]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Maharante Jean de Dieu : mavandy avao !

Maharante Jean de Dieu : mavandy avao !

Maharante Jean de Dieu, Governoran'ny faritan'i Toliara, tamin'ny andron'ny Amiraly Ratsiraka. Lasa nanao sesin-tany 7 taona tany Andafy. Tsy tafaverina raha tsy nisy an'i Andry Rajoelina nitarika ny tolona volom-boasary. Dia izao namadika tampoka izao. Mahery ve ny fitiavam-bola sy voninahitra e ?

Te-hanao aminy eo koa lasa tena manao ny tsy fanao tokoa ity ministry ny raharaham-panjakana vaovao ity. Efa nanambara ny ao amin’ny Mapar fa tsy isan’ny mpikambana ao intsony izy ary tsy mpandrindra nasionaly ao intsony koa, mazava ho azy. Ary Ramatoa Christine Razanamahasoa no miandraikitra vonjimaika io toerana mpandrindra io amin’izao fotoana izao.

Inona anefa no nataony ? Mbola nilaza ihany izy fa Mapar izy, ary izy ihany, hono, na manana ny fahefana hikarakara ny fivoriam-ben’io vondrona politika miaraka amin’ny Filoha Andry Rajoelina io. Mazava anefa ny fanazavan’i Tinoka Roberto, omaly 8 May 2014: “Raha vao tsy nanaraka ny fanapahan-kevitry ny Mapar ny tsy andray anjara amin’io governemanta vaovao io, Ingahy Maharante, dia kaonty ny nanàla tena izy ary tsy mpandrindra nasionaly intsony. Raha te-hiverina ato aminy Mapar izy dia tsy maintsy mandalo eo anatrehan’ny “conseil de discipline” ato aminay aloha”.

Ankohatra io fitsipi-fifehezana anatin’ny Mapar dia izao koa no voalazan’ny andininy faha-72 ao amin’ny lalampanorenena :

Andininy 72.- Mandritra ny fe-potoana iasany, ny solombavambahoaka dia tsy afaka miova vondrona politika mba hiditra any aminà vondrona vaovao, ankoatra ny anaran’ny vondrona izay nahavoafidy azy, raha tsy izany dia aongana.

Ho sahirana tokoa ingahy Maharante satria amin’ny anaran’ny Mapar no nanendrena azy ho minisitra. Ka rehefa tsy Mapar intsony izy dia zon’ny Praiminisitra Kolo Roger no manila azy eo amin’io toerana io. Izay no mahatonga azy miteny ho re tany ho ren-danitra fa mbola Mapar izy. Tsotra hoy ry zareo ao Atsimo ao: “Lehia mavandy avao !”. Ary ho votsi-droa ny lehilahy, ka asa inona indray ny zavatra mahagaga mety hitranga. Avy any amin'io HCC mpanolana lalàna io...

Jeannot Ramambazafy – 9 May 2014

Mis Ă  jour ( Vendredi, 09 Mai 2014 17:16 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA