho fandraisana andraikitra lehibe izany satria tena mendrika eto amin’ny Firenentsika.

Kanefa, heveriko fa ny andro iray ao anatin’ny taona dia tsy ho ampy. Tsy ho ampy satria isan’andro isika no mila mientana, amin’ny andavanandrom-piainana isika no mila miady sy manohitra ny herisetra izay hita fa mbola mihatra eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika.

Lohahevitra mandona ny foko manokana ny fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy ka nijoroako hatramin’izay ary mbola hijoroako eto androany manoloana anareo. Ary raha mbola hita sy hiainana ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina dia mbola ho hitanareo ihany koa aho hijoro, hiady sy hanohitra an’izany.

Loza mikiky ny fiarahamonina misy antsika rehetra ny herisetra. Ka antony nandraisako andraikitra satria vehivavy aho, vady, reny ary efa mba avy ankizy ihany koa. Maharary ahy loatra ny fisian’izany toe-javatra mamohehitra izany. Raha ny ara-tantara no jerena dia ao ireo kolontsaina mametraka ny vehivavy tsy mba ho tompo-tsafidy amin’ny lafim-piainanana maro. Misy koa ireo fomba fisainana entina mihevitra ny vehivavy ho toy ny fanaka ao an-tokantrano. Ao ny fanaovana ny vehivavy toy ny entam-barotra mihitsy aza amin’ny alalan’ny fanondranana azy ireo an-tsokosoko. Ao ny fikasihan-tanana izay miafara amin’ny famoizana aina mihitsy aza.

Maneran-tany dia 650 tapitrisa ireo vehivavy noterena hanambady na dia mbola tsy ampy taona aza, mbola maro ireo ankizy vavy iharan’izany ka tsy afaka manohy fianarana fa voageja ao an-trano. Toe-javatra hita sy hiainana koa eto amin’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy izany.

Marihiko hatrany fa ny vehivavy dia manana ny zo feno amin’ny maha-olom-pirenena azy, manana ny hasiny manokana amin’ny maha renim-pianakaviana azy, manana saina, hai-tao, hai-raha handray anjarara amin’ny fampandrosoana maharitra ny Firenena ny vehivavy. Tsy misy afaka hilaza fa miaina ao anatin’ny fiaraha-monina anjakan’ny rariny sy ny mira lenta raha mbola manjaka ny herisetra izay atao amin’ny vehivavy. Ary mino aho fa tsy misy fampandrosoana tena izy raha tsy mandray anjara feno ao anatin’izany isika vehivavy.

Mitodika aminareo rehetra manatrika eto aho androany, mitodika amin’ireo renim-pianakaviana rehetra, amin’ireo vehivavy mpiray tanindrazana tsy ankanavaka manerana ny Nosy. Ny herisetra dia tsy mifidy saranga, tsy mifidy taona ary marolafy ny endrika hisehoany. Voakasika amin’izany avokoa isika rehetra, na lahy na vavy, na kely na lehibe.

Ho anao izay mahafantatra na mahita olona miaina ao anatin’ny herisetra dia manana adidy amin’izy ireny ianao, tsy tokony hipetraka hitazam-potsiny, hihevitra fa tsy anjarantsika ny mihetsika rehefa sendran’ny toe-javatra toy izany.

Tsapako fa tsy mora izany, mety eo ny tahotra : inona no azoko atao ? Sao dia manahirana fa fiainan’olona ? Mahasadaikatra na dia atao hoe olona akiaky ny tena aza.

Tsarovy anefa fa isika izay mijoro sy manolo-tanana an’ireny olona ireny no afaka manova zavatra.

Raisintsika ny ohatra : Inona no azonao atao manoloana ny vehivavy iray tonga mizara aminao ny herisetra manjo azy ?

Ny zava-dehibe voalohany dia ny mampafantatra azy fa mino azy ianao, mino izay tantarainy aminao. Maro dia maro mantsy ireo vehivavy mangina satria menatra ary mihevitra izy ireo fa tsy hisy hino raha mizara ny herisetra iainany andavanandro. Ataovy tsapany fa eo ianao hiaino azy fa tsy sanatria akory hitsara azy. Olona mila tohanana izy, olona mila fankaherezana. Ampahafantaro azy fa tsy misy toe-javatra afaka manome rariny ny herisetra sy ny fikasian-tanana. Ambarao azy ombieny ombieny fa tsy misy nateraka hiharan’ny herisetra. Efa misy ihany koa izao ny laharana maitso azo antsoina vonjy rehefa sendran’ny herisetra dia ny 813 na 147.

Misy ny lalĂ na velona mifehy izany isaky ny tany sy ny Fanjakana, ka anisan'izany ny lalĂ na manokana izay novolavolain'ireo teknisiana sy mahay lalĂ na ary handalo tsy ho ela eo anivon'ny Antenimiera roa tonta.

Fihetsika tsotra fa mety hanova zavatra izany. Fihetsika maneho ny tsy fanekena ny anjakan’ny herisetra, fihetsika tokony anantsika rehetra satria isika rehetra no handray andraikitra sy hijoro, hiady amin’ity trangam-piarahamonina ity. Arak’izay tandrify ny tsirairay mba tsy ho re, tsy ho re intsony fa misy any vehivavy toa ahy sy ianao mizaka izany herisetra izany isaky ny andavanan’androm-piainany.


Fito volana izao no nosafidianan’ny UNFPA ho Masoivohon’ny ady amin’ny herisetra sy ny fampanambadiana ny ankizy eto Madagasikara ny tenako. Tao anatin’izay fotoana izay dia niara nientana tamin’ny Fikambanana Fitia hatrany ireo mpiara-miasa maro. Ka eto aho dia manolotra fisaorana anareo rehetra tamin’ny fifanomezan-tanana an-kitsipo : ny UNFPA, ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka sy ny Brigade FĂ©minine de ProximitĂ© (BFP); ny Ministeran’ny Mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy; ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny sampana manokana eo anivon’ny Fitsarana Antananarivo izay mikirakira ny ady amin’ny herisetra; ireo rehetra nifarimbona tamin’ny famolavolana ny lalĂ na manokana entina manenjika sy manasazy ireo tompon’antoka amin’ny herisetra; ireo fiarahamonim-pirenena sy Fikambanana maro avy eto an-toerana sy avy any ivelany; ary ianareo olon-tsotra tsara sitrapo samihafa.

Ho fanamarihana ny andro anio dia apetraka ny ivontoerana voatokana na « Centre spĂ©cialisĂ© ». Araka ny maha-ivontoerana azy, dia hisokatra ho an’ny rehetra ity toerana ity ahafahana mametraka fitarainana sy fitorohana. Toerana hahafahan’ireo olona ianjadian’ny herisetra mamboraka ny alahelony ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka, hahazoany fatosikan-tena, hahatsapany fa misy mihaino izy, ary indrindra ahafahany manao dingana manoloana ny herisetra izay niotrika tao anatiny, na ara-tsaina na ara-batana. Misy ny « salle d’écoute » voatokana ho an’izany. Ny « Centre spĂ©cialisĂ© » dia mijoro ihany koa hiaro azy ireo, hampahafantatra ny zony. Misy ny birao ho an’ny mpisolo-vava sy ny BFP. Misy ny fandraisana an-tanana ara-psikolojika sy ara-tsosialy, fizahana ara-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza, fandraisana vonjimaika ireo hiharan’ny vono sy ny ratra ary misy ihany koa ny toeram-piofanana eto amin’ity « Centre » ity. Natao izany mba hanorona lalana sy hanomezana azy ireo fahatokisan-tena sy fahafahana hiverina eo anivon’ny fiarahamonina.

Maro ireo Fikambanana, sy ireo mpandray anjara, mpiantsehatra mavitrika eo anivon’ny fiarahamonina amin’ny fanampiana ara-tsosialy isan-karazany. Ny fahatongavanareo eto androany dia porofo mivaingana fa lohahevitra mandona ny fonareo ihany koa ny fiadina amin’ny herisetra. Ka mamerina ny fisaorana anareo tonga marobe eto androany.

Afaka mandray anjara mavitrika amin’ny fanomezana fampiofanana eto amin’ity «Centre spĂ©cialisé» ity ianareo.

Ary anio dia am-pifaliana lehibe no andraisako anareo hifampizara sy hifanoro hevitra, mba ampafantatra ihany koa ny hetsika rehetra izay ataonareo.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Mbola ho lavitra ny lalana, mbola maro ny dingana miandry. Hoy ny vadiko izay hoe: “ raha izahay irery no mihazakazaka dia mandeha haingana fa raha isika rehetra no miara-mientana dia handeha lavitra ”. Afaka manova ny tantara isika, andao hifanome tanana, hiaraka hibanjina ho avy mamiratra ho an’ny zanantsika vavy, ahafahan’izy ireo mivelatra ara-tsaina eo amin’ny fiarahamonina.

Koa ndao Ă ry hiaraka hanoratra ny tantara isika.

Ary ho vohizintsika ny hoe : “Melohiko ny herisetra”!

Mankasitraka Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy !

Mis Ă  jour ( Dimanche, 01 DĂ©cembre 2019 06:38 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...