]
Les quotidiens du 23 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Mahamasina: FAIR-PLAY, fiantsoana ny mpanao politika rehetra

Mahamasina: FAIR-PLAY, fiantsoana ny mpanao politika rehetra

Ny sary rehetra mandravaka ity lahatsoratra ity dia nalaina teo Mahamasina, tamin'ny Alakamisy 28 Febroary 2013. Mbola ho avy ny vidéos mirakitra ireo tranga niseho tamin'io andron'ny tsena io. Mahareta kely, Tompoko, aza fady.


Nisy ny tonga, nisy ny tonga tara, fa mbola betsaka ny mety ho avy. Fi'zay tsy tonga kosa, dia aleho hitan'ny havany eo satria dia tsy afaka hifanaraka afa-tsy amin-dry zareo samy irery. Dia hitan'izao tontolo izao iza marina ireo mpanao politika ireo... Raharaha malagasy ity ka dia natao amin'ny teny Malagasy. Mbola tsy lazaina eto ny anaran'ireo eo amin'ny sary. Tsy ho fantatrareo ve e ?


Vonona hifanandrina amin’ireo mpikatroka politika ny ekipan-Drajao amin’ny lalao baolina kitra « Grand match de FAIR-PLAY ». Taorian’ny fandresena indroa misesy nifandonan’ireto ekipan’ny "Malok’ila" ireto, tamin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy tsy miankina tany Makajanga sy Toamasina, dia naneho fahavonana indray izy ireo hampiakatra an-kianja ireo mpanao politika tsy an-kanavaka, ka sahy hifandray Tanana, ny Alahady 10 mars 2013 etsy amin’ny Kianjaben’ny Mahamasina.


Ny « Grand Match de FAIR-PLAY » dia hetsika ara-panatanjahan-tena vaovao novokarin’ny SCOOP digital mba hanomezana fialam-boly hafa noho ny fahita mahazatra. Nahitana fahombiazana tokoa izy ity, satria maro tamin’ireo mpankafy Malok’ila sy mpitia baolina kitra no tsy tafiditra tany Mahajanga sy Toamasina.



Azo antoka arak’izany fa ho hipok’olona indray Mahamasina amin’ny 10 marsa izao, satria ankoatran’ny lazan’ny mpilalao sarimihetsika ao amin’ny Malok’ila dia ahaliana ny mpijery ihany koa ny ahita ireo mpanao politika handrafitra ekipa iray ka hiaro tsatokazo iray ho fanehoana ny « FAIR-PLAY ».


Ankoatra ireo mpanao politika dia hifampitady amin’ny mpilalao sary mihetsika vehivavy ihany koa amin’io fotoana io, mandritra ny lalao fanokafana, ireo vehivavy mpiangaly ny mozika mafana. Ireto farany moa izay hita ho tena manana tanjaka, raha tsy hiteny afa-tsy ny fahitana azy ireo eny an-tsehetra. Tsy nikoso-maso manoloana izany koa ry Raly sy ny ekipany, satria efa niroso tamin’ny fanazaran-tena izy ireo.

Scoop digital sy Jeannot RAMAMBAZAFY (Sary),

niampy an'i Ravelo

Mis Ă  jour ( Lundi, 04 Mars 2013 12:09 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA