]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny Firenena Mikambana, ny 21.09.2022. Famintinana

Ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny Firenena Mikambana, ny 21.09.2022. Famintinana

New York, 21 Septambra 2022. Feno ny fe-potoana anjaram-pitenenan’ny Filohampirenena malagasy, Andry Rajoelina, tamin’ny Fivoriam-be faratampony (“Assemblée générale”) fanaon’ny Firenena Mikambana isan-taona ao New York. Ny 20 ka hatramin’ny 26 Septambra 2022 dia andiany faha-77 no tontosaina.


Naharitra fahefa-kadiny mahery ny kabarin’ny Filoha Rajoelina. Fa voalaza daholo ny zava-misy marina ao Madagasikara, nandritra ny Taona 2019 ka hatramin’zao 2022, ho ren’ny mpitondra sy mpanapaka mahefa maneran-tany izay liana tokoa. Toa an’Andriamatoa John Kerry, ohatra, izay iraka manokan’ny Filoha amerikana, Joseph Biden, misahana ny Toetrandro.

Ho an’izay tsy mahalala afa-tsy ny anio sy ny androany ihany dia ny mpanapaka faratampony maneran-tany no mivory isan-taona ao amin’ny Firenena Mikambana ao New York, ka mizara sy mampahanfantra ny zava-misy ao amin’ny fireneny tsirairay avy. Tsy hoe mahazo miteny izay tiana ho teneniny izy ireo fa miala amina lohahevitra voafaritra mialoha.

Tamin’ity taona ity ary dia ity manaraka ity ny lohahevitra: “Des solutions transformatrices pour des défis interdépendants” na “Vahaolana mampiova ho ana fanamby mifampiankina”. Io lohahevitra io dia miala avy amin'ny faneken’ny rehetra fa izao tontolo izao dia ao anatin'ny fotoan-tsarotra eo amin'ny Tantaran'ny Firenena Mikambana. Izany dia noho ny krizy sarotra sy mifamatotra, ka anisan'izany ny areti-mifindra Covid-19, ny ady any Okraina, ny fanamby amin'ny maha-olona ary ​​​​ny fiovaovan'ny toetr'andro. Fa ao ihany koa ny fitomboan'ny ahiahy mikasika ny tsy filaminan’ny fizotran’ny toekarena manerantany. Eo anatrehin’izany rehetra izany indrindra no ilaina ny fitadiavana vahaolana iraisana eo anatrehin’ireo krizy ireo. Laharam-pahamehana sy vain-dohan-draharaha izany ny fitadiavana vahaolana iombonana hananganana Tontolo (ny Planeta Tany ankapobeny izany) mahafinaritra sy maharitra kokoa ho an’ny zanakolombelona rehetra sy ho an’ireo taranaka ho avy handimby ny velona amin’izao vaninandro izao.

Mazava izany fa tsy fitalahoana na fangatahana isan-karazany ho an’ny firenena tsirairay no nalehan’ireo mpanapaka avy amina firenena 100 mahery sy diplomaty ary mpisolo vava maherin’ny 1.000, tany. Hiaino sy handre ireo nifandimby sy hifandimby eny amin'ny lampihazon'ny Fihaonambe ireo lehiben'ny fanjakana sy/na ny governemanta mba hanamafisany ny fanoloran-tenany amin'ny fifandraisana marolafy na “multipartisme” sy hiresaka momba ny olana any aminy sy manerantany, ary indrindra indrindra, handroso vahaolana mpifampiray sy azo ampiarina faran'izay aingana indrindra.

Ny an’ny Filohan’ity Fivoriambe faratampony faha-77,ny teratany avy any Hongrie, Csaba Kőrösi izany, dia nazava ny sori-dàlana nofidiany hitondrany ny asany rehetra mandritra ny heritaona: “Vahaolana mifototra eo amin’ny Firaisankina, ny Faharetana ary ny Siansa” («Des solutions fondées sur la solidarité, la durabilité et la science»).

Raha momban’ny Filoha Andry Rajoelina manokana dia tsy hoe sarotra ny fandikana ny lahateniny rehetra nataony tamin’ny teny frantsay. Saingy raha manao izany ny tenako izay manoratra ity lahatsoratra ity ho an’ny Tantara, dia hiparitaka be ny tena tiany hasongadina. Ka mamelà ahy, ianareo mpamaky Madagate, hamintina faran’izay tsotra, hafahanareo mandinika tsara ny zava-nisy, misy ary hisy ho an’i Madagasikara, Tanindrazana iombonana.

Izy ity dia tsy tantara valamaty toa an’ny sasany izay tsy mitsahatra manaratsy ny firenena niaviany, na ho any na tsy ho any. Singaniko manokana eto i Ramatoa Fanirisoa Ernaivo. Afaka herinandro vitsy dia hivoaka ny boky mirakitra ireo teniny sy lainga rehetra tsy voahevitra ka nataoko an-tsoratra. « Le mensonge est la seule et facile ressource de la faiblesse » (Stendhal). Tsy very na inona na inona izy raha miandry (« elle ne perd rien pour attendre »). Ireo ambany ireo misy santionan’ny fahaizany manimba tena satria tsotra : « La médisance est le vice de ceux qui n’ont ni bon esprit ni bon cœur  » (Félicité de Genlis). Ny fanaratsiana dia fomba fanaon’ireo izay tsy manana saina tsara no tsy tsara fo. Koa vakio tsara ireo ambany ireo ary mandehana mijery ny vaovao mikasika ireo nosoratan’ity Mpitsara voaraoka noho ireo vavabeny tsy voahevitra hatrany hatrany nataony sy mitombo andro aman'alina.


Izay no tsy maintsy natao dia entiko any New York amin’izay ianareo. Ireto manaraka ireto ny faminitinana ny voalazan’ny Filoha Andry Rajoelina ampahibemaso, ny Alarobia 21 Septambra 2022, tao amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana :


Ny vanim-potoana sarotra toa izao lalovantsika izao no ahatsapana fa mila miray hina ny firenen-drehetra. Mbola miaina ny takaitran’ny Covid-19 isika. Mizaka ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro izao tontolo izao ary manampy trotraka izany rehetra izany ny ady eo amin’i Okraina sy i Rosia. Isan’ny mizaka tanteraka ny vokatr’ireo i Madagasikara na dia tsy tompon’antoka aza. Noho ireo tranga rehetra ireo dia notakiany ny tokony hampiharana ny fifanarahana tamin’ny COP21, izay efa nohamafisina nandritra ny COP26, mba hametrahana amin'izay ny « Fonds Vert pour le Climat » (GCF na “Green Climate Fund”).


Ny GCF dia rafitra ara-bolan'ny Firenena Mikambana, izay mifototra amin’ireo hetsika hiadina amin’ny fiovan'ny toetr'andro, izay tontosain’ireo firenena mpikambana ao amin'ny CCNUCC (“Convention-cadre des Nations Unies sur les changements climatiques”). Notsindrian’ny Filoha malagasy koa teto ny tokony hijeren’ity rafitra manerantany ity ny fomba hisitrahan’ireo firenena marefo solika amin’ny vidiny ara-drariny mifanaraka amin’ny arikaren’ny tsirairay.


Fa ny zavatra nandrasan’ny Malagasy rehetra dia mikasika ny Nosin-tsika miparitaka ao amin’ny lakandron’ny Mozambika ao. Niantso ny Firenena Mikambana ny Filoha Andry Rajoelina hanohana amin’ny fikarohana vahaolana ara-drariny sy iraisana ho famerenana amintsika ireo Nosy Malagasy ireo. Ary dia nanambara izy fa ho atao tsy ho ela rahateo ny fihaonana faharoa eo amin’ireo vaomiera Frantsay sy Malagasy misahana izany. Tsiahivina eto fa ny fihaonana voalohany nataon'ireo vaomiera Frantsay sy Malagasy ireo dia natao tao amin'ny Lapan'ny Praiminisitra ao Andafiavaratra, ny 18 Novambra 2019. Nampiato zavatra maro tokoa ilay Covid-19. Ary mahavery ny tadidin'ny sasany mihitsy aza...

Na teo aza ireo tranga sarotra isan-karazany (Covid-19, rivo-doza…) dia tsy nihemotra fa nandroso hatrany i Madagasikara nanatratra ireo fanamby, hoy ny Filoha Rajoelina. Ary dia notanisainy ireo sehatra nahitam-bokany mivaingana noho ny ezaka nataon’ny fitondrana tarihiny : ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria sy ny famokarana ary ny fambolena; ny fampitomboana ny famokarana herinaratra amin'ny alalan'ny angovo azo havaozina; ny fanatsarana sy fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana; ny fanatsarana ny tontolon'ny fanabeazana.eto aho dia manipika fa ny firenena malagasy dia nosy manana fivelarana 587.042 km² ary efa ho 29 tapitrisa ny mponina ao aminy. Malaky mihitsy ny sasany miezaka mampitovy ny tsy hitovy na oviana na oviana. Ohatra roa akaiky: Maurice : 2.040 km²; La Réunion: 2.512 km². Ny voalohany zanatany anglisy teo aloha misy mponina 1.286.073, ary ny faharoa departemanta frantsay misy mponina 909.883. Misy mihitsy Malagasy tsy mahalala akory hoe hatraiza ny boriboritany ipetrahany fa dia mampitovy fahatany lava izao manambany tena.


Ny tao-trano moa tsy hefan’ny irery ka dia nisaoran'ny Filoha malagasy manokana ireo mpiara-miombona antoka izay teo anilan’i Madagasikara hatrany sy manohana hatrany amin’ny fanatanterahana ny “Plan Emergence de Madagascar” na PEM izay efa natomboka ny taona 2019.

Hoy indrindra ny Filoha Andry Rajoelina momban’io PEM io: “Any Madagasikara dia mazava sy feno ny paik’ady ataonay mba hanenjehina ny fahataran’ny Fampandrosoana. Novolavolainay ny drafi-pivoaran'i Madagasikara na PEM, izay efa natomboka teo amin’ny nanombohan’ny fe-potoam-piasana naha Filoham-pirenena voafidy ahy, tamin’ny taona 2019. Mazava ny vinanay ary voadika amin’ny alalan’ny finiavana politika asehonay sy amin’ny alalan’ny hetsika ataonay tsirairay avy”.


"Laharam-pahamehana ny fomba fiasa eo amin’ny sehatra sy ny tetikasa hampiakarana ny toekarem-pirenena ho eo anivon’ireo firenena vao mivelatra ("pays émergents"). Nanangana fandaharan'asa fanavaozana goavana izahay mba hanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana, hampivelatra ny harena avy amin’ny angovo ananan’ny olompirenena (“Capital humain”) ary hahatonga ny fitomboana ara-toekarena matanjaka sy maharitra, ka ny Angovo no atao Andrin'ny Fampandrosoana. Firenena voatahy i Madagasikara, satria manana tahirin-drano maro hafahana manangana tohodrano hydrôlika. Avo be ny tara-pahazavana entin’ny masoandro any aminay ho ana orinasa mpamokatra herinaratra avy amin’io masoandro io ary ny herin’ny rivotra dia hafahana manodina fotro-drafitrasa mamadika io rivotra io ho angovo".


Ireo no hevi-dehibe tsara ho fantatratreo mpamaky hajaina, tafiditra ao amin’ilay lohateny efa voalaza ery amboalohany dia : “Vahaolana mampiova ho ana fanamby mifampiankina”.. Raha te-hahalala ny fanambarana hafa nataon'ny Filoha Rajoelina, fa amin’ny teny frantsay, dia tsindrio ETO. Misaotra indrindra.

Nofaranan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny teny Malagasy madio ny lahateniny ampahibemaso, tao New York, dia :

“Ho tahian’Andriamanitra anie ny firenentsika. Masina ny Tanindrazana! ”.

Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Jeudi, 22 Septembre 2022 19:37 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024