]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Soamahamanina. Hitsangana tsy ho ela ny CEG manara-penitra

Soamahamanina. Hitsangana tsy ho ela ny CEG manara-penitra

Notanterahina tamin’ny Alarobia 04 Novambra 2020 ny « vaky tany » na ny « ala saritaka » na ihany koa ilay antsoina hoe « tsatoka angady voalohany » ho an’ny fanamboarana CEG Manara-penitra vaovao ao amin’io Kaominina Soamahamanina io. Efitrano vaovao 24 no hatsangana amin’izany hanampy ireo efa misy ankehitriny. Lanonana tsotra no nentina nanamarihina izany fomba izany tany an-toerana ka nanatrika izany ny olo-manankaja maro zanaky ny faritra Itasy.


Sady tsy maharaka ny isan’ny mpianatra intsony ny efitrano fianarana eto amin’ny CEG Soamahamanina no efa tranainy avokoa. Marihina fa isan’ny veliranon’ny Filoham-pirenena ny hanatsarana ny lafiny fampianarana eto Madagasikara na amin’ny lafiny kalitao na eo amin’ny fotodrafitrasa.


Vaky tany !

Manampy ny ankizy hilofo amin’ny fianarana ny fananana sekoly manara-penitra sy tsy mena-mitaha amin’ny hafa ary manampy ihany koa amin’ny fanitsiana ny sary raiki-tapisaka eny anivon’ny fiarahamonina toy ny hoe rehefa zanaka tantsaha sy nianatra tany ambanivohitra dia tsy tafita amin’ny fianarana. « Azo tsapain-tanana tokoa ankehitriny fa miasa ny fitondram-panjakana satria zava-dehibe ho an’ny ankizy sy ny ray aman-dreny aty Soamahamanina izao fanomezan’ny filoha Andry Rajoelina fotodrafitrasa manara-penitra tahak’izao », hoy ny lehiben’ny faritra Itasy, ny jeneraly Maherizo Andriamananana.


« Fanta-daza manerana an’I Madagasikara sy maneran-tany mihitsy ny kaominina ambanivohitr’I Soamahamanina tamin’ny fijoroany niady, nanohitra ny Sinoa, tonga nitrandraka volamena tao amin’ity kaominina ity tamin’ny taona 2016. Nampiseho fitiavan-tanindrazana sy firaisan-kina ny zanak’I Soamahamanina tamin’izany ary tsy nihemotra tamin’ny teritery sy fandrahonana ary herisetra isan-karazany. Ho fankasitrahana avy amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny vahoakan’I Soamahamanina nijoro tamin’izany tolona izany indrindra koa no anton’izao fananganana CEG manara-penitra izao », hoy ny Tale Jeneralin’ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena Augustin Andriamanananoro, izay isan’ny niady mafy tamin’ny fanoherana ireo Sinoa saika hitrandraka volamena ireo.


Ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa kosa dia nanentana indray ny zanak’i Soamahamanina mba hiara-hientana sy hiray hina hatrany mba ho tombotsoan’i Soamahamanina sy faritra manontolo. « Ny afom-pitiavan-tanindrazana izay nandresentsika tamin’ny tolona nataontsika tamin’ireo Sinoa ireo dia avadintsika ho hery entina miady indray amin’ny fahantrana », hoy izy.




Rehefa vita moa ny fikarakarana sy ny fanadivoana ny manodidina dia ho apetraka tsy ho ela ny vato fototra ho fanamarihana ny fanombohan’ny asa fanamboarana izany CEG Manara-penitra vaovao ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Soamahamanina izany.

Mponina ao Soamahamasina

Mis Ă  jour ( Mardi, 10 Novembre 2020 18:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA